Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tianao Hanontaniana An’Andriamanitra?

Inona no Tianao Hanontaniana An’Andriamanitra?

Inona no Tianao Hanontaniana An’Andriamanitra?

MANANA fanontaniana lalina momba ny fiainana ny olona eran-tany. Ianao koa ve? Maro no nanontany mpitondra fivavahana, nefa tsy nahazo valiny nahafa-po. Ny sasany nitady valiny samirery. Ny hafa indray nivavaka mba hahazoana tari-dalana. Tena afaka mahazo valiny avy amin’Andriamanitra ve ianao, amin’ireo raharaha mahavery hevitra anao? Ireto misy fanontaniana sasany tian’ny olona maro hapetraka amin’Andriamanitra.

Iza marina moa ianao, Andriamanitra?

Ny fiheveran’ny olona an’Andriamanitra dia miankina amin’ny kolontsainy sy ny fivavahan’ny ray aman-dreniny ary amin’ny tenany manokana. Ny sasany miantso azy amin’ny anarana iray. Ny hafa miantso azy fotsiny hoe Andriamanitra. Tena zava-dehibe ve izany? Tsy misy afa-tsy Andriamanitra marina iray monja ve, izay mampahafantatra antsika ny mombamomba azy sy ny anarany?

Nahoana no misy fijaliana be dia be toy izao?

Raha marary na lasa mahantra ny olona iray, noho izy ratsy fitondran-tena na tsy niraharaha izay ho vokatry ny nataony, dia mety hitaraina izy. Fantany tsara anefa hoe nahoana izy no mijaly.

Maro kosa no mijaly mafy, nefa tsy noho ny fahadisoany mihitsy. Ao ny manana aretina mitaiza. Ao koa ny miady mafy mba hanana trano hipetrahana sy sakafo ho an’ny ankohonany, nefa toa tsy afa-manoatra. Maro be no iharam-pahavoazana, noho ny heloka bevava, ny ady, ny herisetra, ny loza araka ny natiora, na ny tsy rariny ataon’ny manam-pahefana.

Tsy mahagaga àry raha maro no manontany tena hoe: ‘Nahoana no lasa miely patrana toy izao ny fijaliana? Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy izao fijaliana rehetra izao?’

Inona no zava-kendren’ny fiainana?

Matetika no mametraka io fanontaniana io ny olona, rehefa tsy tena afa-po amin’ny asa fanaony andavanandro, ary maro no mahatsapa izany. Betsaka koa no mino fa efa voalahatr’Andriamanitra ny fiainantsika tsirairay. Marina tokoa ve izany? Raha misy zava-kendrena tokoa ny fiainana, dia azo antoka fa tianao ho fantatra izy io.

Amin’ireo boky rehetra misy eran-tany, dia iray monja no milaza mazava fa avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy. Tsy misy boky vita amin’ny fiteny maro noho izy io. Izany rahateo no tokony ho izy, raha tena avy amin’Andriamanitra ilay izy, ka nataony ho an’ny olombelona rehetra. Ny Baiboly Masina no resahintsika eto. Andriamanitra, izay namorona ny lanitra sy ny tany mihitsy, no manambara ny mombamomba ny tenany sy ny anarany, ao amin’izy io. Fantatrao ve io anarana io? Fantatrao ve izay lazain’ny Baiboly momba ny toetran’Andriamanitra sy izay takiny aminao?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Chad Ehlers/Index Stock Photography

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Tendrombohitra: Chad Ehlers/Index Stock Photography