Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Nampoizina Hivady i Boaza sy Rota

Tsy Nampoizina Hivady i Boaza sy Rota

Tsy Nampoizina Hivady i Boaza sy Rota

NARESAKA ilay famoloana teo akaikin’i Betlehema. Ela izay niasana izay, ka noana ny mpiasa. Namerovero ny vary voaendy, fa tonga ny fotoana hisakafoanana. Samy nankafy ny vokatry ny asan’ny tanany avy ny tsirairay.

Afa-po tamin’ny sakafo sy ny zava-pisotro ilay mpanan-karena natao hoe Boaza, ka niala sasatra teo akaikin’ny antontam-bary iray. Rehefa nifarana ny andro fijinjana, dia samy nitady toerana metimety hialana sasatra ny lehilahy. Faly sy afa-po i Boaza, ka efa nirako-damba ary resin-tory.

Fihaonana mangingina

Taitra i Boaza, rehefa nisasaka ny alina, satria nangovitry ny hatsiaka izy. Hay nisy nanakipaka ny lambany, ary nisy olona natory teo an-tongony! Maizina ny andro, ka tsy hitany ilay olona, ary nanontaniany hoe: “Iza moa izato?” Feom-behivavy no namaly hoe: “Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra hianao.”​—Rota 3:1-9.

Tsy nisy nandre ny resaka nifanaovan’izy ireo. Tsy mba mpandeha irery tany am-pamoloana toy izao ny vehivavy. (Rota 3:14) Kanefa nasain’i Boaza natory teo an-tongony ihany aloha i Rota, ary vao nangiran-dratsy dia nasainy nandeha, mba tsy hisian’ny takoritsika.

Fihaonan’ny mpifankatia ve izany? Nanangoly an’io mpanan-karena efa zokiolona io ve i Rota, tanora nananotena avy tany amin’ny firenena mpanompo sampy? Sa i Boaza kosa no nanararaotra an’i Rota, izay nanirery tamin’io alina io? Tsia, fa resaka tsy fivadihana sy fitiavana an’Andriamanitra kosa no votoatin’ilay tantara. Nampihetsi-po koa ireo zava-nitranga.

Iza moa i Rota? Nahoana izy no nanao izany zavatra izany? Ary iza moa i Boaza?

“Vehivavy tsara”

Nisy mosary tao Joda, taona maro talohan’io fisehoan-javatra io. Nifindra tany amin’ny tany lonak’i Moaba ny fianakaviana isiraelita iray nisy efa-mianaka, dia i Elimeleka sy Naomy vadiny, ary i Malona sy Kiliona, zanany roa lahy. Nanambady vehivavy moabita izy mirahalahy, dia i Rota sy Orpa. Rehefa maty avokoa izy telo lahy ireo, dia ren’izy telo vavy fa nihatsara ny toe-piainan’ny Isiraely. Nanapa-kevitra ny hiverina tany an-tanindrazany i Naomy. Nalahelo mafy izy ary tsy nanan-janaka na zafikely.​—Rota 1:1-14.

Teny an-dalana, dia resin’i Naomy lahatra i Orpa, ka niverina tany amin’ny fireneny. Hoy i Naomy tamin’i Rota avy eo: “Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny, ka mba miverena hianao koa hanaraka ny rahavavinao.” Hoy anefa i Rota: “Aza manery ahy handao anao . . . fa izay alehanao no halehako . . . ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy.” (Rota 1:15-17) Niara-niverina tany Betlehema àry ireo vehivavy roa nahantra fadiranovana ireo. Nampiaiky volana ny manodidina ny fitiavana sy fikarakaran’i Rota ny rafozam-baviny. Nilaza mihitsy aza izy ireo fa “tsara lavitra [amin’i Naomy] mihoatra noho ny zanaka fito lahy” izy. Ny hafa indray nilaza fa “vehivavy tsara” izy.​—Rota 3:11; 4:15.

Hoy i Rota tamin’i Naomy, rehefa nanomboka ny fijinjana tany Betlehema: “Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian’izay hahitako fitia eo imasony.”​—Rota 2:2.

Sendra tonga teo amin’ny tanimbarin’i Boaza, havan’i Elimeleka rafozan-dahiny, izy. Nangata-dalana tamin’ilay tompon’andraikitra izy, mba hahafahany hitsimpona salohim-bary. Nahavariana ny fahazotoany niasa, ka nidera azy tamin’i Boaza ilay tompon’andraikitra.​—Rota 1:22–2:7.

Mpiaro sady mpanao soa

Tena mpivavaka tamin’i Jehovah i Boaza. Niarahaba ny mpijinja toy izao izy, isa-maraina: “Jehovah anie ho aminareo”, ary namaly izy ireo hoe: “Hitahy anao anie Jehovah.” (Rota 2:4) Nanehoany fiheverana manokana i Rota, rehefa hitany ny fahazotoany niasa ary reny ny fitiavany an’i Naomy. Raha fintinina, dia izao no nolazainy: ‘Eto amin’ny tanimbariko ihany miasa, fa aza mankany an-toeran-kafa. Miaraha amin’ny zatovovaviko foana, fa hiaro anao izany. Efa nodidiako ny zatovolahiko tsy haninona anao. Haka rano ho anao izy ireo, raha mangetaheta ianao.’​—Rota 2:8, 9.

Niankohoka tamin’ny tany i Rota, sady nilaza hoe: ‘Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao, nefa vahiny ihany aho?’ Namaly i Boaza hoe: ‘Efa reko izay rehetra nataonao tamin’ny rafozam-bavinao, taorian’ny nahafatesan’ny vadinao. Reko koa ny nandaozanao ny ray aman-dreninao sy ny havanao ary ny taninao, ka nankanesanao atỳ amin’ny firenena mbola tsy fantatrao. I Jehovah anie hamaly ny nataonao, ka hanome anao valim-pitia lehibe.’​—Rota 2:10-12.

Tsy nanandrana nambabo ny fon’i Rota akory i Boaza tamin’izany, fa nidera azy tamim-pahatsorana. Tena nanetry tena i Rota, ka nisaotra azy noho ny fampaherezana sy toky nomeny. Nihevitra ny tenany ho tsy mendrika izany izy, ka vao mainka niasa mafy kokoa. Hoy i Boaza tamin’i Rota, tamin’ny fotoana fisakafoanana: “Mankanesa atỳ, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin’ny vinaingitra ny sombi-mofonao.” Nihinana izy ka voky, ary naka ambiny ho an’i Naomy.​—Rota 2:14.

Nahangona vary iray efaha izy, rehefa hariva ny andro. Nentiny tany amin’i Naomy io vary io sy ilay ambin-tsakafo. (Rota 2:15-18) Faly i Naomy, rehefa nahita ny habetsahan’ilay vary, ka hoy izy: “Taiza no nitsimponanao andro-any . . .? Hotahina anie izay nitsinjo anao.” Hoy koa izy, rehefa fantany fa i Boaza ilay izy: “Hotahin’i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin’ny velona sy ny maty. . . . Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan’izay mahavotra antsika izy.”​—Rota 2:19, 20.

‘Tokantrano hiadanana’

Tian’i Naomy hahita ‘tokantrano hiadanana’ ny vinantony. Nohararaotiny àry ilay toe-javatra, mba hahafahana hampihatra ny Lalàn’Andriamanitra momba ny fitondrana loloha. (Levitikosy 25:25; Deoteronomia 25:5, 6) Natoron’i Naomy an’i Rota ny fomba iray tena mahomby mba hisarihana ny sain’i Boaza. Rehefa vonona sy nahazo toromarika tsara i Rota, dia nankany amin’ny famoloan’i Boaza, tao anatin’ny haizina. Efa resin-tory i Boaza. Nakipak’i Rota ny lamba nanarona ny tongony ary nandrasany izay hifohazany.​—Rota 3:1-7.

Nifoha tokoa i Boaza. Azony tsara ny dikan’ilay zavatra nataon’i Rota sy ilay fangatahany hoe “mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao.” Fantatr’ilay zokiolona jiosy izao fa nanana adidy hanavotra tokoa izy, satria havan’i Malona, vadin’i Rota.​—Rota 3:9.

Tsy nampoizin’i Boaza iny fitsidihan’i Rota tamin’ny alina iny. Toa nampoiziny kosa ilay fangatahan’i Rota azy hitondra loloha, satria nanaiky avy hatrany izy.

Natahotahotra angamba i Rota rehefa niteny, matoa i Boaza nanome toky azy hoe: “Ankehitriny, anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr’izay rehetra ao an-tanànan’ny fireneko fa vehivavy tsara hianao.”​—Rota 3:11.

Nihevitra i Boaza fa tsy nanana eritreri-dratsy mihitsy i Rota, satria izao no nolazainy: “Hotahin’i Jehovah anie hianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin’ny ato aoriana hianao noho ny tamin’ny voalohany.” (Rota 3:10) Nanao soa i Rota tamin’ny voalohany, rehefa naneho fitiavana tamin’i Naomy. Nanao soa koa izy tato aoriana, rehefa tsy naneho fitiavan-tena fa nanatona an’i Boaza, izay efa zokiny lavitra be, nefa tokony hitondra loloha azy. Vonona izy hanome zanaka ho an’i Malona, ilay vadiny efa nodimandry, sy ho an’i Naomy.

Nihemotra ny mpanavotra iray

Niantso mpanavotra iray i Boaza ny ampitson’iny. Havan’i Naomy akaiky kokoa noho i Boaza izy io ary “Ranona” no niantsoany azy. Hoy i Boaza teo anatrehan’ny mponina sy ny anti-panahy teo an-tanàna: ‘Nikasa hampandre anao aho fa tsy maintsy hivarotra ny tanin’i Elimeleka vadiny i Naomy, ka ianao no tokony hanavotra azy.’ Hoy ihany i Boaza: ‘Hanavotra azy ve ianao? Raha tsy izany, dia izaho no hanavotra azy.’ Nilaza Ranona fa hanavotra izy.​—Rota 4:1-4.

Tsy nampoizin-dRanona anefa ny tohiny! Nilaza toy izao indray i Boaza, teo anatrehan’ny vavolombelona rehetra: “Amin’izay andro ividiananao ny tany amin’ny tànan’i Naomy, dia amin’i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany hianao.” Natahotra ilay havan’i Naomy sao ho simba ny lovany, ka hoy izy: “Tsy mahavotra aho.”​—Rota 4:5, 6.

Araka ny fanao, dia tsy maintsy nesorin’ilay havana tsy mahavotra ny kirarony ka nomeny ny namany. Rehefa nilaza tamin’i Boaza àry ilay mpanavotra hoe “vidio ho anao izany”, dia nanala ny kirarony izy. Hoy i Boaza tamin’ny anti-panahy sy ny vahoaka rehetra: “Hianareo no vavolombelona andro-any fa efa novidiko tamin’ny tànan’i Naomy izay rehetra an’i Elimeleka sy izay rehetra an’i Kiliona sy Malona. Ary Rota koa, ilay vehivavy Moabita vadin’i Malona, dia lasa vadiko hamelo-maso ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany . . .; hianareo no vavolombelona andro-any.”​—Rota 4:7-10.

Hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin’ny vavahady: “Hataon’i Jehovah tahaka an’i Rahely sy tahaka an’i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon’ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie hianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao.”​—Rota 4:11, 12.

Nampakatra an’i Rota ho vadiny i Boaza, rehefa nahazo tsodrano avy tamin’ny vahoaka. Niteraka an’i Obeda izy. Lasa razamben’i Davida Mpanjaka àry i Rota sy Boaza, izany hoe razamben’i Jesosy Kristy koa.​—Rota 4:13-17; Matio 1:5, 6, 16.

“Valim-pitia lehibe”

Hita tao amin’ilay fitantarana manontolo fa tena lehilahy niavaka i Boaza, satria tsy nisalasala nanao zavatra sy nandray fanapahan-kevitra izy. Niharihary izany nanomboka tamin’ny fiarahabany ny mpanompony tamin-katsaram-panahy, ka hatramin’ny nanekeny ny adidy hamelo-maso an’i Elimeleka. Lehilahy marina sy nahafehy tena ary nanam-pinoana koa i Boaza. Nalala-tanana sy tsara fanahy ary tsara fitondran-tena koa izy, ary tena nankatò ny didin’i Jehovah.

Niavaka koa i Rota tamin’ny fitiavany an’i Jehovah sy Naomy, ny fahazotoany niasa ary ny fanetren-tenany. Tsy nahagaga raha noheverin’ny olona ho “vehivavy tsara” izy. Tsy mba nihinana ny “mofon’ny fahalainana” izy. Niasa mafy izy, ka nanan-javatra nomena an’ilay rafozam-baviny nahantra. (Ohabolana 31:27, 31) Tamin’ny fanefana ny adidiny, dia tsy maintsy ho nahasambatra an’i Rota ny nanome toy izany.​—Asan’ny Apostoly 20:35; 1 Timoty 5:4, 8.

Ohatra tsara tokoa no hitantsika ao amin’ny bokin’i Rota! Tsy nohadinoin’i Jehovah i Naomy. I Rota nandray “valim-pitia lehibe”, satria lasa razamben’i Jesosy Kristy. I Boaza kosa nahazo “vehivavy tsara.” Ary isika afaka maka tahaka ny finoan’izy ireo.

[Efajoro, pejy 26]

Tsirim-panantenana

Raha mahatsiaro ho ory ianao, dia afaka manome tsirim-panantenana ho anao ny tantaran’i Rota. Miavaka io boky manarakaraka ny bokin’ny Mpitsara io. Tantaraina ao fa mpitondratena nanetry tena avy tany Moaba no nofidin’i Jehovah mba ho razamben’ilay mpanjakan’ny vahoakany. Imbetsaka ny olona no nivadika tamin’i Jehovah, tamin’ny andron’ny Mpitsara. Tena niavaka àry ny finoan’i Rota tamin’izany fotoana izany. Afaka matoky isika, rehefa avy mamaky ny tantaran’i Rota, fa miahy ny vahoakany sy manatanteraka ny fikasany foana i Jehovah, na sarotra toy inona aza ny fiainana.