Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

Inona no soa raisintsika avy amin’ny tantaran’ny fianakavian’i Safana?

Mpanao kopia sy mpitan-tsoratr’i Josia, mpanjakan’i Joda, i Safana. Olona ambony teo amin’ny fitondrana izy, ary nanampy ny mpanjaka hamerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina. Nanampy an’i Jeremia mpaminany ny zanany roa lahy. Nampiasa ny fahefany koa ny zanany lahy iray hafa sy ny zafikeliny roa lahy, mba hanohanana ny fivavahana marina. Tokony hampiasa ny fananantsika sy ny fahefantsika koa isika, mba hanohanana ny fivavahana marina.​—15/12, pejy 19-22.

Ahoana no nandresen’i Irene Hochstenbach kilema lehibe iray, ka nahafahany nanompo an’i Jehovah?

Lasa marenina izy tamin’izy fito taona. Na izany aza, dia nianatra niresaka tamin’ny olona izy. Miaraka amin’ny vadiny (mpiandraikitra mpitety faritany) izy izao, mitsidika sy manampy fiangonana samihafa any Holandy.​—1/1, pejy 23-26.

Inona avy ireo boky fianarana vaovao roa, navoaka tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”?

Faly ny Kristianina eran-tany rehefa nahazo ilay boky hoe Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Natao hanampiana an’ireo nahavita ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay izy io. Navoaka tamin’izay koa ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah. Mifantoka amin’ny toetran’i Jehovah sy ny fifandraisany amin’ny olona izy io, ary manampy antsika hanahaka azy.​—15/1, pejy 23, 24.

Inona no dikan’ilay hoe: “Rariny ny hevitry ny marina”, ao amin’ny Ohabolana 12:5?

Madio sy ara-drariny ary marina ny eritreritry ny olona tsara fanahy. Tsara fikasa ny olona marina, satria tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy.​—15/1, pejy 30.

Ahoana no hahaizana handanjalanja amin’ny asa?

Tsara raha mbola kely ny ankizy dia efa zarina ho tia miasa. Mampirisika antsika hazoto hiasa, fa tsy ho kamo, ny Baiboly. (Ohabolana 20:4) Mampirisika ny Kristianina koa izy io mba tsy ho variana loatra amin’ny asany. Tokony hekentsika fa ny fanompoana an’Andriamanitra no mendrika hatao loha laharana eo amin’ny fiainana. (1 Korintianina 7:29-31) Ambonin’izany, dia matoky ny tena Kristianina fa tsy hahafoy azy ireo Andriamanitra.​—1/2, pejy 4-6.

Aiza ao amin’ny Baiboly no misy resaka voalohany momba ny alitara?

Ao amin’ny Genesisy 8:20. Voalaza ao fa nanorina alitara i Noa, rehefa nivoaka avy tao amin’ny sambo fiara taorian’ny Safo-drano. Nampiasa alitara koa angamba i Kaina sy Abela, rehefa nanao fanatitra. (Genesisy 4:3, 4)​—15/2, pejy 28.

Ahoana no azon’ny Kristianina anararaotana ny fiovana mitranga eo amin’ny fiainany?

Nanararaotra ny fiovana teo amin’ny asany ny sasany, na nandamina ny asany mihitsy, ka nanana fotoana bebe kokoa ho an’ny fanompoana. Ny hafa kosa nampitombo ny fotoana nanompoany sy niezaka hanana tombontsoam-panompoana fanampiny, rehefa nihena ny andraikiny ara-pianakaviana, toy ny rehefa nitokan-trano ny zanany.​—1/3, pejy 19-22.

Hazavao fa manampy antsika hanahaka ny fomba fijerin’i Jehovah olona, ny ohatr’i Jona sy ny apostoly Petera.

Fantatry ny rehetra fa nanana toe-tsaina tsy nety i Jona sy Petera, ary nanao fahadisoana izy ireo rehefa notsapaina ny finoany sy ny fankatoavany. Nahita toetra tsara tao amin’izy ireo anefa i Jehovah, ka nanohy nampiasa azy ireo. Rehefa mahasosotra na mandiso fanantenana antsika ny olona, dia afaka mifantoka amin’ny toetra tsarany nanintona antsika taloha isika, sy ny toetra tsara hitan’Andriamanitra ao aminy.​—15/3, pejy 16-19.

Nahoana no tsy mitovy ny nomeraon’ireo salamo sy ny andininy ao anatiny, ao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly samihafa?

Samy hafa ny nomeraon’ny salamo ao amin’ilay fandikan-teny hebreo voalohany sy ny nomeraon’ny salamo ao amin’ny fandikan-teny grikan’ny Fitopolo. Mety tsy hitovy ny nomerao ao amin’ireo Baiboly nadika tatỳ aoriana, arakaraka ny nandikana azy, na avy tamin’ny fandikan-teny hebreo voalohany, na avy tamin’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo.​—1/4, pejy 31.