Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Tsy Hanadino ny Asanareo i Jehovah!

Ry Tanora, Tsy Hanadino ny Asanareo i Jehovah!

Ry Tanora, Tsy Hanadino ny Asanareo i Jehovah!

“Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany.”​—HEBREO 6:10.

1. Ahoana no ampisehoan’ny bokin’ny Hebreo sy Malakia fa mankasitraka ny fanompoanao azy i Jehovah?

EFA nanao soa ho an’ny namanao ve ianao indray mandeha, nefa tsy nahalala nisaotra anao akory izy? Mety hampalahelo mafy izany hoe manao soa ho an’olona, nefa heveriny ho tsy dia misy vidiny firy ilay izy, na hadinony tanteraka mihitsy aza. Tena samy hafa amin’izany anefa no ataon’i Jehovah, rehefa manompo azy amin’ny fontsika manontolo isika! Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany.” (Hebreo 6:10) Eritrereto ange ny dikan’izany e! Amin’i Jehovah, dia toy ny hoe manao ny tsy marina, na manota, mihitsy izy raha manadino ny fanompoana efa nataonao sy mbola ataonao. Andriamanitra mahay mankasitraka tokoa izy!​—Malakia 3:10.

2. Nahoana ny fanompoana an’i Jehovah no tombontsoa tsy manan-tsahala?

2 Manana tombontsoa tsy manan-tsahala ianao, satria mivavaka amin’io Andriamanitra mahay mankasitraka io sady manompo azy. Tena vitsy mpanana io tombontsoanao io, satria enina tapitrisa eo ho eo monja ny mpiray finoana aminao, nefa misy olona enina arivo tapitrisa eo ho eo eran-tany. Miahy anao manokana koa i Jehovah, matoa ianao mihaino ny vaovao tsara sy manao zavatra mifanaraka amin’izany. Hoy mantsy i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy.” (Jaona 6:44) Tena manampy ny olona tsirairay mihitsy i Jehovah mba handraisany soa avy amin’ny soron’i Kristy.

Ankasitraho ny tombontsoanao tsy manam-paharoa

3. Ahoana no nampisehoan’ny zanak’i Kora fa nankasitraka ny tombontsoany nanompo an’i Jehovah izy ireo?

3 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa manana tombontsoa manokana ianao, satria afaka mampifaly ny fon’i Jehovah. (Ohabolana 27:11) Tsy tokony hoheverinao ho tsy dia misy vidiny firy mihitsy izany. Nankasitraka ny tombontsoany nanompo an’i Jehovah ny zanak’i Kora, ka naneho izany tao amin’ny salamo iray ara-tsindrimandry. Izao no vakintsika ao: “Ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ny ratsy fanahy.”​—Salamo 84:10.

4. a) Nahoana ny sasany no mihevitra fa maneritery ny fivavahana amin’i Jehovah? b) Ahoana no ahafantarantsika fa mandinika tsara ny mpanompony i Jehovah sady tena maniry hamaly soa azy ireo?

4 Sarobidy aminao toy izany koa ve ny tombontsoanao manompo ilay Rainao any an-danitra? Mety hisy hieritreritra indraindray hoe maneritery ny fiainana ny fivavahana amin’i Jehovah. Marina fa mila mandà ny tenany ny olona manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Hitondra soa ho anao foana anefa ny zavatra angatahin’i Jehovah aminao amin’ny farany. (Salamo 1:1-3) Mahita ny ezaka ataonao koa izy sady mampiseho fa mankasitraka ny tsy fivadihanao. Nanoratra mihitsy aza i Paoly fa “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” i Jehovah. (Hebreo 11:6) Mitady fomba hanaovana izany izy. Nanoratra toy izao ny mpaminany marina iray tany Isiraely fahiny: “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.”​—2 Tantara 16:9.

5. a) Inona no anisan’ny fomba tsara indrindra azonao ampisehoana fa manana fo mahitsy amin’i Jehovah ianao? b) Inona no mety hahatonga anao hihevitra fa sarotra ny miresaka momba ny finoanao?

5 Ny miresaka momba an’i Jehovah no anisan’ny fomba tsara indrindra azonao ampisehoana fa manana fo mahitsy aminy ianao. Efa niresaka momba ny finoanao tamin’ny mpiara-mianatra aminao ve ianao? Mety hampanahy izany amin’ny voalohany. Ny mieritreritra izany fotsiny aza dia efa mety hampahatahotra kely. Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Sao dia hihomehezan’izy ireo aho? Sao dia hoheverin’izy ireo hoe hafahafa ny fivavahako?’ Nanaiky i Jesosy fa tsy ny olon-drehetra no hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Jaona 15:20) Tsy midika anefa izany hoe voatery hihomehezan’ny olona na tsy hohenoiny foana ianao. Tanora Vavolombelona maro no nisy nihaino, ary nanjary nanaja azy kokoa aza ny mpiara-mianatra taminy, satria nijoro tamin’ny zavatra inoany izy ireo.

“Hanampy anao i Jehovah”

6, 7. a) Ahoana no nahafahan’ny tovovavy 17 taona nitory tamin’ny mpiara-mianatra taminy? b) Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra nataon’i Jennifer?

6 Ahoana anefa no hanananao herim-po hiresahana momba ny finoanao? Nahoana raha manapa-kevitra ny hiresaka mivantana momba ny fivavahanao, raha misy manontany momba izany? Diniho, ohatra, ny nataon’i Jennifer, izay 17 taona. Hoy izy: “Teo am-pisakafoanana tany am-pianarana aho indray mandeha. Niresaka momba ny fivavahana ny ankizivavy niray latabatra tamiko, ary nisy nanontany ahy hoe inona no fivavahako.” Natahotra ny hamaly ve i Jennifer? “Eny”, hoy izy. “Tsy fantatro mantsy hoe hanao ahoana ny fihetsik’izy ireo avy eo.” Inona àry no nataon’i Jennifer? Namaly izy hoe: “Nolazaiko tamin’ireo ankizivavy ireo fa Vavolombelon’i Jehovah aho. Toa gaga izy ireo, satria noheveriny angamba fa olona hafahafa ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia nametraka fanontaniana tamiko izy ireo, ary afaka nanitsy ny hevi-diso nananany aho. Mbola nametraka fanontaniana tamiko aza ny ankizivavy sasany taorian’izay.”

7 Nanenina ve i Jennifer satria niresaka momba ny zavatra inoany? Tsy nanenina mihitsy izy! Hoy izy: “Tena faly be aho rehefa avy nisakafo tamin’izay. Fantatr’ireo ankizivavy ireo tsara kokoa izao hoe iza marina ny Vavolombelon’i Jehovah.” Manoro hevitra tsotra i Jennifer hoe: “Manaova vavaka fohy, raha hitanao fa sarotra ny mitory amin’ny mpiara-mianatra aminao na ny mpampianatra. Hanampy anao i Jehovah. Ho faly ianao fa nanararaotra nitory.”​—1 Petera 3:15.

8. a) Hazavao fa nanampy an’i Nehemia ny vavaka, rehefa nisy zava-nitranga tsy nampoiziny. b) Rahoviana ianao no mety hila hanao vavaka fohy sy mangina amin’i Jehovah, any am-pianarana?

8 Mariho fa nilaza i Jennifer hoe: “Manaova vavaka fohy” amin’i Jehovah, rehefa misy fahafahana hiresaka momba ny finoanao. Izany indrindra no nataon’i Nehemia, mpitondra kapoakan’i Artaksersesy mpanjaka persanina, rehefa nisy zava-nitranga tsy nampoiziny. Kivy i Nehemia, rehefa nampahafantarina ny toe-javatra nisy ny Jiosy sy hoe rava ny mandan’i Jerosalema mbamin’ny vavahadiny. Hitan’ilay mpanjaka fa nitebiteby izy, ka nanontaniany azy ny anton’izany. Nivavaka mba hahazoana tari-dalana i Nehemia, talohan’ny namaliany azy. Sahy nangataka hiverina tany Jerosalema àry izy, mba handray anjara tamin’ny fanorenana indray ilay tanàna rava. Namela azy hanao izany i Artaksersesy. (Nehemia 2:1-8) Inona no lesona raisinao avy amin’izany? Raha matahotahotra ianao, rehefa misy fahafahana hiresaka momba ny finoanao, dia aza hadinoina fa afaka mivavaka mangina ianao. Nanoratra i Petera hoe: ‘Apetraho amin’i [Jehovah] ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.’​—1 Petera 5:7; Salamo 55:22.

‘Vonona hamaly’

9. Ahoana no nahafahan’i Leah, izay 13 taona, nametraka boky Manontany ny Tanora 23?

9 Diniho ny zava-nitranga iray hafa. Namaky ilay boky hoe Manontany ny Tanora​—Valiny Mandaitra * i Leah, izay 13 taona, nandritra ny sakafo antoandro tany am-pianarana. Hoy izy: “Nandinika ahy ny ankizy hafa, ary vetivety teo dia maro be no nitangorona nijery ilay boky avy tao andamosiko. Nanontany izy ireo avy eo hoe inona no noresahin’ilay izy.” Ankizivavy efatra no nangataka an’ilay boky Manontany ny Tanora tamin’i Leah tamin’iny andro iny. Nasehon’izy ireo tamin’ny ankizy hafa ilay izy, ka nangataka koa ny hafa. Nahapetraka boky Manontany ny Tanora 23 tamin’ny mpiara-mianatra taminy sy ny naman’izy ireo i Leah, nandritra ny herinandro vitsivitsy taorian’izay. Mora taminy ve ny namaly ny fanontanian’ireo ankizy ireo momba ilay boky novakiny? Tena tsy mora mihitsy! Hoy izy: “Natahotra aho tamin’ny voalohany, nefa nivavaka aho, ka fantatro fa nomba ahy i Jehovah.”

10, 11. Ahoana no nanampian’ny ankizivavy isiraelita iray ny komandin’ny tafika syrianina mba hahafantatra an’i Jehovah, ary inona no fiovana nataony taorian’izay?

10 Angamba mampahatsiaro anao ny tantaran’ilay ankizivavy isiraelita babo tany Syria ny tantaran’i Leah. Boka i Namana, komandin’ny tafika syrianina. Ny vadiny angamba no nitari-dresaka, ka nahatonga an’ilay ankizivavy hiresaka momba ny finoany. Hoy izy: “Enga anie ka mba ao amin’ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin’ny habokany izy.”​—2 Mpanjaka 5:1-3.

11 Noho ny fahasahian’io ankizivavy io, dia nanjary fantatr’i Namana fa ‘tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra, afa-tsy tao amin’ny Isiraely ihany.’ Nanapa-kevitra mihitsy aza izy fa “tsy mba hanatitra fanatitra odorana na fanatitra hafa intsony ho an’ny andriamani-kafa, fa ho an’i Jehovah ihany.” (2 Mpanjaka 5:15, 17) Azo antoka fa notahin’i Jehovah io ankizivavy io, satria be herim-po. Afaka mitahy ny tanora toy izany koa izy, ary tena hanao izany. Nahatsapa izany i Leah. Nisy mpiara-mianatra taminy nanatona azy tatỳ aoriana, ary nilaza taminy fa nanampy azy ireo hanatsara ny fitondran-tenany ilay boky Manontany ny Tanora. Hoy i Leah: “Faly aho, satria fantatro fa nanampy azy ireo hianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah aho, sady nanampy azy ireo hanova ny fiainany.”

12. Inona no hanampy anao hanana herim-po hiarovana ny finoanao?

12 Afaka mahita vokatra tsara toa an’i Jennifer sy Leah koa ianao. Araho ny tenin’i Petera. Nanoratra izy fa amin’ny maha Kristianina anao, dia tokony ‘ho vonona mandrakariva ianao hamaly izay manontany anao ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinao, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana.’ (1 Petera 3:15) Ahoana no hanaovanao izany? Manahafa ny Kristianina voalohany izay nivavaka tamin’i Jehovah, mba hanampiany azy ireo hitory “amin’ny fahasahiana rehetra.” (Asan’ny Apostoly 4:29) Manàna koa herim-po rehefa miresaka momba ny zavatra inoanao. Mety ho gaga ianao hahita ny vokany. Ambonin’izany, dia hampifaly ny fon’i Jehovah ianao.

Vidéo sy famelabelarana any am-pianarana

13. Oviana ny tanora sasany no nanararaotra nitory? (Jereo ireo faritra voafefy ao amin’ny pejy 20 sy 21.)

13 Maro ny tanora nampiasa vidéo, rehefa niresaka momba ny finoany tamin’ny mpiara-mianatra taminy, na ny mpampianatra azy. Afaka nidera an’i Jehovah koa ny sasany, nandritra ny famelabelarana nataony tany am-pianarana. Diniho, ohatra, ny nataon’ny tovolahy roa 15 taona, samy Vavolombelon’i Jehovah. Nasaina nanao famelabelarana momba ny iray amin’ireo fivavahana misy eran-tany izy mirahalahy, rehefa nianatra ny tantaran’izao tontolo izao ny iray kilasy. Niara-niasa izy ary nanapa-kevitra fa hanoratra momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Ilay boky hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah​—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra (frantsay) no nakany hevitra. * Nasaina nanao famelabelarana am-bava nandritra ny dimy minitra koa izy mirahalahy. Nanana fanontaniana be dia be ny mpampianatra sy ny mpianatra taorian’izay, ka nijoro teo anoloan’izy ireo nandritra ny 20 minitra indray izy mirahalahy. Mbola nanontany momba ny Vavolombelon’i Jehovah ihany ny mpiara-mianatra tamin’izy ireo, nandritra ny herinandro maromaro taorian’izay!

14, 15. a) Nahoana no mamandrika ny tahotra olona? b) Nahoana ianao no tsy tokony hisalasala ny hiresaka momba ny zavatra inoanao?

14 Asehon’ireo tantara ireo fa mahazo valisoa lehibe ianao, rehefa miresaka momba ny zavatra inoanao. Aza avela hisakana anao tsy hanampy ny hafa hahafantatra an’i Jehovah ny tahotra olona. Voninahitra lehibe izany sady mahafaly. Hoy ny Baiboly: “Mamandrika ny tahotra olona; fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena.”​—Ohabolana 29:25.

15 Tadidio fa manana zavatra tena ilain’ny namanao ianao, noho ianao tanora kristianina. Tsy inona izany fa ny fomba fiaina tsara indrindra ary ny fanantenana fiainana mandrakizay. (1 Timoty 4:8) Mariho ny vokatry ny fanadihadiana iray natao tany Etazonia, toerana mety hoheverinao ho be olona tsy miraharaha fivavahana. Hita tamin’izany fa ny antsasaky ny tanora mipetraka any no mihevitra fa zava-dehibe ny fivavahana, ary ny ampahatelony milaza fa ny finoana no “manan-kery indrindra” eo amin’ny fiainany. Mitovy amin’izany angamba ny toe-javatra any amin’ny firenena maro. Tena mety ho faly hihaino ny zavatra holazainao momba ny Baiboly àry ny mpiara-mianatra aminao.

Manatòna an’Andriamanitra, ry tanora

16. Inona no ilaina mba hampifaliana an’i Jehovah, ankoatra ny miresaka momba azy?

16 Mazava ho azy fa tsy ampy ny miresaka momba an’i Jehovah, raha te hampifaly ny fony ianao. Mila manaraka ny fitsipiny momba ny fitondran-tena koa ianao. Nanoratra ny apostoly Jaona hoe: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Hahatsapa izany ianao, raha manatona an’i Jehovah. Ahoana àry no hanatonanao azy?

17. Ahoana no hanatonanao an’i Jehovah?

17 Makà fotoana hamakiana ny Baiboly sy ny boky ara-baiboly. Rehefa mianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah ianao, dia ho mora kokoa aminao ny hankatò azy sy hiresaka momba azy. Hoy i Jesosy: “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; . . . fa amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany.” (Lioka 6:45) Fenoy zavatra tsara àry ny fonao. Nahoana raha mametra tanjona mifanaraka amin’izany? Azonao hatsaraina, ohatra, ny fanomananao fivoriana amin’ny herinandro ho avy. Azonao atao tanjona avy eo ny hanome valin-teny fohy avy amin’ny fo. Mazava ho azy fa tena mila mampihatra izay ianaranao koa ianao.​—Filipiana 4:9.

18. Inona no azonao atokisana, na dia misy manohitra aza ianao?

18 Maharitra ny fitahiana azo avy amin’ny fanompoana an’i Jehovah, maharitra mandrakizay mihitsy aza. Marina fa mety hisy hanohitra na haneso anao indraindray, satria Vavolombelon’i Jehovah ianao. Tadidio anefa i Mosesy. Milaza ny Baiboly fa “nijery ny famalian-tsoa izy.” (Hebreo 11:24-26) Afaka matoky koa ianao fa hamaly soa anao i Jehovah, noho ny fiezahanao mianatra sy miresaka ny momba azy. Tsy ‘hanadino ny asanao sy ny fitiavana izay nasehonao ho voninahitry ny anarany’ mihitsy izy.​—Hebreo 6:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 13 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tadidinao Ve?

• Nahoana ianao no afaka matoky fa sarobidy amin’i Jehovah ny fanompoanao azy?

• Inona no fomba fitoriana any am-pianarana hitanao hoe ahitana vokatra tsara?

• Ahoana no hanananao herim-po hitoriana amin’ny mpiara-mianatra aminao?

• Ahoana no hanatonanao an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 20]

Na ny Ankizy Aza Midera An’i Jehovah!

Na ny ankizy aza dia afaka mitory any am-pianarana. Diniho ireto fitantarana ireto.

Namaky boky momba ny fanafihan’ny Nazia ny Jiosy tamin’ny Ady Lehibe II i Amber, izay 10 taona. Nanapa-kevitra izy fa hitondra an’ilay vidéo hoe Telozoro Volomparasy (frantsay) ho an’ny mpampianatra azy. Gaga ilay mpampianatra rehefa nahafantatra fa nenjehin’ny Nazia koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampijereny an’ilay vidéo ny mpianany.

Valo taona i Alexa. Nanoratra taratasy izy hanazavana tamin’ny mpiara-mianatra taminy hoe nahoana izy no tsy miara-mankalaza Krismasy amin’izy ireo. Tena talanjona ny mpampianatra azy, ka nasainy novakin’i Alexa teo anatrehan’ny mpiara-mianatra taminy sy ny kilasy roa hafa ilay izy! Namarana ny teniny toy izao i Alexa: “Nampianarina hanaja ny finoan’ny hafa aho, ary misaotra anareo manaja ny fanapahan-kevitro tsy hankalaza Krismasy.”

Raha vao nanomboka nianatra kelikely i Eric, dia nentiny tany am-pianarana ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Nangataka hampiseho azy io tamin’ny mpiara-mianatra taminy izy. “Mahita hevitra tsara kokoa aho”, hoy ny mpampianatra azy. “Nahoana raha mamaky tantara iray amin’ny iray kilasy i Eric?” Namaky tantara iray àry izy, ary nasainy nanangan-tanana izay te hahazo ilay boky. Nisy 18 ny tanana nitsangana, anisan’izany ny an’ilay mpampianatra! Nilaza i Eric fa manana ny faritaniny hitoriany izy izao.

Tena mankasitraka an’ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fampianarana * i Whitney, izay sivy taona. Hoy izy: “I Neny matetika no manome an’io bokikely io ho an’ny mpampianatra ahy isan-taona. Fa izaho mihitsy no nanome azy io tamin’ity taona ity. Noho io bokikely io, dia izaho no nofidin’ny mpampianatra ho ‘mpianatra hendry indrindra tamin’iny herinandro iny.’”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 56 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah daholo ny boky noresahina teo.

[Efajoro/Sary, pejy 21]

Toe-javatra Nohararaotin’izy Ireo Hiresahana Momba ny Finoany

Nifidy foto-kevitra namela azy hitory ny sasany, rehefa nasaina nanao famelabelarana

Nisy nanome vidéo, na boky, na gazety, miresaka momba ny zavatra iray dinihina any am-pianarana, ho an’ny mpampianatra

Namaky Baiboly na boky ara-baiboly ny tanora sasany nandritra ny fiatoana, ka nohatonin’ny tanora hafa ary nametrahany fanontaniana

[Sary, pejy 18]

Afaka mampiofana ny tanora hanompo an’i Jehovah ireo efa za-draharaha