Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hitondra Soa Maharitra ho Anao ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Hitondra Soa Maharitra ho Anao ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Hitondra Soa Maharitra ho Anao ny Sakafo Harivan’ny Tompo

HITONDRA soa maharitra ho anao ve ny Sakafo Harivan’ny Tompo? Mba hamaliana izany, dia hojerentsika aloha ny hevitra tian’i Jesosy Kristy hampitaina tamin’ny alalan’io fankalazana lehibe io.

Niara-nivory izy sy ny apostoliny 12, ny harivan’ny 14 Nisana taona 33, tao amin’ny efitra ambony iray tany Jerosalema. Nankalaza ny Paska fanao isan-taona izy ireo. Nivoaka hamadika an’i Jesosy i Jodasy, rehefa avy nihinana ny Paska izy ireo. (Jaona 13:21, 26-30) Niara-nihinana ny “Fanasan’ny Tompo”, na ny Sakafo Harivan’ny Tompo, i Jesosy sy izy 11 lahy taorian’izay. (1 Korintiana 11:20) Antsoina hoe Fahatsiarovana koa izy io, satria nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy.” Io ihany no fisehoan-javatra andidiana ny Kristianina mba hotsarovany.​—1 Korintiana 11:24.

Natao hitadidiana na tsy hanadinoana olona na zava-niseho ny fahatsiarovana. Izany, ohatra, no mahatonga ny olona any amin’ny tany maro, hanangana tsangambato na hanokana andro iray hitadidiana olona na fisehoan-javatra lehibe iray. Sakafo kosa no nataon’i Jesosy ho fahatsiarovana, mba hanampiana ny mpianany hitadidy fa tena zava-dehibe ny nataony tamin’iny andro iny. Io sakafo fahatsiarovana io koa dia hampahatsiahy ny taranaka rehetra atỳ aoriana, fa misy heviny lalina ny zavatra nataon’i Jesosy tamin’iny alina iny, indrindra fa ny mofo sy divay. Inona tokoa moa no dikan’izy ireo? Andeha hojerentsika ao amin’ny Baiboly ny zava-nitranga tamin’iny alina iny.

Mifanitsy amin’ny zava-masina

“Nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.”​Lioka 22:19.

Tsy ny tenany ara-bakiteny no tian’i Jesosy horesahina, rehefa nandray ny mofo izy, ka nilaza hoe: “Ity no tenako.” Te hilaza kosa izy fa ilay mofo tsy nisy leviora dia nanondro ny tenany lavorary, izay nomeny “ho fiainan’izao tontolo izao.” (Jaona 6:51) Ny teny grika hoe es·tinʹ no nadika hoe “ity no tenako”, ao amin’ny Baiboly sasany. Milaza anefa ny Diksioneran’ny Testamenta Vaovao Grika-Anglisy nataon’i Thayer, fa io matoanteny io dia midika matetika hoe “mampiseho, midika na manan-kevitra hoe.” Milaza zavatra mifanitsy na mifanandrify amin’ny zavatra hafa izy io.​—Matio 26:26.

Toy izany koa ilay kapoaka nisy divay. Hoy i Jesosy: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.”​Lioka 22:20.

Ao amin’ny bokin’i Matio, dia hoy i Jesosy momba ilay kapoaka: “Ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.” (Matio 26:28) Araka izany, dia nilaza i Jesosy fa nanondro ny rany ilay divay tao anatin’ilay kapoaka. Ny ra nalatsany no fototry ny “fanekena vaovao” ho an’ny mpianany voahosotry ny fanahy, izay ho mpanjaka sy mpisorona hiaraka aminy any an-danitra.​—Jeremia 31:31-33; Jaona 14:2, 3; 2 Korintiana 5:5; Apokalypsy 1:5, 6; 5:9, 10; 20:4, 6.

Ilay divay tao anatin’ilay kapoaka koa dia nampahatsiahy azy ireo, fa ny ra nalatsak’i Jesosy no ahazoana “famelan-keloka.” Izany no mahatonga ny olona sasany ho voantso ho any an-danitra, mba hiara-manjaka amin’i Kristy. Ireo olona vitsy voantso ho any an-danitra ihany àry no mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana.​—Lioka 12:32; Efesiana 1:13, 14; Hebreo 9:22; 1 Petera 1:3, 4.

Ahoana kosa ny amin’ireo rehetra mpanara-dia an’i Jesosy tsy ao anatin’ny fanekena vaovao? Ireo no “ondry hafa” an’ny Tompo. Tsy manantena ny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra ireo Kristianina mahatoky ireo, fa manantena hiaina mandrakizay eto an-tany lasa paradisa. (Jaona 10:16; Lioka 23:43; Apokalypsy 21:3, 4) “Manompo [an’Andriamanitra] andro aman’alina” ireo “olona betsaka” ireo. Faly sy velom-pankasitrahana koa izy ireo, na dia manatrika fotsiny aza mandritra ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Izao no ambaran’izy ireo sy asehony amin’ny fitondran-tenany: “Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ho an’ny Zanak’ondry.”​—Apokalypsy 7:9, 10, 14, 15.

Impiry isan-taona izy io no tokony hankalazaina?

“Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.”​Lioka 22:19.

Impiry isan-taona no tokony hankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy? Tsy nolazain’i Jesosy mazava izany. Ny 14 Nisana tamin’ny harivan’ny Paska anefa izy no nankalaza voalohany ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Nankalaza ny Paska indray mandeha isan-taona ny Isiraelita, ka azo inoana fa tian’i Jesosy hankalazaina toy izany koa ny Fahatsiarovana. Nankalazain’ny Isiraelita indray mandeha isan-taona ny fanafahana azy avy tamin’ny fanandevozana tany Ejipta. Ankalazain’ny Kristianina indray mandeha isan-taona koa ny fanafahana azy ireo amin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny fahafatesana.​—Eksodosy 12:11, 17; Romana 5:20, 21.

Maro ny fankalazana fisehoan-javatra lehibe atao isan-taona. Mankalaza ny fitsingerenan’ny fampakaram-badiny, ohatra, ny mpivady. Mankalaza ny zavatra niavaka teo amin’ny tantarany koa ny firenena. Mazàna izany no atao indray mandeha isan-taona, rehefa mitsingerina ny andron’ilay fisehoan-javatra. Tsara homarihina fa nantsoina hoe “mpitandrina ny faha-14” ny olona nitonona ho Kristianina, nandritra ny taonjato maromaro taorian’i Kristy, satria nankalaza ny nahafatesan’i Jesosy izy ireo isan-taona, ny 14 Nisana.

Tsotra nefa misy heviny lalina

Nohazavain’ny apostoly Paoly fa “manambara ny fahafatesan’ny Tompo” ny mpianatr’i Jesosy, rehefa mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo. (1 Korintiana 11:26) Nandray anjara lehibe tamin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra i Jesosy, rehefa maty. Koa hifantoka amin’izany àry io fankalazana io.

Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy Kristy, ka nanamarina fa Mpamorona hendry sy be fitiavana i Jehovah Andriamanitra, sady Mpanjaka tia ny rariny. Nifanohitra tamin’ny fiampangan’i Satana sy ny nataon’i Adama, dia noporofoin’i Jesosy fa mahavita tsy mivadika amin’Andriamanitra ny olombelona, na dia iharan’ny fisedrana faran’izay mafy aza.​—Joba 2:4, 5.

Mampahatsiahy antsika ny fitiavana sy ny fahafoizan-tenan’i Jesosy koa ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ka mahatonga antsika ho velom-pankasitrahana. Nankatò tanteraka an-dRainy izy, na dia voasedra mafy aza. Afaka nanolotra ny ainy lavorary àry izy, mba ho afaka amin’ny loza nateraky ny fahotan’i Adama ny olombelona. Nanazava i Jesosy fa tonga mba “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” izy. (Matio 20:28) Noho izany, dia afaka ny hahazo famelan-keloka sy hiaina mandrakizay ireo rehetra mino azy. Izany rahateo no fikasan’i Jehovah hatrany am-boalohany ho an’ny olombelona.​—Romana 5:6, 8, 12, 18, 19; 6:23; 1 Timoty 2:5, 6. *

Asongadin’izany rehetra izany fa be hatsaram-po sy hatsaram-panahy i Jehovah, rehefa namonjy ny olombelona. Hoy ny Baiboly: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.”​—1 Jaona 4:9, 10.

Fankalazana miavaka tokoa ny Fahatsiarovana! Tsotra fa tsy mananosarotra ny mankalaza azy, ka azo atao amin’ny toe-javatra maro isan-karazany. Misy heviny lalina anefa izy io sady misy vokany maharitra eo amin’ny fiainantsika.

Ny soa entin’izy io ho anao

Tena mafy tamin’i Jesosy Kristy Tompontsika ny nanao sorona ny ainy, ary mafy tamin’i Jehovah Rainy koa. Lavorary i Jesosy, ka tsy nandova fahafatesana sahala amintsika. (Romana 5:12; Hebreo 7:26) Nanana zo hiaina mandrakizay izy, ka tsy nisy afaka naka ny ainy, na dia an-keriny aza, raha tsy nanaiky hamoy izany izy. Hoy izy: “Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy.”​—Jaona 10:18.

Nafoin’i Jesosy an-tsitrapo anefa ny ainy lavorary, “mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.” (Hebreo 2:14, 15) Be fitiavana sy nahafoy tena tokoa izy, satria fantany tsara ny fijaliana niandry azy sy ny fomba hahafatesany, nefa nekeny.​—Matio 17:22; 20:17-19.

Ny Fahatsiarovana koa dia mampahatsiahy antsika ny fanehoam-pitiavana lehibe indrindra avy amin’i Jehovah, Raintsika any an-danitra. “Miantra indrindra” izy sady “be famindram-po.” Azo antoka àry fa nalahelo mafy izy, rehefa nandre sy nahita an’i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, ‘nitaraina mafy’, nandatsaka “ranomaso be”, novelezina tamin-kabibiana, nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana, ary nijalijaly ela vao maty. (Jakoba 5:11; Hebreo 5:7; Jaona 3:16; 1 Jaona 4:7, 8) An’arivo taona lasa no nitrangan’izany, nefa na ny mieritreritra izany fotsiny aza dia efa mampahory ny fon’ny maro.

Eritrereto ange ny vidin’ny naloan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy mba hamonjena antsika mpanota e! (Romana 3:23) Tsapantsika isan’andro fa mpanota sy tsy lavorary isika, ary mampahory izany. Afaka mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra anefa isika, noho ny finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy. (1 Jaona 2:1, 2) Afaka miresaka malalaka amin’Andriamanitra sy manana fieritreretana madio koa isika. (Hebreo 4:14-16; 9:13, 14) Manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany mihitsy aza isika. (Jaona 17:3; Apokalypsy 21:3, 4) Ireo rehetra ireo sy ny maro hafa no fitahiana azontsika, noho ny fahafoizan-tena lehibe indrindra nasehon’i Jesosy.

Mahaiza mankasitraka ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Tena maneho tsara ny “haben’ny fahasoavan’Andriamanitra” tokoa ny Sakafo Harivan’ny Tompo. ‘Fanomezana’ tsy hay lazaina avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny sorom-panavotana nataon’i Jesosy, noho ny fitiavany sy ny fahafoizan-tenany. (2 Korintiana 9:14, 15) Koa moa ve tsy mahatsapa fankasitrahana lalina sy maharitra ianao, noho izany hatsaram-pon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izany?

Inoanay fa izany no izy. Manasa anao an-tanan-droa àry izahay hiara-mivory amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Hatao ny alarobia 16 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, izy io amin’ity taona ity. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny tanànanao hilaza aminao ny ora sy toerana hanaovana io fankalazana faran’izay lehibe io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Afaka mandalina momba ny avotra ianao, ao amin’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

“ITY NO TENAKO”

Nilaza i Jesosy hoe: ‘Izaho no vavahady’, sy hoe: “Izaho no tena voaloboka.” Tsy nisy nieritreritra anefa hoe vavahady na voaloboka ara-bakiteny izy. (Jaona 10:7; 15:1) Rehefa nilaza koa izy hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao”, dia fantatsika fa tsy io kapoaka io ara-bakiteny akory no fanekena vaovao. Azo antoka àry fa rehefa nilaza izy hoe ilay mofo “no” tenany, dia nidika izany fa nanondro ny tenany ilay mofo. Izany no mahatonga ny Baiboly nadikan’i Charles Williams hilaza hoe: “Manondro ny tenako ity.”​—Lioka 22:19, 20.

[Sary, pejy 5]

Mifanitsy tsara amin’ny vatana lavorarin’i Jesosy sy ny ra nalatsany ny mofo tsy misy leviora sy ny divay

[Sary, pejy 7]

Mampahatsiahy ny fitiavana lehibe nasehon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ny Fahatsiarovana