Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asaina Amim-pitiavana Ianao

Asaina Amim-pitiavana Ianao

Asaina Amim-pitiavana Ianao

TSY fisehoan-javatra mahaliana ara-tantara fotsiny akory ny Sakafo Harivan’ny Tompo, izay naorin’i Jesosy Kristy, 2 000 taona lasa izay. Nisy vokany lehibe teo amin’ny olona izy io, hatramin’ny nanorenana azy. Nanohina ny fon’ny olona maro ny fitantaran’ny Filazantsara momba ny zava-nitranga tamin’io alina io, ka miezaka hankalaza azy io izy ireo. Samy manana ny fomba anaovany izany ny olona.

Tsy mahagaga izany, satria i Jesosy Kristy mihitsy no nandidy ny mpanara-dia azy mba hankalaza tsy tapaka io fisehoan-javatra io. Nilaza manokana tamin’izy ireo izy hoe: “Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.”—Lioka 22:19; 1 Korintiana 11:23-25.

Mazava ho azy fa mba hahatonga ilay fankalazana ho tena hahafa-po, dia tsy maintsy mahazo izay tena heviny isika, araka ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Zava-dehibe koa ny mahafantatra izay lazain’ny Baiboly momba ny fotoana sy ny fomba tokony hankalazana io fisehoan-javatra io.

Hiara-mankalaza ny nahafatesan’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany amin’ny takarivan’ny alarobia 16 Aprily 2003, ho fankatoavana ny didin’i Jesosy. Handinika ny Soratra Masina izy ireo amin’izany, ary hamelona indray ny finoany sy ny fitiavany an’i Jesosy Kristy Tompo, izay nilaza hoe: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Asaina amim-pitiavana ianao hiaraka amin’izy ireo amin’io takariva io, ka hanatanjaka koa ny finoanao sy ny fitiavanao an’i Jesosy Kristy sy Jehovah Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra.