Manàna ny Fomba Fihevitr’Andriamanitra
Manàna ny Fomba Fihevitr’Andriamanitra
NIBALIAKA ny masoandro ary nafana ny andro tany New York, any Etazonia, tamin’ny 14 Septambra 2002. Tamin’io andro io dia nisy olona 6 521 avy amin’ny firenena samy hafa nivory tany amin’ny Foibem-pampianarana any Patterson sy ny trano roa hafa an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanatrika ny fizarana diplaoman’ny kilasy faha-113 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, izy ireo. Avy amin’ny firenena 14 ny mpianatra, ary niofana nandritra ny dimy volana mba ho misionera any amin’ny tany 19.
I Carey Barber, izay efa 98 taona, no mpitari-draharaha tamin’ilay fandaharana. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nasongadiny ny zava-bitan’ny Sekolin’i Gileada nandritra ny 60 taona teo ho eo, anisan’izany ny fampiofanana olona an’arivo mba ho misionera. Hoy izy: “Tsy manitatra akory isika raha milaza fa tena tsara ny vokatra azo avy tamin’ny fampiofanana ireny misionera ireny. Olona ana hetsy maneran-tany no nanolo-tena ho an’i Jehovah sy manaraka ny fivavahana marina ary manao fanompoana masina, noho ny fanampian’izy ireny.”
Efa nampiseho ny faniriany hanitatra ny fanompoany ny mpianatra maro, talohan’ny nanatrehany ny Sekolin’i Gileada. Nisy mpivady nianatra teny sinoa nandritra ny herintaona mahery, ohatra, tany Kanada, mba hitoriana tamin’ireo Sinoa be dia be tany amin’ny faritaniny. Nisy koa mpivady nianatra samirery ny teny albanianina ary nandeha nanampy ny mpitory tany Albania, satria mihamitombo ny olona liana amin’ny Baiboly any. Efa nanompo tany Hongria sy Goatemalà ary ny Repoblika Dominikanina koa ny mpianatra sasany. Nifindra tany izy ireo satria nila mpampianatra Baiboly betsaka kokoa ireo tany ireo.
Notendrena ho any Afrika, Eoropa Atsinanana, Amerika Afovoany sy Atsimo, ary Extrême-Orient indray izao ireo mpianatra nahazo diplaoma ireo. Nampirisihina hanana ny fomba fijerin’Andriamanitra amin’izay rehetra hataony izy ireo, talohan’ny hiaingany.
Manàna ny fomba fijerin’Andriamanitra
Nanao teny fampidirana ny Rahalahy Barber, vao nampiditra an’i Maxwell Lloyd, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia. Novelabelarin’ny Rahalahy Lloyd ny loha hevitra hoe: “Manàna ny Fomba Fihevitr’Andriamanitra Amin’ny Zava-drehetra.” Nanasongadina ny ohatr’i Davida sy Jesosy, Zanak’Andriamanitra, izy. (1 Samoela 24:7; 26:11; Lioka 22:42) Nampahatsiahiviny ny mpianatra fa nampiofana azy ireo mba hanana ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny fianarana Baiboly nataony nandritra ny dimy volana. Hoy izy avy eo: “Hanampy ny olona hisaintsaina ny fomba fihevitr’Andriamanitra ve ianareo, rehefa hampianatra Baiboly any amin’ny tany anendrena anareo?” Izao indray no nolazainy momba ny fanomezana torohevitra: “Aza milaza hoe: ‘Araka ny hevitro, dia . . .’ Ampio kosa izy ireo hahafantatra ny hevitr’Andriamanitra. Raha manao izany ianareo, dia tena hitondra soa ho an’ny olona mifanerasera aminareo, any amin’ny tany anendrena anareo.”
I Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nandray ny fitenenana avy eo. Izy no namelabelatra ilay lahateny hoe “Momba Anao Aho.” Nasongadiny fa imbetsaka i Jehovah no nilaza tamin’ny mpanompony mahatoky hoe: “Momba anao aho.” (Genesisy 26:23, 24; 28:15; Josoa 1:5; Jeremia 1:7, 8) Afaka matoky koa isika ankehitriny fa homba antsika i Jehovah raha tsy mivadika isika. Hoy ny Rahalahy Lösch: “Manahy ve ianareo sao tsy hahita olona hampianarina Baiboly? Tadidio fa nilaza i Jehovah hoe: ‘Momba anao aho.’ Manahy ve ianareo sao tsy ho ampy ny fivelomana? Hoy i Jehovah: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.’” (Hebreo 13:5) Farany, dia nampahatsiahy ny mpianatra ny Rahalahy Lösch fa nampanantena i Jesosy hoe homba ny mpanara-dia azy izy amin’ny asa fanaovana mpianatra.—Matio 28:20.
“Hahatanty ny Afo ve Ianao?” Io no loha hevitra noresahin’i Lawrence Bowen, mpampianatra any Gileada. Nomarihiny fa noho ny raharaha nipoitra tany Edena, dia mahita zava-manahirana ny olona rehetra te hivavaka amin’i Jehovah irery ihany. Miatrika fisedrana mivaivay toy ny afo mihitsy aza izy ireny indraindray. Hebreo 5:8, 9) I Jehovah dia azo oharina amina mpandrendrika volamena, mampiasa hafanana antonony tsara mba hanalana ny loto amin’ilay volamena. Mazava ho azy fa azo antoka kokoa noho ny volamena voarendrika ny finoana notsapaina tamin’ny afo. Nahoana? “Satria tsy misy fisedrana afaka mampihozongozona izany finoana izany”, hoy ny Rahalahy Bowen, “sady manampy antsika izy io mba hiaritra ‘hatramin’ny farany.’”—Matio 24:13.
Nampirisihin’ny Rahalahy Bowen ny mpianatra mba hanahaka an’i Jesosy. Azon’i Jesosy antoka fa afaka hiaritra izy, satria niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah sady nanaiky ny fitsapana nivaivay navelan’i Jehovah hihatra taminy, mba ho tanteraka ny fankatoavany. (Nanontany indray i Mark Noumair, mpampianatra any Gileada, hoe: “Ho Tiana ve Ianao?” Niorina tamin’ny 1 Samoela 2:26 ny lahateniny. Voalaza ao fa “tian’i Jehovah sy ny olona” i Samoela. Niresaka momba ny ohatr’i Samoela aloha ny Rahalahy Noumair, misionera tany Afrika nandritra ny folo taona mahery. Hoy izy avy eo: “Tena ho tian’Andriamanitra koa ianareo, raha tsy mivadika fa manohy ny asa sarobidy nankinina taminareo, dia ny asa misionera.” Nampirisika ny mpianatra ny Rahalahy Noumair avy eo mba hihevitra an’io asa io ho toy ny asa masina avy amin’Andriamanitra, ka hanana ny fomba fijeriny rehefa manao azy io.
Nanararaotra ny faran’ny herinandro ny mpianatra tany Gileada, ka niresaka tamin’ny olona teo amin’ny manodidina momba “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra”, voalaza ao amin’ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 2:11) Afaka niresaka momba izany tamin’ny fiteny folo mihitsy aza izy ireo. Nanadinadina mpianatra vitsivitsy sy nanasa azy ireo hitantara ny zavatra hitany teny am-pitoriana i Wallace Liverance, mpampianatra any Gileada, nandritra ilay lahateny hoe “Manosika ny Olona Hanao Zavatra ‘ny Asa Lehibe Ataon’Andriamanitra.’” Hoy izy: “Natosiky ny fanahy masina hiresaka momba ‘ny asa lehibe ataon’Andriamanitra’ ireo olona tao amin’ny efitra ambony, nandritra ny Pentekosta. Manan-kery eo amin’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra koa io fanahy io ankehitriny.” Nisy aza voatosika hianatra teny vahiny mba hitoriana amin’ny olona maro kokoa.
Torohevitra mba hananana ny fomba fihevitr’Andriamanitra
Taorian’ny lahateny fanokafana, dia nanadinadina rahalahy anisan’ny komitin’ny sampana any amin’ny tany misy misionera, ny rahalahy Gary Breaux sy William Young, samy mpianakavin’ny Betelan’i Etazonia. Nanadinadina mpivady misionera nandritra ny 41 taona koa izy ireo. Voalaza tamin’izay hoe: “Izay tsy dia sarotiny no mijanona maharitra kokoa, satria mifantoka amin’ny antony nahatongavany izy ireo. Fantany mantsy fa tonga mba hitory ny vaovao tsara sy hanampy ny olona hahafantatra an’i Jehovah izy ireo.”
Namarana ny fandaharana i David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ilay lahateny hoe: “Tsy Handeha Lavitra Ianareo!” Inona no tiany holazaina, rehefa heverina ny tany samy hafa hanendrena ireo mpianatra 46 nahazo diplaoma? Nanazava izy hoe: “Na aiza na aiza alehanareo, dia ho ao an-tranon’Andriamanitra foana ianareo, raha tsy mivadika.” Manompo ao amin’ny faritra iray amin’ny tranon’Andriamanitra, na tempoliny lehibe ara-panahy, ny Kristianina tsy mivadika rehetra, na aiza na aiza misy azy ireo. Nanomboka nisy io tempoly io rehefa natao batisa i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. (Hebreo 9:9) Tena nampahery ny mpanatrika ny nahafantatra fa akaiky ny mpanompony mahatoky rehetra eto an-tany i Jehovah! Niahy an’i Jesosy i Jehovah fony izy tetỳ an-tany, ary miahy antsika rehetra koa Izy sady liana amin’ny fanompoana ataontsika, na aiza na aiza misy antsika. Tsy mba lavitra ny namantsika na lavitra an’i Jehovah sy Jesosy mihitsy àry isika.
Novakina ny firarian-tsoa avy amin’ny tany samy hafa ary nolazaina ny tany handehanan’ireo misionera. Novakina koa ny taratasy fisaorana avy amin’ny mpianatra noho ny fiofanana noraisiny tany Gileada. Namarana ny fandaharana ny mpitari-draharaha, rehefa nampirisika an’ireo misionera vaovao mba hanohy ny asa tsarany sy hifaly amin’ny fanompoana an’i Jehovah.—Filipiana 3:1.
[Efajoro, pejy 23]
ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY
Isan’ny tany nanana solontena: 14
Isan’ny tany nanendrena: 19
Isan’ny mpianatra: 46
Salanisan’ny taona: 35
Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 17,2
Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 13,7
[Sary, pejy 24]
Ny Kilasy Faha-113 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana
Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.
1) Ligthart, M.; Hosoi, S.; Berktold, A.; Liem, C.; Aoki, J. 2) Baglyas, J.; Bouqué, S.; Bossi, A.; Alton, J.; Escobar, I.; Escobar, F. 3) Stoica, A.; Stoica, D.; Freimuth, S.; Karlsson, M.; LeBlanc, R. 4) Bianchi, R.; Bianchi, S.; Kaminski, L.; Joseph, L.; Paris, S.; LeBlanc, L. 5) Paris, M.; Skidmore, B.; Horton, J.; Horton, L.; Skidmore, G. 6) Liem, B.; Alton, G.; Quirici, E.; Langlois, M.; Steininger, S.; Aoki, H. 7) Langlois, J.; Steininger, M.; Bossi, F.; Kaminski, J.; Bouqué, J.; Ligthart, E.; Hosoi, K. 8) Baglyas, J.; Quirici, M.; Karlsson, L.; Freimuth, C.; Berktold, W.; Joseph, R.