Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiarovana ho Antsika i Jehovah

Fiarovana ho Antsika i Jehovah

Fiarovana ho Antsika i Jehovah

“Satria hoy hianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, . . . dia tsy hisy loza hanjo anao.”​—SALAMO 91:9, 10.

1. Nahoana isika no afaka milaza fa fiarovana ho antsika i Jehovah?

TENA fiarovana ho an’ny vahoakany i Jehovah. Raha mifikitra tanteraka aminy isika, dia mety ho ‘voageja manodidina, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy; potraka, nefa tsy maty.’ Nahoana? Satria manome antsika “hery” mihoatra noho ny mahazatra i Jehovah. (2 Korintiana 4:7-9) Eny, manampy antsika hanao ny sitrapony ilay Raintsika any an-danitra. Afaka mandray am-po izao tenin’ny mpanao salamo izao àry isika: “Satria hoy hianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, dia tsy hisy loza hanjo anao.”​—Salamo 91:9, 10.

2. Inona no azo ambara mahakasika ny Salamo faha-91 sy ny zavatra ampanantenainy?

2 I Mosesy angamba no nanoratra ireo teny ao amin’ny Salamo faha-91 ireo. Izy mantsy no nanoratra ny Salamo faha-90, araka ny teny mampiditra azy io. Manaraka avy hatrany ny Salamo faha-91, fa tsy misy resaka mpanoratra hafa mialoha azy. Mety ho hira nifamaly ny Salamo faha-91, izany hoe, nisy olona iray niventy aloha (91:1, 2), ary nisy antoko mpihira namaly avy eo (91:3-8). Mety ho feon’olon-tokana indray no re (91:9a) ary novalian’olona maromaro (91:9b-13). Mety ho olon-tokana indray no nihira ny fizarana farany (91:14-16). Na ahoana na ahoana anefa fomba nihirana ny Salamo faha-91, izy io dia mampanantena filaminana ara-panahy ho an’ny antokon’olona roa, dia ny Kristianina voahosotra sy ireo namany vita fanoloran-tena. * Andeha àry hodinihintsika ny fahitan’ireo mpanompon’i Jehovah ireo an’io salamo io.

Tsy manana ahiahy ao amin’ny ‘fieren’Andriamanitra’

3. a) Inona “ny fierena izay an’ny Avo Indrindra”? b) Manahoana isika rehefa “monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha”?

3 Mihira toy izao ny mpanao salamo: “Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha. Izaho hilaza an’i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy ary Andriamanitro, Izay hitokiako.” (Salamo 91:1, 2) “Ny fierena izay an’ny Avo Indrindra” dia fiarovana ara-panahy ho antsika, ary indrindra ho an’ireo voahosotra, ataon’ny Devoly lasibatra. (Apokalypsy 12:15-17) Mety ho efa noringaniny isika rehetra, raha tsy niaro antsika teo amin’ny lafiny ara-panahy Andriamanitra. Voaro mantsy isika, rehefa “monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.” (Salamo 15:1, 2; 121:5) Tsy misy fialofana hafa azo antoka, na tena mafy noho i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony.​—Ohabolana 18:10.

4. Inona no fandrika ampiasain’i Satana, ilay “mpihaza”, ary ahoana no ahafahantsika amin’izany?

4 Hoy koa ny mpanao salamo: “Fa Izy Jehovah] no hanafaka anao amin’ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.” (Salamo 91:3) Matetika no nampiasa fandrika ny Isiraelita fahiny rehefa nihaza vorona. Isan’ny fandrika ampiasain’i Satana, ilay “mpihaza”, ny tontolo ratsiny sy ny ‘fanangoleny.’ (Efesiana 6:11) Misy manafina fandrika amin’ny lalantsika, mba hitarihana antsika hanao ratsy ka ho simba ara-panahy. (Salamo 142:3) Noho isika nanda ny tsy fahamarinana anefa, dia ‘tahaka ny vorona afaka amin’ny fandrika ny fanahintsika.’ (Salamo 124:7, 8) Velom-pankasitrahana tokoa isika, satria manafaka antsika amin’ilay “mpihaza” ratsy fanahy i Jehovah!​—Matio 6:13.

5, 6. Inona ilay “areti-mandoza”, nefa nahoana ny vahoakan’i Jehovah no tsy tratran’izy io?

5 Miresaka “areti-mandoza” ny mpanao salamo. Misy zavatra “mandoza” toy ny areti-mifindra, mahavoa ny fianakavian’olombelona sy izay manaiky ny zon’i Jehovah hitondra. Toy ny areti-mifindra izy io. Hoy ilay mpahay tantara atao hoe Arnold Toynbee momba izany: “Noho ny fanindrahindram-pirenena, dia nanjary nitombo avo roa heny ny isan’ny firenena nahaleo tena hatramin’ny faran’ny Ady Lehibe II . . . Vao mainka mihamisaratsaraka ny olombelona amin’izao andro izao.”

6 Nisy mpitondra nanampy trotraka ny tsy fifankahazoan’ny firenena eran-tany, nandritra ireo taonjato maro lasa. Notereny koa ny olona hivavaka aminy, na amin’ny sary, na amin-javatra hafa. Tsy navelan’i Jehovah ho tratran’izany ‘aretina’ izany mihitsy anefa ny mpanompony. (Daniela 3:1, 2, 20-27; 6:8-11, 17-23) Fianakavian’ny mpirahalahy be fitiavana maneran-tany isika, ka i Jehovah irery ihany no tompointsika, sady tsy momba ny atsy isika na ny aroa. Tsy manavakavaka isika satria manaiky “fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra [an’Andriamanitra] ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Eksodosy 20:4-6; Jaona 13:34, 35; 17:16; 1 Petera 5:8, 9) Kristianina isika, ka tratran’ny ‘loza’ na ny fanenjehana, nefa faly sady milamina ara-panahy “ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra.”

7. Ahoana no iarovan’i Jehovah antsika ‘amin’ny elany’?

7 Fiarovana ho antsika i Jehovah, ka mampionona antsika izao teny izao: “Ny volon’elany no anaronany anao, ary ao ambanin’ny elany no hialofanao; ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.” (Salamo 91:4) (Ao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany, dia manondro ampinga mahatakona olona iray ny ampinga kely, fa manondro manda kosa ny ampinga lehibe) Toy ny iarovan’ny vorona ny zanany amin’ny elany no iarovan’Andriamanitra antsika. (Isaia 31:5) ‘Ny volon’elany no anaronany antsika.’ Manondro ny elatry ny vorona ihany ny ‘volon’elany.’ Anaronany ny zanany ireny, mba hiarovana azy amin’ny fahavalo. Toy ny zana-borona isika, tsy manana ahiahy eo ambany elatr’i Jehovah, satria mialoka ao amin’ny tena fandaminany.​—Rota 2:12; Salamo 5:1, 11.

8. Nahoana no lazaina fa ampinga sy manda ho antsika ny ‘fahamarinan’Andriamanitra’?

8 Matoky ny “fahamarinana” isika. Toy ny ampinga fahiny, miendrika varavarana sady mahatakona ny vatana iray manontolo, izy io. (Salamo 5:12) Tsy matahotra isika rehefa matoky ny fiarovana toy izany. (Genesisy 15:1; Salamo 84:11) Ampinga, toy ny finoantsika, ny fahamarinan’Andriamanitra, ka miaro antsika amin’ny zana-tsipìka mirehitra alefan’i Satana sy ny famelezan’ny fahavalo. (Efesiana 6:16) Manda koa izy io, na fefy matanjaka miaro antsika tsy hivadika.

‘Tsy hatahotra isika’

9. Nahoana no mety hampahatahotra ny alina, nefa nahoana isika no tsy matahotra?

9 Noho ny fiarovan’Andriamanitra dia hoy ny mpanao salamo: “Tsy hatahotra ny horohoro nony alina hianao, na ny zana-tsipìka manidina nony andro, na ny areti-mandringana mandeha amin’ny maizina, na ny fandringanana mandripaka amin’ny mitataovovonana.” (Salamo 91:5, 6) Maro ny asa ratsy atao ao amin’ny maizina, hany ka mety hampahatahotra ny alina. Ao anatin’izao haizina ara-panahy manarona ny tany izao, dia matetika no mampiasa fitaka ny fahavalontsika mba handravana ny fitiavantsika zavatra ara-panahy sy hampijanonana ny asa fitoriantsika. “Tsy hatahotra ny horohoro nony alina” anefa isika, satria miambina antsika i Jehovah.​—Salamo 64:1, 2; 121:4; Isaia 60:2.

10. a) Inona no mety ho hevitry ny hoe “zana-tsipìka manidina nony andro”, ary inona no ataontsika ho setrin’izany? b) Manao ahoana ilay “areti-mandringana mandeha amin’ny maizina”, ary nahoana isika no tsy matahotra azy io?

10 Toa famelezana am-bava “ny zana-tsipìka manidina nony andro.” (Salamo 64:3-5; 94:20) Misy manohitra an-karihary ny fanompoana masina ataontsika. Very maina anefa izany raha manohy manambara ny marina isika. Ambonin’izany, dia tsy matahotra “ny areti-mandringana mandeha amin’ny maizina” isika. Izy io dia sary an’ohatra mampiseho fa simba ny fitondran-tena sy ny fivavahana eto amin’ity tontolo anjakan’i Satana ity. (1 Jaona 5:19) Miteraka toe-tsaina sy toe-po mahafaty izy io, ary mahatonga ny olona tsy hahafantatra an’i Jehovah sy ny fikasany ary ny fandaharany feno fitiavana. (1 Timoty 6:4) Feno haizina ny manodidina antsika, nefa tsy matahotra isika, satria manana hazavana ara-panahy be dia be.​—Salamo 43:3.

11. Inona no manjo ireo ‘ripaka amin’ny mitataovovonana’?

11 Tsy mampahatahotra antsika koa “ny fandringanana mandripaka amin’ny mitataovovonana.” Mety ho ilay heverin’ity tontolo ity ho hazavana ara-panahy ilay “mitataovovonana.” Ho faty ara-panahy izay fatra-pitady harena tahaka azy. (1 Timoty 6:20, 21) Tsy matahotra ny fahavalontsika isika, rehefa mitory ilay Fanjakana amin-kerim-po, satria i Jehovah no Mpiaro antsika.​—Salamo 64:1; Ohabolana 3:25, 26.

12. Eo anilan’iza no misy iray alina “lavo”, ary amin’ny fomba ahoana?

12 Manohy toy izao ny mpanao salamo: “Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, dia tsy hihatra aminao izany. Hijery maso fotsiny hianao, ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.” (Salamo 91:7, 8) Maro no “lavo” ka maty ara-panahy ‘eo anilantsika’, satria tsy nialoka tamin’i Jehovah. “Iray alina”, raha ny marina, no lavo ‘eo an-kavanan’ny’ Isiraelita ara-panahy amin’izao andro izao. (Galatiana 6:16) Tsy manana ahiahy anefa isika ao amin’ny ‘fieren’Andriamanitra’, na anisan’ny Kristianina voahosotra isika, na anisan’ireo namany vita fanoloran-tena. ‘Mijery maso fotsiny isika, ka mahita ny hamaliana ny ratsy fanahy’, satria mahita loza ara-barotra sy ara-pivavahana ary loza hafa izy ireo.​—Galatiana 6:7.

‘Tsy hisy loza hanjo antsika’

13. Inona ireo loza tsy mba manjo antsika, ary nahoana?

13 Tsy milamina intsony ity tontolo ity, nefa noho isika mametraka foana an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany dia mampahery antsika izao tenin’ny mpanao salamo izao: “Satria hoy hianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, dia tsy hisy loza hanjo anao, na aretina hanakaiky ny lainao.” (Salamo 91:9, 10) Eny, fiarovana ho antsika i Jehovah. Ataontsika ‘fonenana’ koa anefa ilay Andriamanitra Avo Indrindra, ka lasa tsy manana ahiahy isika. Midera an’i Jehovah isika, satria Tompon’izao Rehetra Izao izy. ‘Monina’ ao aminy isika, satria avy aminy ny filaminana. Mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakany koa isika. (Matio 24:14) Noho izany, dia ‘tsy hisy loza hanjo antsika’, izany hoe tsy hisy hihatra amintsika ny loza voalaza teo aloha, ao amin’ity salamo ity. Tsy simba ny finoantsika na ny filaminantsika ara-panahy, na dia iharan’ny loza toy ny horohoron-tany, ny rivo-doza, ny tondra-drano, ny mosary ary ny vokatry ny ady aza isika, tahaka ny olona maro.

14. Nahoana isika mpanompon’i Jehovah no tsy tratran’ny aretina mahafaty?

14 Misaraka amin’ity tontolo ity ny Kristianina voahosotra, toy ny vahiny monina an-trano lay. (1 Petera 2:11) ‘Tsy hanakaiky ny lainy ny aretina.’ Tsy naman’ity tontolo ity isika, na manantena ny ho any an-danitra, na manantena ny ho eto an-tany. Tsy tratran’ny aretina mahafaty ara-panahin’ity tontolo ity isika. Anisan’izany aretina izany ny fitondran-tena ratsy, ny fitiavan-karena, ny fivavahan-diso ary ny fanompoam-pivavahana amin’ilay “bibi-dia” na ny ‘sariny’, dia ny Firenena Mikambana.​—Apokalypsy 9:20, 21; 13:1-18; Jaona 17:16.

15. Inona avy no fanampiana omen’ny anjely antsika?

15 Hoy koa ny mpanao salamo mahakasika ny fiarovana ananantsika: “Fa Izy Jehovah] handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin’izay rehetra halehanao. Eny an-tànany no hitondran’ireo anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.” (Salamo 91:11, 12) Nomena hery hiarovana antsika ny anjely. (2 Mpanjaka 6:17; Salamo 34:7-9; 104:4; Matio 26:53; Lioka 1:19) Miaro antsika ‘eny amin’izay rehetra halehantsika’ izy ireo. (Matio 18:10) Mitari-dalana sy miambina antsika ny anjely rehefa mitory ilay Fanjakana isika, ka tsy lavo eo amin’ny lafiny ara-panahy isika. (Apokalypsy 14:6, 7) Tsy nahatonga antsika ho tafintohina ka tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra, na dia ny ‘vato’, toy ny fandrarana ny asantsika aza.

16. Inona no maha samy hafa ny fanafihana ataon’ny “liona masiaka” sy ny “vipera”, ary ahoana no asetrintsika izany?

16 Hoy koa ny mpanao salamo: “Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.” (Salamo 91:13) Toy ny liona tanora tsy miafina, fa manafika mivantana, dia ahariharin’ny fahavalontsika sasany koa ny fanoherany, ka manao lalàna izy hampitsaharana ny fitoriantsika. Misy koa anefa fanafihana tsy ampoizina toy ny an’ny vipera avy any anaty lavaka. An-kolaka no anafihan’ny mpitondra fivavahana antsika, ka ampiasainy, ohatra, ny mpahay lalàna, na mpitsara, na olon-kafa. Momba antsika anefa i Jehovah, rehefa mampiasa ny lalàna isika eny amin’ny fitsarana, mba handaminana ilay raharaha amim-pahatoniana, hany ka vitantsika ny ‘manafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarana hahamafy orina azy.’​—Filipiana 1:7; Salamo 94:14, 20-22.

17. Ahoana no hanitsahantsika ny “liona tanora”?

17 Milaza ny mpanao salamo fa hohitsahina “ny liona tanora sy ny menarana.” Mety hasiaka be ny liona tanora, ary mety ho vaventy be ny menarana. (Isaia 31:4) Na dia masiaka be toy inona aza anefa ny liona tanora rehefa manafika, dia toy ny manitsaka azy io isika, rehefa mankatò an’Andriamanitra, mihoatra noho ny olona, na ny fandaminana toy ny liona. (Asan’ny Apostoly 5:29) Tsy miteraka fahavoazana ara-panahy ho antsika àry ny “liona” na dia mampahatahotra aza.

18. Mety hampahatsiahy antsika an’iza “ilay menarana”, ary mila manao inona isika rehefa tafihiny?

18 Antsoina hoe “dragona” ny “menarana” ao amin’ny fandikan-teny grikan’ny Fitopolo. Mety hampahatsiahy antsika an’ilay “dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana” izany. (Apokalypsy 12:7-9; Genesisy 3:15) Toy ny bibilava mampahatahotra, afaka mangeja sy mitelina ny hazany izy. Rehefa manandrana manodinkodina ny vatany amintsika i Satana, izany hoe mangeja antsika amin’ny faneren’izao tontolo izao, ka mitady hitelina antsika, dia aoka isika hanafa-tena, ka hanitsaka an’io “menarana” io. (1 Petera 5:8) Tsy maintsy manao izany ny sisa voahosotra, raha te handray anjara amin’ny fahatanterahan’ny Romana 16:20.

Avy amin’i Jehovah ny famonjena

19. Nahoana isika no mialoka amin’i Jehovah?

19 Nisolo tena an’Andriamanitra ny mpanao salamo, rehefa nilaza toy izao mahakasika ny mpivavaka marina: “Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, dia hamonjy azy Aho; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy.” (Salamo 91:14) Manondro toerana tsy azo takarina ilay teny hoe “hanandratra azy ho any amin’ny avo.” Mialoka amin’i Jehovah isika mpivavaka aminy, indrindra satria ‘iraiketan’ny fitiavantsika izy.’ (Marka 12:29, 30; 1 Jaona 4:19) ‘Hamonjy antsika’ amin’ny fahavalontsika izy, ho setrin’izany. Tsy ho ringana velively isika. Ho voavonjy kosa isika, satria mahafantatra ny anaran’Andriamanitra ary miantso azy io amim-pinoana. (Romana 10:11-13) Tapa-kevitra koa isika ny ‘handeha amin’ny anaran’i Jehovah mandrakizay.’​—Mika 4:5; Isaia 43:10-12.

20. Inona no ampanantenain’i Jehovah ny mpanompony mahatoky, eo am-pifaranan’ny Salamo faha-91?

20 Izao no lazain’i Jehovah momba ny mpanompony mahatoky, eo am-pifaranan’ny Salamo faha-91: “Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho, raha ory izy; hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako fahela-velona izy; ary hasehoko azy ny famonjeko.” (Salamo 91:15, 16) Mamaly antsika Andriamanitra, rehefa mangataka zavatra aminy araka ny sitrapony isika. (1 Jaona 5:13-15) Efa niaritra fijaliana maro isika noho ny fankahalana apoitran’i Satana. Mampiomana antsika hiatrika fisedrana hafa anefa ilay teny hoe “ho eo aminy Aho, raha ory izy.” Manome toky antsika koa izy io fa hanohana antsika Andriamanitra, rehefa horavana ity tontolo ratsy ity.

21. Tamin’ny fomba ahoana ny voahosotra no efa nomem-boninahitra?

21 Mahery vaika ny fanoheran’i Satana, nefa amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, dia homem-boninahitra any an-danitra ny sisa voahosotra rehetra, rehefa ‘ela velona’ teto an-tany. Efa nahazoan’izy ireo voninahitra ara-panahy anefa ireo famonjena niavaka nataon’Andriamanitra. Voninahitra lehibe ho azy ireo tokoa izany hoe Vavolombelon’i Jehovah mitari-dalana eto an-tany, amin’ny andro farany izany! (Isaia 43:10-12) Ny famonjena lehibe indrindra ataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany dia mandritra ilay adiny lehibe ao Haramagedona, rehefa hanamarina ny zony hitondra sy hanamasina ny anarany izy.​—Salamo 83:18; Ezekiela 38:23; Apokalypsy 16:14, 16.

22. Iza no hahita ny ‘ny famonjen’i Jehovah’?

22 Samy miandrandra ny famonjen’i Jehovah isika, na Kristianina voahosotra, na namany vita fanoloran-tena. Hovonjena ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky mandritra “ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.” (Joela 3:3-5) Isika anisan’ny “olona betsaka” ho tafita velona ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, ary hitoetra ho mahatoky mandritra ny fitsapana farany, dia ‘hovokisany fahela-velona’, izany hoe fiainana mandrakizay. Hanangana olona maro be koa izy. (Apokalypsy 7:9; 20:7-15) Tena ho faly tokoa i Jehovah rehefa ‘hasehony antsika ny famonjena’ amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (Salamo 3:8) Noho izany fanantenana mahatalanjona izany, dia enga anie isika hiantehitra amin’Andriamanitra mba hanampy antsika hanisa ny androntsika, ho voninahitra ho azy. Aoka hoporofointsika hatrany amin’ny tenintsika sy ny ataontsika, fa i Jehovah no fiarovana ho antsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Tsy nihevitra ny Salamo faha-91 ho faminaniana momba ny Mesia ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina. Mazava ho azy fa fiarovana ho an’i Jesosy, fony izy teto an-tany, i Jehovah. Fiarovana ho an’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy sy ireo namany vita fanoloran-tena koa i Jehovah, amin’izao “andro farany” izao.​—Daniela 12:4.

Ahoana no Havalinao?

• Inona ilay “fierena izay an’ny Avo Indrindra”?

• Nahoana isika no tsy matahotra?

• Nahoana no ‘tsy hisy loza hanjo antsika’?

• Nahoana isika no afaka milaza fa avy amin’i Jehovah ny famonjena?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Fantatrao ve hoe nahoana no lazaina fa ampingantsika ny fahamarinan’i Jehovah?

[Sary, pejy 18]

Ampian’i Jehovah ny mpanompony hanatontosa ny fanompoany na dia misy manafika tampoka sy manohitra an-karihary aza

[Sary nahazoan-dalana]

Cobra: A. N. Jagannatha Rao, Trustee, Madras Snake Park Trust