Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio ao Amin’ny Tontolo Iray Maloto Fitondran-tena
Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio ao Amin’ny Tontolo Iray Maloto Fitondran-tena
ZARAZARA hoditra sy tsara tarehy ilay lehilahy. Nanan-talenta sady meva ilay vehivavy. Niara-niasa tao amin’ny kompania iray izy ireo. Naneho fahalianana manokana tamin’ilay lehilahy ilay vehivavy. Nidera ilay vehivavy ilay lehilahy. Nifanolotra fanomezana izy ireo. Tsy ela dia nifankatia izy ireo. Nandao ny vadiny mba hiara-mipetraka tamin’ilay vehivavy ilay lehilahy. Tamin’ny farany, dia nanapa-kevitra ny hitoetra tamin’ny vadiny ihany ilay vehivavy, ary dia nifarana teo ilay raharaha. Nanandrana niverina tsy satry tany amin’ny vadiny ilay lehilahy. Noho izy tsy naneho fanenenana mihitsy anefa, dia tsy afaka nanarina ny tokantranony intsony izy. Samy nanohy ny fiainany mahazatra ireo voarohirohy, na dia tsy afa-maina aza.
Tsy raharahaina intsony ny fitsipi-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy eto amin’ity tontolo ity. Hita ho hevitra manjaka ny fikatsahana fahafinaretana sy fahafaham-po tsy misy fetra. Nanambara toy izao ny The New Encyclopædia Britannica: “Toa hita hatraiza hatraiza ny fanitsakitsaham-bady, ary zavatra mahazatra toy ny fanambadiana mihitsy aza izany amin’ny toe-javatra sasany.”
Irin’i Jehovah Andriamanitra “hanan-kaja amin’ny olona rehetra” anefa ny fanambadiana, ary “tsy ho voaloto” ny fandrianam-panambadiana. (Hebreo 13:4). Manambara toy izao ny Soratra Masina: “Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Korintiana 6:9, 10). Mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra àry, dia mila mihazona fahadiovana ara-pitondran-tena isika, eto amin’ity tontolo maloto fitondran-tena ity.
Ahoana no ahafahantsika miaro tena amin’ireo fitaomana manimba manodidina antsika? Manome valiny, ao amin’ny toko faha-5 amin’ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly, i Solomona mpanjakan’ny Isiraely fahiny. Andeha hodinihintsika izay nolazainy momba izany.
Hiaro anao ny fahaiza-misaina
“Anaka, tandremo ny fahendreko”, hoy ilay mpanjakan’ny Isiraely nanomboka ny teniny. Nanampy teny toy izao izy: “Ary atongilano ny sofinao ho amin’ny fahalalako, hiheveranao tsara ny fisainana mazava sy hitandreman’ny molotrao ny fahalalana.”—Ohabolana 5:1, 2.
Mba hanoherana ny fakam-panahy hanao fahalotoam-pitondran-tena, dia ilaintsika ny fahendrena—ny fahaizana mampihatra ny fahalalana araka ny Soratra Masina—sy ny fahaiza-manavaka, na ny fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy, ka ifidianana ny lalam-pitondran-tena mety. Ampirisihina mafy hitandrina ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka isika, mba hiarovana ny fahaiza-misaina ananantsika. Ahoana no mety hanaovantsika izany? Mila manamarika ny fomba fanaovan’i Jehovah zavatra, ary mila manongilan-tsofina amin’ny sitrapony sy ny fikasany isika, rehefa mianatra ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Amin’ny fanaovana izany, dia hotarihintsika amin’ny tokony ho izy ny fomba fisainantsika. Mifanaraka amin’ny fahendrena sy ny fahalalana araka an’Andriamanitra ny fahaiza-misaina azo avy amin’izany. Rehefa ampiharina araka ny tokony ho izy izany fahaizana izany, dia hiaro antsika tsy ho voafandriky ny fitaomana hanao fahalotoam-pitondran-tena.
Mitandrema amin’ny vava malama
Ny antony tena mahatonga ny fahaiza-misaina ho zava-dehibe, eo am-pihazonana fahadiovana ara-pitondran-tena ao amin’ny tontolo iray tsy madio, dia Ohabolana 5:3, 4.
noho ny fahaizan‘ny olona iray maloto fitondran-tena maka fanahy. Nampitandrina toy izao i Solomona: “Ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ny tohotra, ary ny vavany dia malama noho ny diloilo; nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.”—Ao amin’io ohabolana io, ilay olona maniasia dia aseho ho toy ny “vehivavy jejo”—mpivaro-tena. * Mamy toy ny tantely, ary malama toy ny menaka oliva, ny teny entiny hakana fanahy izay ho voany. Tsy izany ve no fomba anombohana ny ankabeazan’ny fitaomana hanao faharatsiam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy vavy? Diniho, ohatra, ny zavatra niainan’ny sekretera bikàna iray, 27 taona, antsoina hoe Amy. Nitantara toy izao io tovovavy io: “Naneho fahalianana be tamiko sy nidera ahy tamin’ny zavatra rehetra ilay lehilahy tany am-piasana. Mahafinaritra erỳ izany hoe misy mahamarika izany ny tena. Hitako mazava tsara anefa fa ny mahaliana azy amiko dia ny momba ny lahy sy ny vavy ihany. Tsy hanaiky ho voafitaky ny fandrokidrokiana ataony aho.” Mazàna no manintona ny teny fandokafana ataon’ny lehilahy na ny vehivavy iray te hitaona, rehefa tsy fantatsika ny tena fikasany marina. Raha ny amin’izany, dia mila mampiasa ny fahaiza-misaina ananantsika isika.
Ny vokatra aorian’ny nanaovana fahalotoam-pitondran-tena dia mangidy toy ny hazo mahafaty, sady maranitra toy ny sabatra roa lela—sady mampanaintaina no mahafaty. Feon’ny fieritreretana manenjika, fananana anaka tsy nirina, na areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana mazàna no vokatra mangidin’ny fitondran-tena toy izany. Ary eritrereto ny fanaintainana ara-pihetseham-po goavana tsapan’ny vadin’ny olona tsy mahatoky iray. Mety hiteraka ratra lalina, haharitra mandritra ny androm-piainana iray, ny famitahana indray mandeha monja. Eny, mandratra ny fahalotoam-pitondran-tena.
Nanohy toy izao ilay mpanjaka hendry, raha niresaka momba ny fomba fiainan’ny vehivavy maniasia iray: “Ny tongony midina ho any amin’ny fahafatesana, ary ny diany mizotra ho any amin’ny fiainan-tsi-hita. Tsy mahazo mandia ny làlan’aina mihitsy izy, fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.” (Ohabolana 5:5, 6). Mitarika azy ho any amin’ny fahafatesana ny lalan’ny vehivavy maloto fitondran-tena—mizotra ho any amin’ny fiainan-tsy hita, ny fasana iombonan’ny olombelona, ny diany. Toy inona moa ny fahamarinan’ireo teny ireo, noho ny aretina mihanaka azo avy amin’ny firaisana, indrindra fa ny SIDA! Hanana fiafarana mitovy amin’ny an’ilay vehivavy ireo izay miara-mandeha aminy amin’ny lalany tsy mahitsy.
Noho ny fiahiany tamim-pahatsorana, dia nampirisika mafy toy izao ilay mpanjaka hendry: “Koa mihainoa ahy, ry zanaka, ary aza miala amin’ny teny aloaky ny vavako. Ampanalaviro azy ny alehanao, ary aza manakaiky ny varavaran’ny tranony”.—Ohabolana 5:7, 8.
Ilaintsika ny manalavitra araka izay azo atao ny fitaoman’ny olona maloto fitondran-tena. Nahoana isika no hidi-kizo amin’ny lalan’izy ireo, amin’ny fihainoana mozika mampietry, fijerena fialam-boly maloto, na hisetra loza amin’ny fijerena sary sy soratra vetaveta? (Ohabolana 6:27; 1 Korintiana 15:33; Efesiana 5:3-5). Ary hadalana toy inona moa ny hanintonana ny sain’izy ireo amin’ny filalaovana fitia, na koa amin’ny fanaovana fitafiana sy fisehoana ankapobe tsy maotina!—1 Timoty 4:8; 1 Petera 3:3, 4.
Vidiny lafo loatra
Noho ny antony hafa inona no tokony hihazonantsika ny lalantsika ho lavitra ny olona maniasia? Namaly toy izao i Solomona: “Fandrao omenao ho an’ny sasany ny voninahitrao, ary ny taonanao ho an’izay lozabe; fandrao hivokisan’ny vahiny ny fanananao; ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon’ny vahiny; ka dia hitoloko hianao any am-parany, raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao”.—Ohabolana 5:9-11.
Manantitrantitra i Solomona, araka izany, fa vidina lafo ny fanaovana fahalotoam-pitondran-tena. Mifanindran-dalana ny fanitsakitsaham-bady sy ny fahaverezan’ny fahamendrehan’ny tena, na ny hajan’ny tena. Tsy mampietry tokoa ve ny hampiasantsika ny tenantsika, sy ny an’ny hafa koa, ho fanomezana fahafaham-po ny faniriana maloto fotsiny? Moa ve tsy fampisehoana tsy fahampian’ny fanajan-tena ny fanaranam-po, amin’ny fanaovana firaisana maloto, amin’ny olona tsy vadintsika?
Inona anefa no tafiditra amin’ny hoe ‘fanomezana ho an’ny vahiny, na olon-tsy fantatra, ny taonantsika sy ny fananantsika ary izay nisasarantsika’? Nilaza toy izao ny loharanon-kevitra iray: “Mazava tsara ny votoatin-kevitr’ireo andinin-teny ireo: Mety hovidina lafo ny tsy fahatokiana; satria izay rehetra nisasaran’ny olona iray—toeram-boninahitra, hery, harena—dia mety ho veriny amin’ny alalan’ny fangatahana mampiseho faniriana tafahoatra ataon’ilay vehivavy iarahany, na amin’ny onitra takin’ny fiaraha-monina.” Mety hamoizan-javatra be ny fanaovana firaisana maloto!
Hitaraina toy izao ny olona iray nanao hadalana, noho ny namoizany ny fahamendrehany sy ny nandanilaniany foana ny fananany: “Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fananarana ny foko, ka tsy nihaino ny tenin’ny mpanoro hevitra ahy, ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy? Efa saiky azon’ny ratsy rehetra aho tao amin’ny fiangonana sy ny fivoriana.”—Amin’ny farany, ilay mpanota dia hilaza izay nantsoin’ny manam-pahaizana iray hoe “teny misesisesy sy lavarenin’ny ‘tahaka izay’: tahaka izay aho mba nihaino ny anatra nomen’ny raiko; tahaka izay aho tsy nandeha tamin’ny lalako manokana; tahaka izay aho nandray ny torohevitry hafa”. Diso aoriana loatra anefa izany fahatsapan-tena izany. Efa potika izao ny fiainan’io olona maloto io, ary efa ratsy laza izy. Tena zava-dehibe ho antsika tokoa àry ny hanombanana ny vidin’ny fanaovana fahalotoam-pitondran-tena, alohan’ny hahatafidirantsika amin’izy io!
“Misotroa rano avy amin’ny lavaka famorian-dranonao ihany”
Manafinafina ny momba ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ve ny Baiboly? Tsy izany velively. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fifankatiavan’ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny fifaliana azo avy amin’izany. Voatokana ho an’ny mpivady ihany anefa izany fifandraisana akaiky izany. Nanome izao fampirisihana izao ho an’ny lehilahy manambady àry i Solomona: “Misotroa rano avy amin’ny lavaka famorian-dranonao ihany sy rano miboiboika avy amin’ny fantsakanao. Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin’ny loharanonao, ary eny an-dàlambe ny rano velonao? Aoka ho anao irery ihany izany, fa aza iombonana amin’ny hafa.”—Ohabolana 5:15-17.
Fomba poetika ilazana ny vehivavy vady lalaina iray ny hoe “lavaka famorian-dranonao” sy ny hoe “fantsakanao”. Ny fifaliana azo avy amin’ny fanaovana firaisana aminy dia toy ny fisotroana rano mamelombelona. Tsy sahala amin’ny famatsian-drano eny amin’ny toerana ho an’ny besinimaro, fa heverina ho toy ny fananan’ny tena manokana ny famorian-drano iray, na ny fantsakana. Ary toroana hevitra ny lehilahy mba hiteraka amin’ny vadiny ao an-trano, fa tsy hanely ny masomboliny eny an-kalamanjana, izany hoe, any amin’ny vehivavy hafa. Mazava fa ny hitoerany ho mahatoky amin’ny vadiny no torohevitra ho an’ny lehilahy.
Manohy ny teniny toy izao ilay lehilahy hendry: “Aoka hotahina ny loharanonao, ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, ary aoka ho feno faharavoravoana làlandava amin’ny fitiavany hianao.”—Ohabolana 5:18, 19.
Manondro ny loharanon’ny fahafaham-po eo amin’ny firaisan’ny lahy sy vavy ny hoe ‘loharano’, na rano miboiboika avy ao anaty tany. ‘Fitahiana’—avy amin’Andriamanitra—ny fahafinaretana eo amin’ny firaisana amin’ny vadin’ny tena. Noho izany, ny lehilahy dia ampirisihina mba hifaly amin’ny vadin’ny fahatanorany. Mahate ho tia sy mahafatifaty toy ny serfavavy izy io, ho azy, sady tsara bika sy mahafinaritra toy ny osivavy eny an-tendrombohitra.
Manaraka izany, dia nametraka fanontaniana roa tsy miandry valiny i Solomona: “Nahoana hianao, anaka, no ho renoka amin’ny fitiavana vehivavy jejo ka hanohona ny tratran’ny vahiny janga?” (Ohabolana 5:20). Eny, tokony ho voasintona hanao firaisana ivelan’ny fanambadiany tokoa ve ny olona iray manambady, noho ny fifampikasohana any amin’ny toeram-piasana, any am-pianarana, na any an-toeran-kafa koa?
Nanome izao torohevitra izao ho an’ny Kristianina manambady 1 Korintiana 7:29). Inona no voafaoka amin’izany? Tsy maintsy “mikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakana” ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy. (Matio 6:33, NW ). Tsy tokony ho variana loatra amin’izy samy izy àry ny mpivady, ka hametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho amin’ny toerana faharoa eo amin’ny fiainany.
ny apostoly Paoly: “Izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana amin’izao sisa izao”. (Ny ilana ny fifehezan-tena
Azo fehezina ny filana eo amin’ny lahy sy vavy. Tsy maintsy atao toy izany izy io, ho an’ireo izay maniry ny hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah. “Izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra”, hoy ny apostoly Paoly nananatra.—1 Tesaloniana 4:3, 4.
Tsy tokony ho maika ny hanambady, noho izany, ny tanora, raha mbola ny fahamaimaizana eo amin’ny lahy sy vavy fotsiny no mifoha eo aminy. Mitaky fifanajana ny fanambadiana, ary ilaina ny fahamatorana mba hiainana mifanaraka amin’ny andraikitra toy izany. (Genesisy 2:24). Tsara kokoa ny miandry ho dila “ny fahatanorana vao mivelatra”—fotoana izay mampirongatra mafy ny fahamaimaizana eo amin’ny lahy sy vavy, ka mety hanolana ny fomba fitsaran-javatra. (1 Korintiana 7:36, NW ). Ary ho hadalana sy ho fahotana tokoa, ho an’ny olon-dehibe iray maniry hanambady, ny hanjary ho voarohirohy amin’ny fahalotoam-pitondran-tena, satria fotsiny hoe mbola tsy misy ny olona halaina ho vady!
“Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany”
Ny antony lehibe indrindra maharatsy ny fahalotoam-pitondran-tena dia noho i Jehovah—ilay Mpanome ny fiainana sy Mpanolotra ny fahafahana hiteraka eo amin’ny olombelona—tsy mankasitraka azy io. Noho izany, dia nilaza toy izao i Solomona Mpanjaka, ho fandrisihana mafy mba hadio fitondran-tena: “Fa eo imason’i Jehovah ny alehan’ny olona, ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.” (Ohabolana 5:21). Eny, tsy misy zavatra miafina eo imason’Andriamanitra, “Izay iafaran’ny ataontsika”. (Hebreo 4:13). Hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny firaisana maloto rehetra, na natao tany amin’ny takona aza izany, ary na inona na inona mety ho vokany eo amin’ny toe-batana sy eo amin’ny fiaraha-monina. Hadalana tokoa ny hanapahana fihavanana amin’i Jehovah, noho ny fahafinaretana tsy ara-dalàna, ao anatin’ny minitra vitsivitsy!
Mety ho toa afa-maina ny sasany izay tsy mahalala henatra manaram-po amin’ny fanao maloto ara-pitondran-tena. Tsy haharitra ela anefa izany. Nilaza toy izao i Solomona: “Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, ary ny kofehin’ny fahotany no itanana azy. Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, eny, mikorapaka noho ny haben’ny fahadalany.”—Ohabolana 5:22, 23.
Tokony hisy haniasia ve eo amintsika? Rehefa dinihina tokoa, dia mampitandrina antsika mialoha ny amin’ny fahaizan’ity tontolo ity maka fanahy ny bokin’ny Ohabolana. Ary milaza amintsika ny sarany takin’ny fahalotoam-pitondran-tena izy io—ny fahasalamantsika, ny fananantsika, ny herintsika, ary ny fahamendrehantsika. Noho ny fahatsinjovana mialoha ny hoavy toy izany, dia tsy voatery ho tratran’ny fanaovana teny misesisesy sy miverimberin’ny “tahaka izay” isika. Eny, amin’ny fampiharana ny torohevitra omen’i Jehovah ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry, dia afaka mitoetra ho madio ara-pitondran-tena, ao amin’ny tontolo iray maloto fitondran-tena, isika.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 11 Nampiharina tamin’ireo izay nanao zavatra tsy nifanaraka tamin’ny Lalàna, ka tafasaraka tamin’i Jehovah, ny teny hoe “jejo”. Noho izany, ny mpivaro-tena dia antsoina hoe “vehivavy jejo”.
[Sary, pejy 30]
Mangidy tahaka ny hazo mahafaty ny vokatry ny fahalotoam-pitondran-tena
[Sary, pejy 31]
“Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao”