Manome Fanantenana ny Amin’ny Hoavy ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra
Manome Fanantenana ny Amin’ny Hoavy ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra
NOHO ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina, dia mijery ny hoavy amim-pinoana sy amim-panantenana ary amim-pijerena lafy tsaran-javatra, ny Kristianina marina. Mahatsapa ho milamin-tsaina, noho ny fifandraisany amin’i Jehovah Andriamanitra, izy ireo, ka miandrandra ny ampitso. Araka ny nohazavain’ny lahateny fanokafana tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra”, dia mpianatra mazoto ny faminaniana ara-baiboly efa hatramin’ny taona maro, ny Vavolombelon’i Jehovah. Koa inona àry no mbola nomanin’i Jehovah ho an’ny vahoakany tany amin’ireny fivoriambe ireny? Vonona ny Baibolin’ny mpanatrika rehetra, ka may erỳ izy ireo hahita izany. Ny loha hevitra ho an’ny andro tsirairay tamin’ilay fivoriambe dia alahatra ho lohatenikely samy hafa.
ANDRO VOALOHANY: Fandehanana ao Amin’ny Fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra
Ilay lahateny hoe “Nitarika Antsika ny Tenin’Andriamanitra” dia nanazava fa ny vahoakan’i Jehovah dia toy ny olona iray manomboka manao dia lavitra ao anatin’ny haizin’ny alina. Rehefa mangiran-dratsy ny andro, dia mahita aloka izy, nefa rehefa mibaliaka ny masoandro, dia mahita ny zava-drehetra mazava tsara izy. Araka ny nambara mialoha ao amin’ny Ohabolana 4:18, ny vahoakan’i Jehovah dia nanjary nahita ny lalany voasoritra tsara, teo ambany fahazavan’ny fahamarinana avy amin’ny teny ara-paminanian’Andriamanitra, mamiratra toy ny masoandro. Tsy avela ho tafintohina ao amin’ny haizina ara-panahy izy ireo.
Ilay lahateny fototra hoe “Manehoa Fitandremana ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra”, dia nampahatsiahy an’ireo mpihaino fa ireo izay mitodika any amin’i Jehovah dia voaro amin’ny fahadisoam-panantenana sy ny tsy fahafaham-po hitan’ny olona izay manaraka mesia sandoka sy mpaminany sandoka. Mifanohitra tanteraka amin’izany, fa tondraka ireo porofo manamarina ilay tena Mesia, dia i Jesosy Kristy! Ohatra, ny fiovan’i Jesosy tarehy tamin’ny fomba nahagaga dia nanome fahitana mialoha ny aminy, amin’ny maha Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra azy nomena fiandrianana. Hatramin’ny nahatongavany teo amin’ny fahefan’ny mpanjaka tamin’ny 1914, dia ilay “fitarik’andro” voalaza ao amin’ny 2 Petera 1:19, koa i Jesosy. “Izy, ilay Fitarikandro Mesianika, dia manambara andro, na vanim-potoana vaovao iray, izay hiposaka ho an’ny olombelona mankato rehetra”, hoy ilay mpandahateny.
Ho fampidirana ny fandaharana ny tolakandro, ilay lahateny hoe “Mamirapiratra Tahaka ny Mpanazava” dia namelabelatra ny Efesiana 5:8, izay anoroan’ny apostoly Paoly hevitra antsika mba ‘handeha tahaka ny zanaky ny mazava’. Ny Kristianina dia mpanazava, tsy amin’ny fizarana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny hafa fotsiny, fa amin’ny fampiharana ny Baiboly eo amin’ny fiainany koa, ho fanahafana an’i Jesosy.
Mba ho mpanazava toy izany, dia tsy maintsy ‘Mahita Fahafinaretana avy Amin’ny Famakiana ny Tenin’Andriamanitra’ isika. Io foto-kevitra io dia novelabelarina tao amin’ny fitohitohizan-dahateny iray nizara telo. Rehefa avy nanonona ny tenin’i Abraham Lincoln, izay niantso ny Baiboly hoe ny “fanomezana tsara indrindra nomen’Andriamanitra ny olombelona”, ilay mpandahateny voalohany, dia nanontany ny mpanatrika ny amin’izay ahariharin’ny fahazarany mamaky teny, momba ny halalin’ny fankasitrahany ny Tenin’i Jehovah. Nampirisihina hamaky ny Baiboly amim-pitandremana ny mpihaino, ka haka fotoana hahitana an’eritreritra ireo fitantarana ao amin’ny Soratra Masina ary hampifandray ireo hevitra vaovao amin’ny zavatra efa nianarana.
Ny tapany nanaraka tamin’ilay fitohitohizan-dahateny dia nanamafy ny ilana hanaovana fianarana, fa tsy famakian-teny maimaika, raha tiantsika ny handray “ventin-kanina”. (Hebreo 5:13, 14). Mampahery indrindra ny fianarana, hoy ilay mpandahateny, raha ‘mampiomana ny fontsika’ mialoha, tahaka ny nataon’i Ezra, mpisorona isiraelita, isika. (Ezra 7:10). Nahoana no zava-dehibe toy izany ny fianarana? Satria misy akony mivantana eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah izy io. Noho izany, dia tokony ho sarobidy sy hahafinaritra ary hamelombelona ny fianarana Baiboly, na dia mitaky fifehezana ny saina sy ezaka ara-tsaina aza izy io. Ahoana no ahitantsika ny fotoana hanaovana fianarana misy dikany? Amin’ny ‘fakana ny fotoana azo hararaotina’ avy amin’ny zavatra tsy dia lehibe loatra, hoy ny mpandahateny farany tamin’ilay fitohitohizan-dahateny. (Efesiana 5:16, NW ). Eny, ny fanalahidin’ny fahitana fotoana dia ny fampiasana amin’ny fomba tsara indrindra ny fotoana ananantsika.
Ilay lahateny hoe “Mampahatanjaka ny Reraka Andriamanitra” dia nanaiky fa olona maro no vizana amin’izao andro izao. Mba hananantsika “hery mihoatra noho ny mahazatra” ho amin’ny fanompoana kristianina, dia mila ny miantehitra amin’i Jehovah, izay “mampahatanjaka ny reraka”, isika. (2 Korintiana 4:7, NW; Isaia 40:29). Anisan’ny fanampiana manatanjaka ny Tenin’Andriamanitra, ny vavaka, ny kôngregasiôna kristianina, ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana, ny mpiandraikitra kristianina, ary ny oha-pahatokiana navelan’ny hafa. Ilay foto-kevitra hoe “Aoka Ianareo ho Mpampianatra, Rehefa Heverina ny Fotoana”, dia nanasongadina ny ilan’ny Kristianina ny ho mpampianatra ary koa ny ho mpitory sy hiezaka mafy mba hampitomboana ny “fahaiza-mampianatra”.—2 Timoty 4:2, NW.
Ny lahateny farany tamin’ilay andro hoe “Tsy hahaleo An’Andriamanitra Ireo Izay Miady Aminy” dia nanisy firesahana ny amin’ireo ezaka natao vao haingana, sy nampirisihan’olona manoro vohony, tany amin’ny tany sasany, mba hametahana anarana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe sekta mampidi-doza. Tsy mila ny matahotra anefa isika, satria hoy ny Isaia 54:17: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.”
ANDRO FAHAROA: Zavatra Nampahafantarina tao Amin’ireo Soratra Ara-paminaniana
Taorian’ny fandinihana ny andinin-teny ara-baiboly ho an’ny andro, ireo tafavory dia nankafy ilay fitohitohizan-dahateny faharoa tamin’ilay fivoriambe,
izay nitondra ny lohateny hoe “Manome Voninahitra An’i Jehovah Ireo Mpitondra Fahazavana”. Ny lahateny voalohany dia nampiseho fa ny tanjon’ny Kristianina iray dia ny hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny fitoriana hatraiza hatraiza. Ilay lahateny nanaraka dia nanisy firesahana ny amin’ny ilana hitarihana ireo olona mihaino, ho amin’ny fandaminan’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fakantsika dimy na folo minitra, aloha na aorian’ny fianarana Baiboly tsirairay, mba hampisehoana ny fomba fiasan’ny fandaminan’Andriamanitra. Ilay lahateny fahatelo tamin’io fitohitohizan-dahateny io dia nanamafy ny ilana hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa tsara dia tsara.Ilay lahateny hoe “Tiavo Fatratra Ireo Fampahatsiahivan’i Jehovah” dia nivaofy andinin-teny voafantina tao amin’ny Salamo 119. Azo antoka fa mila fampahatsiahivana isika, satria mirona hanadino avokoa. Tena zava-dehibe mihitsy àry ny hambolentsika fitiavana ny fampahatsiahivan’i Jehovah, tahaka ny nataon’ny mpanao salamo!
Avy eo, dia nisy zavatra nisongadina manokana iray—ny lahatenin’ny batisa, izay nitondra ny lohateny hoe “Mitarika ho Amin’ny Batisa ny Fitandremana ny Teny Ara-paminaniana”. Ireo mpilatsaka hatao batisa dia nampahatsiahivina fa manahaka an’i Kristy izy ireo, tsy amin’ny fanekena hatao batisa fotsiny, fa amin’ny fanarahana akaiky ny diany koa. (1 Petera 2:21). Tena tombontsoan’ireo vaovao ireo mihitsy ny mandray anjara amin’ny fahatanterahan’ny Jaona 10:16, nilazan’i Jesosy mialoha fa hanangona “ondry hafa”, mba hanompo eo anilan’ny mpianany voahosotry ny fanahy, izy!
Teo am-piandohan’ny fandaharana ny tolakandro, ilay lahateny hoe “Henoy Izay Lazain’ny Fanahy” dia nanazava fa ny fanahin’i Jehovah dia miteny amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly, sy ny “mpanompo mahatoky sy malina”, ary ny feon’ny fieritreretantsika izay nampiofanin’ny Baiboly. (Matio 24:45, NW ). Noho izany, dia tsy mila mahare feo iray avy any an-danitra ny Kristianina, mba hahafantarana ny fomba hampifaliana an’Andriamanitra. Ilay dinidinika nanaraka hoe “Arovy Mafy ny Fampianarana Izay Mifanaraka Amin’ny Fifikirana Amin’Andriamanitra”, dia nampirisika ny Kristianina tsy hitodika any amin’ireo hevitra mahaketraka aelin’ity tontolo ity. Eny tokoa, ny fahalianana tsy voafehy ta hahafanta-javatra dia mety hahatonga antsika hiantefan’ny fanazavana manimba avy amin’ny mpivadi-pinoana sy ny solontena hafan’i Satana. Tsara lavitra ny mamaky tsy tapaka ny Baiboly ary koa ny lahatsoratra rehetra ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!
Nitondra ny lohateny hoe “Aza Mitsahatra Mitana ny Modelin’ny Teny Mahasalama” ny lahateny nanaraka, izay nanamafy ny maha zava-dehibe ny ahafantarana tsara ny “modely”, na rafitry ny fahamarinana, ao amin’ny Soratra Masina. (2 Timoty 1:13, NW ). Ny fahatakarana an’io modely io dia tsy vitan’ny hoe fanalahidin’ny fifikirana amin’Andriamanitra fotsiny, fa fanalahidin’ny famantarana izay tsy mifanaraka amin’ny fahamarinana koa.
Alao sary an-tsaina ny hoe heverin’i Jehovah ho faniry ny tenanao. Voninahitra re izany! Niorina tamin’ny faminanian’i Hagay ilay lahateny hoe “Mameno ny Tranon’i Jehovah Ireo ‘Zavatra Faniry’ ”, ary tena nampahery indrindra, satria nanome toky ny mpihaino fa tena faniry ho an’i Jehovah ny tsirairay amin’ny “olona betsaka”. (Apokalypsy 7:9). Noho izany, i Jehovah dia hitsimbina azy ireo amin’ny ‘fanozongozonana’ farany hataony amin’ireo firenena, mandritra ilay “fahoriana lehibe” ho avy. (Hagay 2:7, 21, 22, NW; Matio 24:21). Mandra-pahatongan’izany anefa, dia tsy maintsy manohy miambina ara-panahy ny vahoakan’i Jehovah, araka ny nohazavaina tao amin’ilay lahateny hoe “Mampitandrina Antsika mba Hiambina Ireo Soratra Ara-paminaniana”. Ilay mpandahateny dia nanonona ny tenin’i Jesosy hoe: “Noho izany, dia aza mitsahatra ny miambina satria tsy fantatrareo izay andro hahatongavan’ny Tomponareo.” (Matio 24:42, NW ). Ahoana no ahafahantsika mihazona ny fiambenantsika ara-panahy? Amin’ny fananana zavatra be dia be atao mandrakariva eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, sy amin’ny fivavahana hatrany, ary amin’ny fiandrasana ny andro lehiben’i Jehovah hatrany.
Ny lahateny farany tamin’ilay andro dia nitondra ny lohateny hoe “Ny Teny Ara-paminaniana Amin’ny Fotoan’ny Farany”. Hotsaroana mandritra ireo taona maro ho avy izy io. Nahoana? Satria ilay mpandahateny dia nanambara ny fivoahan’ny boky vaovao iray—Diniho ny Faminanian’i Daniela! “Ity boky voaravaka sary tsara tarehy ary misy pejy 320 ity dia manazava ny tapany rehetra ao amin’ny bokin’i Daniela”, hoy ilay mpandahateny. Izany ka porofo manatanjaka ny finoana, ny amin’ny andefasan’i Jehovah fahazavana momba ny Teniny ara-paminaniana!
ANDRO FAHATELO: Tsy Misy Tsy To ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra
Ny andro faran’ilay fivoriambe dia nanomboka tamin’ilay fitohitohizan-dahateny hoe “Teny Ara-paminaniana ho Amin’ny Fotoana Voatondro”. Ireo
lahateny telo dia nandinihana ireo fanambarana telo nataon’i Habakoka mpaminany, momba ny didim-pitsaran’i Jehovah. Ny voalohany dia ho an’i Joda naniasia, ary ny faharoa dia ho an’i Babylona mpampahory. Ny farany, izay mbola tsy tanteraka, dia mihatra amin’ny fandringanana ny ratsy fanahy rehetra mihamanatona. Rehefa niresaka momba an’i Haramagedona ilay rahalahy namarana ilay fitohitohizan-dahateny, dia nandrisika indray ny mpihaino azy mba hanana tahotra an’Andriamanitra mahasoa, rehefa nilaza izy hoe: “Tena hahatahotra marina ny ho fanamparan’i Jehovah ny heriny lehibe.”“Fankasitrahana ny Lovantsika Ara-panahy” no lohatenin’ilay fampisehoana tantara ara-baiboly nampihetsi-po, tany amin’ny fivoriambe. Io fampisehoana nahatonga handini-tena io, dia nampifanohitra ny fihetsik’i Jakoba sy i Esao nanoloana ny zavatra ara-panahy. Nanamavo ny lovany ara-panahy i Esao, ka nomena an’i Jakoba, izay nankamamy azy, izy io. “Inona no [lova ara-panahy] nomen’i Jehovah antsika?”, hoy ny nanontaniana an’ireo mpamonjy fivoriambe. “Ny fahamarinana ao amin’ny Teniny, ny Baiboly; sy ny fanantenana fiainana mandrakizay; ary ny voninahitra hisolo tena mba hanambara ny vaovao tsara”, hoy ilay mpandahateny.
Ny lahateny nanaraka dia nitondra ny lohateny hoe “Midika ho Inona Aminao ny Lovantsika Sarobidy?” Mampiseho ilay fihetsika tsara manoloana ny lovantsika ara-panahy isika, raha mametraka ny fanompoana an’i Jehovah sy ny tombontsoa ara-panahy ho alohan’ny tombontsoan’ny tenantsika na ny tombontsoa ara-nofo. Amin’izany fomba izany, dia manorina ny fiainantsika manodidina ny fifandraisantsika amin’i Jehovah isika, ka mifanohitra tanteraka amin’i Adama sy i Esao ary ireo Isiraelita tsy nahatoky.
Ilay lahateny ampahibemaso hoe “Havaozina ny Zava-drehetra—Araka ny Nambara Mialoha”, dia nampiray faminaniana fototra efatra momba ny “lanitra vaovao” sy ny “tany vaovao”. (Isaia 65:17-25; 66:22-24; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1, 3-5). Mazava fa nieritreritra fahatanterahany lehibe kokoa ny amin’ireny faminaniana ireny i Jehovah, fa tsy teo amin’ny vahoakany tafaverina tany amin’ny taniny tamin’ny 537 al.f.i fotsiny. Eny, ny tao an-tsainy dia ny fitondram-panjakany (ilay “lanitra vaovao”) sy ny olom-peheziny eto an-tany (ilay “tany vaovao”), izay hipetraka eo amin’ny paradisa iray be voninahitra haneran-tany.
Namarana ilay fivoriambe ny lahateny nampientana sy nanosika hanao zavatra hoe “Ireo Zavatra Antenaintsika Noho Isika Tarihin’ny Tenin’Andriamanitra”. Nampahatsiahy ny rehetra izy io fa “mihafohy ny fotoana sisa tavela” mba hamitana ilay asa fitoriana ilay Fanjakana. (1 Korintiana 7:29, NW ). Eny, efa tena eo an-tokonan’ny fampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’i Satana sy ny fandehan-javany ratsy manontolo isika. Enga anie ny fihetseham-pontsika ho tahaka ny an’ny mpanao salamo izay nihira hoe: “Ny fanahintsika miandry an’i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.” (Salamo 33:20). Fahatsinjovana be voninahitra mihitsy no miandry an’ireo izay manorina ny fanantenany amin’ny teny ara-paminanian’Andriamanitra!
[Sary, pejy 7]
Nampitombo fankasitrahana ny lova ara-panahin’ny mpanompon’i Jehovah, ny fampisehoana tantara nampientam-po iray
[Sary, pejy 7]
Nisy maro izay nanaraka ny teny ara-paminanian’Andriamanitra, natao batisa