“Aza Mitsahatra ny Miambina”
“Aza Mitsahatra ny Miambina”
“Noho izany, dia aza mitsahatra ny miambina satria tsy fantatrareo izay andro hahatongavan’ny Tomponareo.”—MATIO 24:42, NW.
1. Manao ahoana ny fihetseham-pon’ireo nanompo an’i Jehovah efa hatramin’ny ela, mahakasika ireo taona maro nanompoany tamim-pahafoizan-tena? Manomeza ohatra.
MARO amin’ireo nanompo an’i Jehovah efa hatramin’ny ela no nianatra ny fahamarinana fony izy mbola tovolahy sy tovovavy. Sahala amin’ilay mpandranto izay nahita vatosoa sarobidy, ka nivarotra ny fananany rehetra mba hividianana azy io, dia nanda tena ireo mpianatra ny Baiboly feno fahadodonana ireo, ka nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah. (Matio 13:45, 46; Marka 8:34). Manao ahoana ny fihetseham-pon’izy ireo rehefa tsy maintsy niandry ela kokoa tsy araka izay mety ho nampoiziny izy ireo mba hahitana ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany? Tsy manenina izy ireo! Miombon-kevitra amin’ny Rahalahy A. H. Macmillan izy ireo. Rehefa avy nanompo an’Andriamanitra tamim-pahafoizan-tena nandritra ny efa ho 60 taona io rahalahy io, dia nilaza hoe: “Tapa-kevitra kokoa noho ny hatramin’izay aho ny hihazona hatrany ny finoako. Nahatonga ny fiainako ho mendrika ny hiainana izany, ary mbola manampy ahy hatrany hiatrika ny hoavy tsy amin-tahotra.”
2. a) Inona no torohevitra tonga tamin’ny fotoana nilana azy, nomen’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy? b) Fanontaniana inona avy no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?
2 Ahoana ny aminao? Na firy taona ianao na firy taona, dia diniho ity tenin’i Jesosy ity: “Noho izany, dia aza mitsahatra ny miambina satria tsy fantatrareo izay andro hahatongavan’ny Tomponareo”. (Matio 24:42, NW ). Mirakitra fahamarinana lalina io teny tsotra io. Tsy fantatsika hoe rahoviana ny andro hahatongavan’ny Tompo hampihatra didim-pitsarana amin’ity fandehan-javatra ratsy ity, ary tsy ilaintsika rahateo ny hahalalana izany. Ilaina anefa ny hiainantsika amin’ny fomba izay tsy hitondra nenina ho antsika, rehefa tena ho tonga tokoa izy. Amin’io lafiny io, inona avy no ohatra hitantsika ao amin’ny Baiboly izay hanampy antsika tsy hitsahatra ny hiambina? Ahoana no nanazavan’i Jesosy tamin’ny alalan’ny ohatra ny hilana hiambenana hatrany? Ary porofo inona no ananantsika amin’izao andro izao, ka ahafahana milaza fa miaina ao amin’ny andro faran’ity tontolo tsy tia an’Andriamanitra ity isika?
Ohatra fampitandremana
3. Amin’ny ahoana no mitovy amin’ny olona tamin’ny andron’i Noa ny olona maro amin’izao andro izao?
3 Amin’ny lafiny maro, dia mitovy amin’ireo lehilahy sy vehivavy izay niaina tamin’ny andron’i Noa ny olona amin’izao andro izao. Tamin’izany fotoana izany, dia feno herisetra ny tany, ary ny fironan’ny fon’ny olona dia “ratsy ihany mandritra ny andro”. (Genesisy 6:5). Revo tamin’ny raharaha andavanandro teo amin’ny fiainana ny ankamaroany. Talohan’ny nandefasan’i Jehovah ilay Safo-drano lehibe anefa, dia nomeny fahafahana hibebaka ny olona. Naniraka an’i Noa hitory izy, ary nankato i Noa, ka tonga “mpitory ny fahamarinana”, angamba nandritra ny 40 na 50 taona, na maherin’izany aza. (2 Petera 2:5). Tsy niraharaha ny hafatra fampitandremana nambaran’i Noa anefa ny olona. Tsy niambina izy ireo. Tamin’ny farany àry, dia i Noa sy ny fianakaviany ihany no tafita velona tamin’ilay fampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany.—Matio 24:37-39.
4. Amin’ny heviny ahoana no azo antsoina hoe fahombiazana ny fanompoan’i Noa, ary amin’ny ahoana izany no azo lazaina koa amin’ny asa fitorianao?
4 Nahomby ve ny fanompoan’i Noa? Aza tombanana amin’ny fahavitsian’ny olona nandray tsara, ny fahombiazan’ny fanompoany. Raha ny marina mantsy, dia nahatontosa ny zava-kendreny ny fitorian’i Noa, na nanao ahoana na nanao ahoana ny fandraisan’ny olona. Nahoana? Satria ny fitoriany dia nanome ho an’ny olona fahafahana ampy tsara hifidy ny hanompo an’i Jehovah na tsia. Ahoana ny amin’ny faritany itorianao? Mahita fahombiazana lehibe ianao, na dia tsy misy olona firy mandray tsara aza. Nahoana? Satria, rehefa mitory ianao, dia efa mampanakoako ny fampitandreman’Andriamanitra, ka amin’izany fomba izany, dia mahatontosa ilay asa nanirahan’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy.—Matio 24:14; 28:19, 20.
Tsy firaharahana ireo mpaminanin’Andriamanitra
5. a) Toe-piainana nanao ahoana no nanjaka tao Joda tamin’ny andron’i Habakoka, ary nanao ahoana ny fandraisan’ny olona ilay hafatra ara-paminaniana nambarany? b) Ahoana no nanehoan’ny mponin’i Joda fankahalana an’ireo mpaminanin’i Jehovah?
5 Taonjato maro taorian’ny Safo-drano, dia niatrika toe-javatra sarotra ny fanjakan’i Joda. Niely patrana ny fanompoan-tsampy, ny tsy rariny, ny fampahoriana, ary na dia ny vonoan’olona aza. Nentanin’i Jehovah i Habakoka mba hampitandrina ny olona fa raha tsy mibebaka izy ireo, dia hisy loza hamely azy ireo avy amin’ny Kaldeanina, na Babylonianina. (Habakoka 1:5-7). Nanampin-tsofina anefa ny olona. Izao angamba ny fanjohian-kevitr’izy ireo: ‘Efa 100 taona mahery izay i Isaia mpaminany no nampanakoako fampitandremana mitovy amin’izany, nefa mbola tsy nisy na inona na inona nitranga hatramin’izao!’ (Isaia 39:6, 7). Maro tamin’ireo nitana fahefana tao Joda no tsy vitan’ny hoe tsy niraika tamin’ilay hafatra, fa nankahala koa an’ireo mpitondra hafatra. Indray mandeha, dia nitady hamono an’i Jeremia mpaminany izy ireo, ary efa saiky vitany izany raha tsy nisalovana i Ahikama. Tezitra tamin’ny hafatra ara-paminaniana hafa iray i Joiakima Mpanjaka, ka nampamono an’i Oria mpaminany.—Jeremia 26:21-24.
6. Ahoana no nankaherezan’i Jehovah an’i Habakoka?
6 Feno fahasahiana toy izany koa ny hafatr’i Habakoka, ary tsy tiam-bahoaka tsy nisy hafa tamin’ny an’i Jeremia, izay nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra mba hilaza mialoha ny amin’ny hahalao an’i Joda mandritra ny 70 taona. (Jeremia 25:8-11). Takatsika, noho izany, ny fahorian’i Habakoka, rehefa niantsoantso toy izao izy: “Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ny efa nitarainako, nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! nefa tsy vonjenao ihany.” (Habakoka 1:2). Namaly an’i Habakoka tamin-katsaram-panahy tamin’ireto teny manatanjaka finoana ireto i Jehovah: “Ny fahitana dia mbola ho amin’ny [fotoana voatondro, NW ], ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitare dretra aza izy, [aza mitsahatra ny miandry azy, fa tsy maintsy ho avy izy. Tsy ho diso aoriana izy, NW ]. (Habakoka 2:3). Manana “fotoana voatondro” hamaranana ny tsy rariny sy ny fampahoriana àry i Jehovah. Raha toa ka toa ela loatra ilay izy, dia tsy tokony ho kivy i Habakoka, na hampiadana ny asany. Tokony ‘tsy hitsahatra ny hiandry’ kosa izy, ka hahatsapa ny fahadodonan’ny fotoana, ao anatin’ny andro tsirairay iainany. Tsy ho diso aoriana ny andron’i Jehovah!
7. Nahoana no voamarika indray ho amin’ny fandringanana i Jerosalema, tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?
7 Tokony ho 20 taona taorian’ny nitenenan’i Jehovah tamin’i Habakoka, dia rava i Jerosalema, ilay renivohitr’i Joda. Naorina indray izy io tatỳ aoriana, ary maro tamin’ireo zava-dratsy nampahory mafy an’i Habakoka no voahitsy. Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. anefa, dia voamarika indray ho amin’ny fandringanana ilay tanàna, noho ny tsy fahatokian’ny mponina tao aminy. Tamim-pamindram-po, dia nanao fandaharana mba hahatafita velona an’ireo nahitsy fo i Jehovah. Tamin’io indray mandeha io, dia i Jesosy Kristy mihitsy no mpaminany nampiasainy hampita ilay hafatra. Tamin’ny 33 am.f.i., dia nilaza toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra”.—Lioka 21:20, 21.
8. a) Inona no nety ho nitranga tamin’ny Kristianina sasany, arakaraka ny fandehan’ny fotoana taorian’ny nahafatesan’i Jesosy? b) Ahoana no nahatanterahan’ireo teny ara-paminanian’i Jesosy momba an’i Jerosalema?
8 Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nety ho nanontany tena ny Kristianina sasany tao Jerosalema hoe rahoviana marina no ho tanteraka ilay faminanian’i Jesosy. Hevero tokoa ange ireo sorona izay tsy isalasalana fa nataon’ny sasany tamin’izy ireo e! Angamba nanda asa nanintona natolotra azy izy ireo, noho ny fahatapahan-keviny tsy hitsahatra ny hiambina. Nihareraka ve izy ireo arakaraka ny fandehan’ny fotoana? Nanatsoaka hevitra ve izy ireo hoe lanilany fotsiny ny fotoanany, satria, araka ny fanjohian-keviny, dia hihatra amin’ny taranaka ho avy ilay tenin’i Jesosy, fa tsy tamin’ny taranaka nisy azy ireo? Tamin’ny 66 am.f.i., dia nanomboka tanteraka ilay faminanian’i Jesosy rehefa nanodidina an’i Jerosalema ny tafika romanina. Ireo tsy nitsahatra ny niambina dia nahafantatra ilay famantarana, ka nandositra an’ilay tanàna, ary dia voatsimbina rehefa noravana i Jerosalema.
Fanoharana ny amin’ny ilana hiambenana
9, 10. a) Ahoana no hamintinanao ilay fanoharan’i Jesosy momba ireo mpanompo izay niandry ny fiverenan’ny tompony avy any amin’ny fampakaram-badiny? b) Nahoana no nety ho sarotra tamin’ireo mpanompo ny niandry ny tompony? d) Nahoana no nahasoa an’ireo mpanompo ny nanam-paharetana?
9 Rehefa nanantitrantitra ny amin’ny ilana hiambenana i Jesosy, dia nampitaha ny mpianany tamin’ny mpanompo izay niandry ny hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fampakaram-badiny. Fantatr’izy ireo fa hiverina izy indray alina, nefa amin’ny firy? Mandritra ny fiambenana voalohany amin’ny alina ve? Amin’ny faharoa ve, sa amin’ny fahatelo? Tsy fantany. Hoy i Jesosy: “Na avy amin’ny fiambenana faharoa amin’ny alina [ilay tompo], na avy amin’ny fiambenana fahatelo, ka mahita [azy ireo miambina] toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.” (Lioka 12:35-38). Alao sary an-tsaina fotsiny ny fahadodonan’ireo mpanompo ireo. Izay feon-javatra rehetra reny, izay aloka niserana rehetra, dia azo antoka fa nampitombo fanantenana azy ireo hoe: ‘Sao ny tompontsika àry izay?’
10 Ahoana raha toa ilay tompo ka tonga mandritra ny fiambenana faharoa, izay nanomboka tamin’ny sivy ora alina ka hatramin’ny misasakalina? Moa ve ny mpanompo rehetra, anisan’izany ireo niasa efa hatramin’ny vao maraina be, ho vonona hitsena azy, sa kosa hisy ho sondrian-tory? Ahoana raha toa ilay tompo ka miverina mandritra ny fiambenana fahatelo amin’ny alina, izay nanomboka tamin’ny misasakalina ka hatramin’ny telo maraina teo ho eo? Hanjary ho kivy, na ho sosotra mihitsy aza, ve ny mpanompo sasany, satria toa ela loatra ilay tompon’izy ireo? * Ireo hita ho niambina tamin’ny fotoana nahatongavan’ilay tompo ihany no hatao hoe sambatra. Hihatra marimarina amin’izy ireo ireto teny ao amin’ny Ohabolana 13:12 ireto: “Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; fa hazon’aina ny faniriana tanteraka.”
11. Ahoana no ahafahan’ny vavaka manampy antsika tsy hitsahatra ny hiambina?
Matio 26:41, NW ). Taona maro tatỳ aoriana, dia nanome torohevitra mitovy amin’izany ho an’ireo Kristianina tahaka azy i Petera, izay teo tamin’io fotoana io. Izao no nosoratany: “Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin’ny fivavahana.” (1 Petera 4:7). Mazava fa tokony ho anisan’ny fahazarantsika Kristianina ny mivavaka amin-kafanam-po. Eny tokoa, mila mitalaho amin’i Jehovah mandrakariva isika mba hanampiany antsika tsy hitsahatra ny hiambina.—Romana 12:12; 1 Tesaloniana 5:17.
11 Inona no hanampy an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy mba tsy hitsahatra ny hiambina, mandritra ilay fotoana toa ela loatra? Rehefa tao amin’ny zaridainan’i Getsemane i Jesosy, taloha kelin’ny nisamborana azy, dia hoy izy tamin’ny telo tamin’ireo apostoliny: “Aza mitsahatra ny miambina, ary mivavaha mandrakariva, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.” (12. Inona no maha samy hafa ny fanombantombanana sy ny fiambenana?
12 Mariho fa nilaza toy izao koa i Petera: “Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra”. Efa aiza ho aiza ny fahantomorany? Tsy misy fomba hamaritan’ny olombelona ny andro sy ny ora marina. (Matio 24:36). Samy hafa anefa ny hoe revo manao fanombantombanana, izay tsy ampirisihan’ny Baiboly, sy ny hoe tsy mitsahatra ny miandry ny farany, izay tena ampirisihan’ny Baiboly. (Ampitahao amin’ny 2 Timoty 4:3, 4; Titosy 3:9.) Inona no fomba iray ahafahantsika tsy mitsahatra ny miandry ny farany? Amin’ny fandinihana akaiky ny porofo fa antomotra ny farany. Andeha àry isika hamerina handinika porofo enina, izay ahafahana milaza fa miaina amin’ny andro faran’ity tontolo tsy tia an’Andriamanitra ity isika.
Porofo mampiaiky enina
13. Amin’ny ahoana ilay faminanian’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty toko faha-3 no mampiaiky anao fa miaina amin’ny andro ‘farany’ isika izao?
13 Voalohany, dia hitantsika mazava ny fahatanterahan’ilay faminanian’ny apostoly Paoly momba ny andro ‘farany’. Izao no nosoratan’i Paoly: “Any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro. Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.” (2 Timoty 3:1-5, 13). Tsy hitantsika tanteraka amin’izao androntsika izao ve io faminaniana io? Ireo manakimpy ny masony eo anoloan’ny zava-misy ihany no ho sahy handa izany! *
14. Amin’ny ahoana no tanteraka amin’izao andro izao ireo teny ao amin’ny Apokalypsy 12:9, mahakasika ny Devoly, ary inona no hitranga aminy tsy ho ela?
14 Faharoa, dia hitantsika ny vokatry ny nandroahana an’i Satana sy ireo demoniany avy any an-danitra, ho fahatanterahan’ny Apokalypsy 12:9. Izao no vakintsika ao: “Nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.” Niteraka loza lehibe ho an’ny tany izany. Marina tokoa fa nisy loza be dia be nahazo ny olombelona, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1914. Manampy teny anefa ilay faminaniana ao amin’ny Apokalypsy fa rehefa azera etỳ an-tany ny Devoly, dia fantany fa “kely sisa ny androny”. (Apokalypsy 12:12). Mandritra io fe-potoana io, i Satana dia miady amin’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Kristy. (Apokalypsy 12:17). Azo antoka fa hitantsika amin’izao androntsika izao ny vokatry ny fanafihany. * Tsy ho ela anefa i Satana dia hogadraina ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, mba “tsy hamitahany ny firenena maro intsony”.—Apokalypsy 20:1-3.
15. Amin’ny ahoana ny Apokalypsy 17:9-11 no manaporofo fa miaina amin’ny fotoan’ny farany isika izao?
15 Fahatelo, dia miaina amin’ny fotoan’ilay “mpanjaka” fahavalo farany voalaza ao amin’ilay faminaniana ao amin’ny Apokalypsy 17:9-11 isika izao. Ao ny apostoly Jaona dia manonona mpanjaka fito, izay sary mampiseho firenena matanjaka fito, dia Ejipta, Asyria, Babylona, Media-Persia, Gresy, Roma, ary ilay firenena matanjaka roa sosona Anglisy-Amerikanina. Nahita ‘mpanjaka fahavalo izay mipoitra avy amin’ireo fito’ (NW ) koa izy. Ankehitriny, dia sary mampiseho ny Firenena Mikambana io mpanjaka fahavalo io—ilay mpanjaka farany hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana. Nilaza i Jaona fa “lasa ho amin’ny fandringanana” io mpanjaka fahavalo io, ka aorian’izay dia tsy misy mpanjaka hafa voatonona intsony. *
16. Amin’ny ahoana ireo zava-misy ho fahatanterahan’ilay sary hitan’i Nebokadnezara tamin’ny nofy no manondro fa miaina amin’ny andro farany isika izao?
16 Fahefatra, dia miaina ao amin’ilay vanim-potoana aseho an’ohatra amin’ny tongotr’ilay sary hitan’i Nebokadnezara tamin’ny nofy isika izao. I Daniela mpaminany dia nilaza ny hevitr’io nofy mifono mistery io, dia ilay sary goavana miendrika olona. (Daniela 2:36-43). Ireo tapany efatra amin’ilay sary, izay vita amin’ny metaly, dia mampiseho an’ohatra firenena matanjaka samihafa, manomboka amin’ny lohany (ny Empira Babylonianina) ary mitohy hatramin’ny tongony sy ny rantsantongony (ireo fitondram-panjakana manapaka ankehitriny). Efa niseho avokoa ireo firenena matanjaka aseho an’ohatra amin’io sary io. Miaina ao amin’ilay vanim-potoana aseho an’ohatra amin’ny tongotr’ilay sary isika izao. Tsy misy resaka ny amin’ny fanjakana hafa ho avy, eo. *
17. Amin’ny ahoana ny asa fitoriantsika ilay Fanjakana no manome porofo fanampiny fa miaina amin’ny fotoan’ny farany isika izao?
17 Fahadimy, dia hitantsika ny anatontosana ny asa fitoriana iray maneran-tany, izay nolazain’i Jesosy fa hitranga aloha kelin’ny faran’ity fandehan-javatra ity. Hoy i Jesosy: “Ary hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, NW ). Eo am-pahatanterahana amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany io faminaniana io ankehitriny. Marina aloha fa mbola misy faritany mbola tsy voakasika, ary angamba amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, dia hisy varavarana lehibe hisokatra ho amin’ny asa lehibe kokoa. (1 Korintiana 16:9). Na izany aza, dia tsy milaza ny Baiboly hoe hiandry mandra-pitory amin’ny olona tsirairay eto an-tany i Jehovah. Tsy maintsy voatory, araka izay mahafa-po an’i Jehovah, kosa ny vaovao tsara, ary avy eo dia ho tonga ny farany.—Ampitahao amin’ny Matio 10:23.
18. Miharihary fa hanao ahoana ny voahosotra sasany rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe, ary ahoana no ahafantarana izany?
18 Fahenina, dia tsy mitsaha-mihena ny isan’ireo tena voahosotra, mpianatr’i Kristy, kanefa miharihary fa mbola ho eto an-tany ny sasany aminy rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe. Efa tena zokiolona ny ankamaroan’ny sisa, ary mihena hatrany ny isan’ireo tena voahosotra, tao anatin’ireo taona maro lasa. Nilaza toy izao anefa i Jesosy, rehefa niresaka ny amin’ny fahoriana lehibe: “Raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.” (Matio 24:21, 22). Miharihary àry fa mbola ho eto an-tany ny sasany amin’ireo ‘olom-boafidin’i’ Kristy rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe. *
Inona no miandry antsika?
19, 20. Nahoana no ilaina maika kokoa noho ny hatramin’izay, ankehitriny, ny hifohazantsika hatrany ka tsy hitsaharantsika hiambina?
19 Inona no tahirizin’ny hoavy ho antsika? Mbola hisy fotoana hampientam-po ho avy. Nampitandrina i Paoly fa “ho avy toy ny mpangalatra 1 Tesaloniana 5:2, 3, 6). Minia tsy mijery ny tena zava-misy tokoa ireo mitodika any amin’ireo zavatra naorin’olombelona mba hitondra fiadanana sy filaminana. Renoky ny torimaso ny olona toy izany!
amin’ny alina ny andron’ny Tompo”. Hoy i Paoly raha niresaka momba ireo lehilahy izay niseho ho hendry araka an’izao tontolo izao: “Amin’izay fotoana hilazan’izy ireo hoe: ‘Fiadanana sy filaminana!’, dia tsy maintsy ho tonga aminy avy hatrany ny fandringanana tampoka” (NW ). Noho izany, dia nampirisika toy izao an’ireo mpamaky ny taratasiny i Paoly: “Aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.” (20 Ho avy tampoka amin’ny fomba manaitra ny fandringanana an’ity fandehan-javatra ity. Aza mitsahatra ny miandry ny andron’i Jehovah àry. Andriamanitra mihitsy no nilaza toy izao tamin’i Habakoka: “Tsy ho diso aoriana izy”! Eny tokoa, ilaina maika mbola tsy nisy toy izany ny tsy hitsaharantsika hiambina.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 10 Tsy nanao fotoana tamin’ireo mpanompony ilay tompo. Noho izany, dia tsy voatery hanazava an’izay rehetra nataony ilay tompo, ary tsy voatery hilaza koa hoe nahoana no toa ela loatra izy.
^ feh. 13 Mba hahitana fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba an’io faminaniana io, dia jereo ny toko faha-11 amin’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
^ feh. 14 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny pejy faha-180-186 amin’ilay boky hoe Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
^ feh. 15 Jereo ny Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, pejy faha-251-254.
^ feh. 16 Jereo ny toko faha-4 amin’ilay boky hoe Diniho ny Faminanian’i Daniela!, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of New York, Inc.
^ feh. 18 Ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy, ny Zanak’olona dia ho tonga amin’ny voninahiny, ao anatin’ny fahoriana lehibe, ka hipetraka mba hitsara. Ny fitsarany ny olona, dia mifototra amin’ny hoe nanohana an’ireo voahosotra rahalahin’i Kristy ve izy ireo sa tsia. Tsy hisy heviny izany fototra hitsarana ny olona izany raha toa, amin’ny fotoana hanaovana ilay fitsarana, ka efa nandao ny tany hatramin’ny ela ireo rahalahin’i Kristy.—Matio 25:31-46.
Tadidinao Ve?
• Ohatra inona avy, ao amin’ny Soratra Masina, no afaka manampy antsika tsy hitsahatra ny hiambina?
• Ahoana no nanazavan’i Jesosy tamin’ ny alalan’ny ohatra ny amin’ny ilana hiambenana?
• Porofo enina inona avy no manondro fa miaina amin’ny andro farany isika izao?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 9]
Nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny efa ho 60 taona i A. H. Macmillan
[Sary, pejy 10]
Nampitahain’i Jesosy tamin’ny mpanompo izay tsy mitsahatra miambina ireo mpianany