NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Mey 2016

Ho hitanao ao ny lahatsoratra hianarana manomboka ny herinandron’ny 27 Jona ka hatramin’ny 31 Jolay 2016.

Miezaha Haneho Fitiavana Rehefa Mandamina Tsy Fifankahazoana

Inona no tokony ho tanjonao rehefa mandamina olana? Ny hahatonga an’ilay olona hiaiky hoe diso izy, sa zavatra hafa?

‘Mandehana, Ataovy Mpianatra ny Olona any Amin’ny Firenena Rehetra’

Iza no manatanteraka an’ilay faminanian’i Jesosy? Hanampy anao hahita ny valin’izany ireo fanontaniana efatra valiana ao.

Te Hahay Hanapa-kevitra ve Ianao?

Inona no tokony hataonao raha tsy misy lalàna mazava momba ny zavatra tianao hatao ao amin’ny Baiboly?

Mbola Avelanao Hanova Anao ve ny Baiboly?

Niloka, nifoka, niboboka toaka, ary nidoroka zava-mahadomelina ny Vavolombelona iray taloha. Niova izy ka natao batisa. Mbola nisy fiovana mafy be taminy anefa.

Mandray Soa Amin’ny Sakafo Ara-panahy Rehetra Omen’i Jehovah ve Ianao?

Inona no mety hoeritreretintsika, ka hahatonga antsika tsy handray soa avy amin’ny sakafo ara-panahy sasany?

FANTARO NY TANTARANTSIKA

“Iza no Nanankinana An’ilay Asa?”

Nisy fivoriambe niavaka tamin’ny 1919. Nisy vokany eran-tany ny fizarana an’ilay gazety navoaka tamin’io fotoana io.

Fanontanian’ny Mpamaky

Ahoana no hahalalana raha mety na tsia ny manome falimpo ho an’ny mpiasam-panjakana? Ahoana no azon’ny fiangonana ampisehoana ny fifaliany rehefa misy olona voaray indray? Inona no mety ho ‘nampihetsika’ ny rano tao amin’ny dobon’i Betesda?