Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aza Matahotra fa Hanampy Anao Aho”

“Aza Matahotra fa Hanampy Anao Aho”

ERITRERETO hoe eny an-dalana ianao, ary efa alina be ny andro. Tampotampoka eo dia tsapanao fa hoatran’ny misy manaraka ianao. Mijanona kely ianao, dia mijanona koa izy. Mandeha haingana indray ianao, dia mandeha haingana koa izy. Mihazakazaka àry ianao, dia mankany an-tranon’ny namanao eny akaiky eny. Maivamaivana erỳ ianao rehefa nampidiriny tao an-tranony.

Mbola tsy nitranga taminao angamba izany, fa zavatra hafa no mampitebiteby anao. Manana fahalemena ve ianao ary te hiova nefa hoatran’ny tsy vitanao mihitsy ny miala amin’ilay izy? Efa ela ve ianao no tsy niasa ary miezaka be mitady asa nefa tsy mety mahita? Sa ianao manahy hoe: ‘Hanao ahoana re izaho rehefa antitra e? Ahoana raha marary aho?’ Sa zavatra hafa no mampanahy anao?

Tsy ho faly ve ianao raha mba misy olona azonao izarana an’izay mampanahy anao sady afaka manampy anao? Nana-namana hoatr’izany i Abrahama. Tsy iza izany fa i Jehovah. Ary ianao? Namanao koa izy, araka ny Isaia 41:8-13. Mampanantena antsika tsirairay izy hoe: “Aza matahotra fa momba anao aho. Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana. ... Fa izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’”—Isaia 41:10, 13.

‘HIHAZONA ANAO MAFY AHO’

Tsy mampahery anao ve izany? Alao sary an-tsaina izay lazain’ilay andininy. Tsy milaza izy io hoe mandray ny tananao ankavia amin’ny tanany ankavanana i Jehovah. Manolotra ny ‘tanany ankavanana’ kosa izy, ‘dia ny tanany feno fahamarinana’, ary mandray ny “tananao ankavanana.” Toy ny hoe misintona anao izy mba ho afaka amin’izay olana mahazo anao ianao. Sady mihazona ny tananao izy no manome toky hoe: “Aza matahotra fa hanampy anao aho.”

Toy ny Ray sy Namana be fitiavana ve i Jehovah aminao? Mino ve ianao fa hanampy anao izy rehefa manana olana ianao? Mitady izay hahasoa anao izy sady tena te hanampy anao. Tena tia anao izy ka arovany mba tsy hitebiteby ianao rehefa manana olana. “Mpanampy mora azo amin’ny fotoam-pahoriana” tokoa i Jehovah.​—Sal. 46:1.

MANAMELO-TENA FOANA VE IANAO?

Misy mieritreritra be foana ny fahadisoana nataony taloha, ka misalasala raha namela azy Andriamanitra na tsia. Raha hoatr’izany ianao, dia tadidio fa na i Joba, lehilahy tsy nivadika, aza mbola nahatsiaro ny fahadisoana nataony tamin’izy tanora. (Joba 13:26) Nitalaho tamin’i Jehovah koa i Davida hoe: “Hadinoy re ny fahotan’ny fahatanorako sy ny fikomiako e!” (Sal. 25:7) Mpanota isika rehetra, “ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.”​—Rom. 3:23.

Ny Israelita no tena nanoratana ny Isaia toko faha-41. Nanota izy ireo ka navelan’i Jehovah ho babo tany Babylona mba ho voasazy. (Isaia 39:6, 7) Nampanantena anefa izy fa hanafaka an’izay mibebaka sy miverina aminy. (Isaia 41:8, 9; 49:8) Be fitiavana sy mamindra fo amin’ireo tena mibebaka sy te hahazo sitraka aminy koa i Jehovah ankehitriny.​—Sal. 51:1.

Diniho ny nanjo an’i Takuya. * Zatra nijery sary vetaveta izy taloha sady zatra nikasikasika ny filahiany. Niezaka niala tamin’izany izy nefa tsy nahavita. Hoy izy: “Tena nahatsiaro ho tsy mendrika aho. Rehefa nitalaho famelana tamin’i Jehovah anefa aho, dia lasa natoky fa hanampy an’ahy hiarina izy raha sendra lavo aho.” Ahoana no nanampian’i Jehovah azy? Nasain’ny anti-panahy niantso an-dry zareo izy isaky ny niverina tamin’ilay fahazarany. Hoy izy: “Tsy mora ny niantso an-dry zareo. Vao mainka anefa aho tapa-kevitra ny hiezaka, rehefa avy niresaka tamin-dry zareo.” Nasain’ny anti-panahy hitsidika azy koa ny mpiandraikitra ny faritra. Nilaza taminy ilay mpiandraikitra hoe: “Tsy sendrasendra fotsiny ny maha eto an’ahy. Matoa aho tonga eto dia satria nasain’ny anti-panahy nankatỳ. Izy ireo no nifidy hoe ianao no hotsidihiko.” Hoy i Takuya: “Izaho no nanota, nefa i Jehovah indray no niezaka nanampy ahy, dia nampiasa ny anti-panahy.” Afaka tamin’ilay fahazarany ihany izy tatỳ aoriana. Lasa mpisava lalana izy, ary manompo any amin’ny biraon’ny sampana izy izao. Raha sendra lavo àry ianao, dia matokia fa hanampy anao hiarina i Jehovah, toy ny nanampiany an’i Takuya.

MANAHY MOMBA NY FIVELOMANA VE IANAO?

Maro ny olona manahy satria tsy an’asa, nefa tsy mety mahita fidiram-bola hafa. Eritrereto hoe mitady asa ianao nefa tsy misy mety mandray anao izay mpampiasa resahinao. Mety hahatsiaro tena ho tsy misy ilana azy ianao amin’izay. Ahoana no hanampian’i Jehovah anao? Mety tsy ho tonga dia hanome anao asa tsara be izy, fa hampahatsiahy anao ny tenin’i Davida Mpanjaka hoe: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka, na nahita ny zanany nangataka hanina.” (Sal. 37:25) Sarobidy amin’i Jehovah ianao, ka hanohana anao amin’ny ‘tanany ankavanany izy, dia ny tanany feno fahamarinana.’ Hahazo izay ilainao ianao amin’izay ka ho afaka hanompo azy foana.

Inona no mety hataon’i Jehovah mba hanampiana anao raha tsy an’asa ianao?

Mipetraka any Kolombia i Sara. Tsapany fa tena afaka manampy i Jehovah. Niasa tamin’ny orinasa malaza izy, ary tsara karama nefa tsy maintsy niasa be. Te hanompo bebe kokoa izy, ka niala tamin’ny asany ary nanao mpisava lalana. Sarotra anefa ny nahita asa tapa-potoana. Nanangana toerana kely fivarotana gilasy àry i Sara. Lany anefa ny volany ka tsy maintsy najanony ilay izy. Hoy izy: “Teny foana aho telo taona. Soa ihany fa teo i Jehovah dia nahavita niaritra aho.” Tsy maintsy nianarany hoe ilaina ve ny zavatra iray sa haitraitra fotsiny. Niezaka tsy hanahy be momba ny ampitso koa izy. (Mat. 6:33, 34) Niantso azy ilay mpampiasa azy tatỳ aoriana, ary nilaza fa afaka miverina manao an’ilay asany taloha izy. Namaly anefa izy hoe asa tapa-potoana ihany no mety aminy, nefa tsy hekeny koa raha tsy afaka mivory sy manompo izy. Tsy mikarama be intsony i Sara izao, nefa mbola mpisava lalana. Nilaza izy hoe nanohana azy ny tanan’ilay Rainy be fitiavana, tao anatin’izany rehetra izany.

MANAHY VE IANAO HOE HANAO AHOANA REHEFA ANTITRA?

Maro koa no manahy hoe inona no hitranga rehefa antitra izy ka tsy ho afaka hiasa intsony. Mieritreritra izy ireny hoe: ‘Ho ampy ve ny volako dia hilamina tsara ny fiainako? Hanao ahoana ny fahasalamako?’ Nanahy hoatr’izany koa angamba i Davida. Mety ho izy no niangavy an’i Jehovah hoe: “Aza ariana aho rehefa antitra, ary aza afoy aho, rehefa lany ny heriko.”​—Sal. 71:9, 18.

Inona àry no hanampy anao tsy hanahy be loatra rehefa mihantitra? Mila miezaka foana ianao manatanjaka ny finoanao, ka hatoky fa hanome izay ilainao i Jehovah. Raha niadankadana ianao taloha nefa lasa kely ny vola miditra aminao, dia ilainao angamba ny miezaka hahay hianina sy hanatsotra fiainana. Mety ho lasa ankafizinao kokoa ny mihinana “anana” toy izay “omby mifahy.” (Ohab. 15:17) Mety hahasalama anao kokoa aza izany. Raha izay hampifaliana an’i Jehovah no ifantohanao, dia azo antoka fa hanome izay ilainao izy rehefa antitra ianao.

José sy Rose ary Tony sy Wendy

Efa 65 taona mahery, ohatra, i José sy Rose no nanompo manontolo andro. Nisy fotoana izy mivady tsy maintsy nikarakara ny dadan’i Rose, na andro na alina. Voan’ny kansera koa i José dia nodidiana, ary nanaraka fitsaboana simika mahery be. Nanolotra ny tanany ankavanana ve i Jehovah mba hanampiana an’io mpivady tsy mivadika io? Izany mihitsy! Nisy mpivady atao hoe Tony sy Wendy tao amin’ny fiangonan-dry zareo. Nanana trano izy ireo, ary tsy tiany hampanofaina ilay izy fa homena hipetrahan’ny mpisava lalana maharitra. Tsaroan’i Tony hoe tamin’izy nianatra teny amin’ny lise, dia tazany teo am-baravarankely foana i José sy Rose handeha hitory. Tena tian’i Tony izy ireo satria mazoto manompo, ary nisy vokany be taminy izany. Nasain’izy mivady nipetraka tao amin’ilay trano àry i José sy Rose, satria hitany fa nampiasain’izy ireo hanompoana an’i Jehovah ny fiainany manontolo. Efa 85 taona eo ho eo izao i José sy Rose, ary efa 15 taona i Tony sy Wendy no nanampy azy ireo. Tsapan’i José sy Rose fa i Jehovah no nanome azy roa kely.

Manolotra ny ‘tanany ankavanana’ ho anao i Jehovah, sady mampanantena hoe: “Aza matahotra fa hanampy anao aho.” Handray ny tanany àry ve ianao?

^ feh. 11 Novana ny anarana sasany.