Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

[Havia miankavanana] Marcelo sy Yomara ary Hiver. Samy mitazona boky iray anisan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny soratra braille espaniola izy telo dahy

Nahatsapa ry Zareo hoe Tiana

Nahatsapa ry Zareo hoe Tiana

MIPETRAKA ao amin’ny tanàna kely iray any Goatemalà i Yomara sy ny anadahiny roa. Marcelo sy Hiver ny anaran’izy mirahalahy. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Yomara. Lasa nianatra niaraka taminy koa ny anadahiny. Nisy olana anefa. Samy jamba izy telo, sady tsy nahay namaky soratra braille. Novakin’ilay mpampianatra Baiboly tamin’izy ireo àry ny lesona sy ny andinin-teny.

Sarotra tamin-dry zareo koa ny namonjy fivoriana. Adiny iray latsaka kely niala ny tranony ny Efitrano Fanjakana akaiky indrindra, dia tsy afaka nandeha irery nankany izy telo dahy. Nanao fandaharana àry ny fiangonana mba haka an-dry zareo isaky ny nisy fivoriana. Rehefa nanomboka nanana anjara tamin’ny fivoriana andavanandro izy telo dahy, dia nampian’ny mpiara-manompo hitadidy tsianjery ny anjarany.

Nanomboka nisy fivorian’ny fiangonana tao amin’ilay tanàna kely nisy an-dry zareo, tamin’ny Mey 2019. Efa nisy mpivady mpisava lalana koa tamin’izay nifindra tao amin’ilay tanàna. Ny hampianatra azy telo mianadahy hamaky sy hanoratra braille no tanjon’izy mivady, nefa ry zareo aza mbola tsy nahay an’ilay izy akory. Nankany amin’ny fitehirizam-boky àry izy mivady, mba hianatra momba ny soratra braille sy ny fomba hampianarana an’izany.

Marcelo manome valin-teny any am-pivoriana

Afaka volana vitsivitsy, dia efa nahay namaky soratra braille tsara izy telo mianadahy. a Lasa afaka nifandray kokoa tamin’i Jehovah àry ry zareo. Mpisava lalana maharitra izao i Yomara sy Marcelo ary Hiver. Mpikarakara fiangonana koa i Marcelo. Tena mazoto manompo izy telo dahy mandritra ny herinandro, dia lasa mafana fo hoatran-dry zareo koa ny hafa.

Mankasitraka ny fitiavana sy ny fanampian’ny fiangonana izy telo mianadahy. Izao no nolazain’i Yomara: “Vao nihaona tamin’ny Vavolombelona izahay, dia efa nasehon-dry zareo hoe tena tiany.” Hoy koa i Marcelo: “Manana namana mahafinaritra izahay ao amin’ny fiangonanay, ary anisan’ny fianakaviambe maneran-tany miray saina sy mifankatia izahay.” Efa tsy andrin’i Yomara sy ny anadahiny ny hahita ny tany ho lasa paradisa.​—Sal. 37:10, 11; Isaia 35:5.

a Misy an’ilay bokikely hoe Mianara Mamaky Soratra Braille natao hanampiana ny jamba na ny tsy mahita tsara hianatra hamaky sy hanoratra braille.