Inona no Lazain’ny Baiboly?
Inona moa ny Hara-magedona?
Misy milaza fa...
fandripahana ny olona eran-tany izy io, vokatry ny ady niokleary na ny fahasimban’ny tontolo iainana. Ahoana ny hevitrao?
Izay lazain’ny Baiboly
“Adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” ny Hara-magedona. Ady ataon’Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy izy io.—Apokalypsy 16:14, 16.
Inona koa no lazain’ny Baiboly?
Tsy natao hanapotehana ny tany akory ny Hara-magedona, fa mba hiarovana azy io tsy ho simban’ny olona. —Apokalypsy 11:18.
Hamarana ny ady rehetra ny ady Hara-magedona.—Salamo 46:8, 9.
Hisy olona ho tafavoaka velona ve amin’io ady io?
Ahoana ny hevitrao?
Eny
Tsia
Angamba
Izay lazain’ny Baiboly
Hisy “vahoaka be” avy amin’ny firenena rehetra ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe”, izay hifarana amin’ny ady Hara-magedona.—Apokalypsy 7:9, 14.
Inona koa no lazain’ny Baiboly?
Tian’Andriamanitra ho faran’izay betsaka ny olona ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona. Rehefa tsy mety miova ny ratsy fanahy vao ringaniny.—Ezekiela 18:32.
Atoron’ny Baiboly antsika izay tokony hatao raha te ho tafavoaka velona isika. —Zefania 2:3.