Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Fa Inona Fotsiny no Nataony?’

‘Fa Inona Fotsiny no Nataony?’

“LASA SAINA FOANA AHO HOE: FA INONA FOTSINY NO NATAON’ANDRIAMANITRA?”—Papa Benoît Faha-16, tamin’izy nitsidika an’ilay toby fitanana taloha, any Auschwitz, Polonina.

EFA NISY LOZA NITRANGA VE KA TAFATENY IANAO HOE: ‘FA INONA FOTSINY NO NATAON’ANDRIAMANITRA’? SA MAFY TAMINAO NY NANJO ANAO KA LASA NISALASALA IANAO RAHA TENA TIA ANAO IZY NA TSIA?

Efa nahatsapa hoatran’i Sheila angamba ianao. Mipetraka any Etazonia izy, ary mpivavaka be ny fianakaviany. Hoy izy: “Mbola kely aho dia efa te hifandray tamin’Andriamanitra, satria izy no Mpamorona. Tsy nahatsiaro ho akaiky azy mihitsy anefa aho. Hoatran’ny hoe mitazana an’ahy avy eny lavitra eny fotsiny izy. Izaho aloha tsy nino hoe nankahala an’ahy izy, nefa tsy azoko antoka koa hoe tiany aho.” Inona no nampisalasala an’i Sheila? Hoy izy: “Tratran’ny loza nisesisesy ny fianakavianay, dia hoatran’ny hoe tsy niraharaha anay mihitsy Andriamanitra.”

Nino i Sheila hoe tena misy Andriamanitra sady tena mahery. Mety ho hoatr’izany koa ianao. Mety hisalasala anefa ianao raha tena tia anao izy na tsia. Na i Joba aza nisalasala hoatr’izany, nefa izy nino hoe mahery Andriamanitra sady tena hendry. (Joba 2:3; 9:4) Tratran’ny loza nisesisesy mantsy izy, ary hoatran’ny hoe tsy nisy mangirana mihitsy ny fiainany. Hoy izy tamin’Andriamanitra: “Nahoana ianao no manafina ny tavanao, ka mihevitra ahy ho fahavalonao?”—Joba 13:24.

Inona no lazain’ny Baiboly? Andriamanitra ve no tokony homena tsiny rehefa misy loza? Inona no porofo fa samy tian’Andriamanitra daholo na ny olombelona amin’ny ankapobeny na isika tsirairay? Azon’ny olona iray fantarina ve raha mba mijery azy Andriamanitra, mahafantatra an’izay manjo azy, malahelo azy, ary vonona hanampy azy?

Mba hamaliana an’izany, dia andao isika handinika ny zavatra noforonin’Andriamanitra sy izay lazain’ny Baiboly. (Romanina 1:20) Hahafantatra tsara kokoa an’Andriamanitra ianao amin’izay, sady hatoky kokoa hoe ‘miahy anao izy.’—1 Jaona 2:3; 1 Petera 5:7.