Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mety sy ny Tsy Mety: Tari-dalana Azo Ianteherana ny Baiboly

Ny Mety sy ny Tsy Mety: Tari-dalana Azo Ianteherana ny Baiboly

Tsy azo antoka hoe hahasoa ny safidintsika momba izay mety sy tsy mety, raha miankina amin’izay tsapantsika na izay tsapan’ny olona fotsiny. Manazava ny anton’izany ny Baiboly. Manome tari-dalana azo ianteherana momba ny fitondran-tena koa anefa izy io, ary manampy antsika ho sambatra sy ho afa-po eo amin’ny fiainana ilay izy.

NY TARI-DALANA ILAINTSIKA

Hazavain’i Jehovah a Andriamanitra ao amin’ny Baiboly hoe efa noforoniny hitady ny tari-dalany ny olona, fa tsy hoe hanao izay saim-pantany fotsiny na hoe natao hitondra samirery ny fiainany. (Jeremia 10:23) Izay no mahatonga azy hanome tari-dalana momba ny fitondran-tena ao amin’ny Baiboly. Tiany ny olombelona, dia tiany raha hoe tsy manandranandrana ry zareo rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe, dia avy eo hizaka ny vokany sady hanenina. (Deoteronomia 5:29; 1 Jaona 4:8) Ankoatra izay, dia izy no Mpamorona antsika, ka manana ny fahendrena sy ny fahalalana ilaina izy mba hanomezana ny torohevitra tsara indrindra ho antsika. (Salamo 100:3; 104:24) Tsy manery ny olona hanaraka ny fitsipiny mihitsy anefa Andriamanitra.

Nomen’i Jehovah an’i Adama sy Eva, ilay lehilahy sy vehivavy voalohany, izay rehetra nilainy mba tena hahasambatra an-dry zareo. (Genesisy 1:28, 29; 2:8, 15) Nomeny toromarika tsotra koa izy mivady, ary nanantena izy hoe hankatò an’izany izy ireo. Navelany hifidy anefa ry zareo hoe hanaraka an’ilay toromarika sa tsia. (Genesisy 2:9, 16, 17) Nampalahelo fa nifidy ny hanao izay tiany i Adama sy Eva, fa tsy nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra. (Genesisy 3:6) Dia inona ny vokany? Sambatra kokoa ve izao ny olombelona satria ry zareo ihany no nifidy an’izay mety sy tsy mety? Tsia! Noporofoin’ny tantara hoe tsy maharitra ny fiadanana sy ny fahasambarantsika rehefa tsy miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra isika.​—Mpitoriteny 8:9.

Na avy aiza isika na avy aiza, ary na hoatran’ny ahoana na hoatran’ny ahoana ny fomba nitaizana antsika, dia misy tari-dalana ao amin’ny Baiboly hanampy antsika hisafidy an’izay fitondran-tena mety. (2 Timoty 3:16, 17; jereo ilay hoe “ Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra.”) Diniho hoe ahoana no anomezan’izy io tari-dalana antsika.

Nahoana no mety tsara ny iantsoana ny Baiboly hoe “tenin’Andriamanitra”?​—1 Tesalonianina 2:13. Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Avy Amin’iza ny Baiboly?

HITA AO AMIN’NY BAIBOLY NY TARI-DALAN’ANDRIAMANITRA

Voatantara marina tsara ao amin’ny Baiboly ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny olombelona. Manampy antsika izay resahiny ao mba hahafantarana an’izay heverin’Andriamanitra hoe mety na tsy mety, sy izay mahasoa na manimba antsika. (Salamo 19:7, 11) Misy torolalana tsy mety lany andro koa ao manampy antsika hanao safidy tsara eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

Diniho, ohatra, ilay torohevitra ao amin’ny Ohabolana 13:20 hoe: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” Mbola azo ampiharina amin’izao io torolalana io, hoatran’ny tamin’ny taloha ihany. Feno torolalana sarobidy sy mahasoa hoatr’izany ao amin’ny Baiboly.​—Jereo ilay hoe “ Tsy Mety Lany Andro ny Fahendrena ao Amin’ny Baiboly.”

Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Ahoana no ahazoako antoka fa mbola mahasoa amin’izao ny tari-dalan’ny Baiboly momba ny fitondran-tena?’ Handinika tantaran’olona vitsivitsy isika ao amin’ilay lahatsoratra manaraka.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.