MBA ANDRAMO IZAO
Azo Atao Fianarana Samirery sy Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana
Tsy rehefa any am-pivoriana na amin’ny fivoriambe ihany isika no manompo an’i Jehovah, fa rehefa irery sy miaraka amin’ny fianakaviantsika koa. Ireto misy hevitra vitsivitsy azo atao fianarana samirery sy Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana:
-
Omano ny fivorian’ny fiangonana, anisan’izany ny mianatra ny hira sy manampy ny mpianakavy rehetra hanomana valin-teny.
-
Mamakia tantara ao amin’ny Baiboly. Azonao atao sary avy eo ny zava-nitranga iray tamin’ilay izy, na soratana izay nianaranao tao.
-
Mandiniha vavaka iray ao amin’ny Baiboly, dia resadresaho hoe nahoana izy io no afaka manatsara ny vavaka ataonareo.
-
Mijere video navoakan’ny fandaminana, dia avy eo resaho amin’ny hafa ilay izy, na manorata fehintsoratra iray momba an’ilay izy.
-
Omano ny fanompoana. Azo atao angamba ny manao fanazaran-tena.
-
Diniho ny zavaboary, dia avy eo saintsaino na resadresaho hoe inona no nianaranao momba an’i Jehovah avy amin’ilay izy. a
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Hahafantatra Kokoa An’i Jehovah Ianao Raha Mandinika ny Zavaboariny”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Martsa 2023.