Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOPY MASO ERAN-TANY

Maresaka Momba An’i Azia

Maresaka Momba An’i Azia

I Azia no kontinanta be mponina indrindra. Maherin’ny ampahatelon’ny mponina eran-tany no mipetraka any Chine sy Inde. Inona ny olana atrehin’ny firenena aziatika eo amin’ny resaka fampianarana sy fiarovana ny mponina?

Voaro ny Ankizy Rehefa Ampianarina

Mbola kely ny ankizy, dia efa tokony hampahafantarin’ny ray aman-dreniny azy izay tokony ho fantany momba ny firaisana. Atahorana kokoa hisy hametaveta izy ireo raha tsy izany, hoy ny mpahay lalàna sinoa. Raharaha 8 000 teo ho eo, momba ny fametavetana ankizy, no nokarakarain’ny mpampanoa lalàna any Chine, tato anatin’ny efa-taona. Milaza ny mpampianatra lalàna iray ao amin’ny oniversite iray any Beijing fa ny ankizy no ‘tena mora tratran’ny fametavetana. Voaro kosa izy raha ampianarina.’

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY: Hendry ny ray aman-dreny raha mampianatra ny zanany hoe ahoana no hiarovany ny tenany “amin’ny olona miresaka zava-dratsy.”—Ohabolana 2:1, 10-12.

Isan’ny Maty Aorian’ny Rivo-doza

Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Philippines fa be dia be ny ankizivavikely maty, ao anatin’ny herintaona aorian’ny rivo-doza. Avo 15 heny eo ho eo amin’ny isan’ny olona matin’ny rivo-doza izany. Mety ho anton’izany ny hoe be ny tsy an’asa, ary betsaka ny vola lany anamboarana ny trano rava. Kely koa ny vola atokana hikarakarana ny ankizivavikely, tafiditra amin’izany ny sakafo sy fitsaboana.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY: Aoka ianao ‘hizara ny mofonao amin’ny noana, sy hampiantrano ny ory sy ny tsy manan-kialofana, sy hampitafy an’izay hitanao mitanjaka.’ —Isaia 58:7.

Mamono Tena ny Zokiolona

Olona 65 taona, na mihoatra an’izay, ny ampahefany mahery tamin’ireo namono tena tany Korea Atsimo, tamin’ny 2011. Milaza ny mpikaroka sasany fa anisan’ny anton’izany ny hoe lasa tsy raharahaina intsony ny zokiolona. Eo koa ny olana ara-bola. Efa ho ny 50 isan-jaton’ny zokiolona any Korea Atsimo mantsy no mahantra. Tsy ampy antsasany akory amin’ny mponina any no mieritreritra hoe adidin’ny zanaka ny manampy ny ray aman-dreniny be taona.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY: “Hajao ny rainao sy ny reninao.” —Efesianina 6:2.