HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA
Aza Minamana Be Loatra Amin’olon-kafa
OLANA
Misy vehivavy efa manambady, nefa mbola minamana be loatra amin’ny lehilahy hafa ihany. Misy koa lehilahy minamana be amin’ny vehivavy hafa. Resahiny amin’ilay olona daholo ny fiainany, sady mifampiresaka ela be foana ry zareo. Mety ho saro-piaro ny vadiny raha henony izany. Izy anefa mieritreritra hoe: ‘Mpinamana fotsiny ange izahay e!’ Ahoana raha izany no mitranga aminao?
Tena mila alamina izany olana izany. Andeha aloha hojerentsika hoe inona no mety ho nahatonga anao ho lasa mpinamana be amin’ilay olona.
INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?
Mahafinaritra anao ilay izy. Tianao erỳ rehefa mba misy olona liana aminao sady tsara fanahy aminao. Ny olon-drehetra mihitsy no tia an’izany, raha ny marina. Mahatsapa tsinona ianao hoe mba tsara ihany sady mba misy mpitia. Raha efa nanambady elaela àry ianao no iny fa misy olona hoatran’ny hoe voasarika aminao, dia mety ho satrinao hinamana aminy. Tadidio anefa fa raha mifandray am-po be aminy ianao, dia hisy vokany ratsy eo amin’ny tokantranonao izany. Lasa mihena mantsy ny fitiavana tokony homenao ny vadinao.
• Eritrereto àry hoe: ‘Inona no ataon’ilay namako amiko ka mahafinaritra ahy? Nahoana anefa no tsara kokoa raha ny vadiko no manao an’ilay izy?’
Tsy ampy fitiavana ianao. Milaza ny Baiboly fa “hanam-pahoriana” ny olona manambady. (1 Korintianina 7:28) Mety ho tsapanao, ohatra, fa tsy miraharaha anao ny vadinao indraindray, na tsy mba mankasitraka anao. Angamba koa ianao manana lonilony aminy, satria nifamaly ianareo nefa tsy voalamina tsara ilay izy. Raha tsy miresaka momba an’izany anefa ny vadinao, dia vao mainka marary ny fonao. Raha amin’izay àry no misy olon-kafa miahy anao, dia mety hiraiki-po aminy ianao. Milaza ny manam-pahaizana fa tsy hifankatia be intsony ny mpivady, ary mety hisaraka mihitsy aza, raha misy olana nefa tsy resahina tsara.
• Eritrereto àry hoe: ‘Inona no mankarary ny foko? Tsy tena miresaka amiko ve, ohatra, ny vadiko ka lasa mora miraiki-po amin’olon-kafa aho?’
INONA NO AZONAO ATAO?
Ekeo fa tsy mety ilay izy. Hoy ny Baiboly: “Misy olona afaka manangona vainafo eo an-tratrany ve, nefa tsy ho may ny akanjony?” (Ohabolana 6:27) Raha lasa raiki-pitia amin’olon-kafa indray àry ianao, dia tadidio fa hisy vokany ratsy eo amin’ny tokantranonao izany. (Jakoba 1:14, 15) Aza mieritreritra hoe tsy mampaninona ilay izy satria tsy manao ratsy ianareo. Efa mizarazara mantsy ny fonao, nefa tokony ho an’ilay vadinao irery.
Aza mamita-tena. Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Tsara erỳ izao raha izy no vadiko.’ Ny toetra tsaran’ilay olona ihany anefa no tena jerenao, dia izay no ampitahainao amin’ny fahadisoan’ny vadinao. Tsy rariny izany! Mety hoe sambatsambatra koa angamba ianao rehefa mieritreritra an’ilay olona. Tadidio anefa fa tsy hoe zavatra miavaka be izany, satria mety ho hoatr’izay ihany no tsapanao tamin’ianao vao niaraka tamin’ny vadinao.—Toro lalan’ny Baiboly: Jeremia 17:9.
Arovy ny tokantranonao. Manisy tamboho manodidina ny tranony ny olona, mba hiarovana azy. Mila arovana toy izany koa ny tokantranonao sy ny fonao. Hoy mantsy ny Ohabolana 4:23: “Arovy ny fonao.” Ahoana anefa no hanaovanao izany?
Asehoy fa efa manambady ianao ary tianao ny vadinao. Azo atao, ohatra, ny manisy sarin’ny vadinao any amin’ny toeram-piasanao.—Toro lalan’ny Baiboly: Genesisy 2:24.
Eritrereto mialoha izay azonao sy tsy azonao atao rehefa miaraka amin’olona tsy vadinao, ohatra hoe mpiara-miasa. Tsy mety ny mandehandeha miaraka aminy, na koa hitaraina aminy momba ny olana eo aminareo mivady.
Aza miaraka amin’ilay olona intsony, raha mitady ho lasa lavitra ilay izy fa tsy hoe mpinamana fotsiny. Raha tena mafy aminao izany, dia tokony ho tonga saina ianao hoe sao dia efa raiki-pitia aminy. Aza mbola mitady hirika hiarahana aminy intsony àry, fa izay hampifandray tsara anareo mivady foana atao mba hiarovana ny tokantranonareo.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 5:18, 19.