Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Firaisana Alohan’ny Fanambadiana

Firaisana Alohan’ny Fanambadiana

Mahazo manao firaisana ve ny olona mbola tsy mpivady?

“Izao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny ... hifadianareo ny fijangajangana.”—1 Tesalonianina 4:3.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Tsy mampaninona ny olona any amin’ny faritra sasany raha olon-dehibe tsy mpivady no manao firaisana. Ary na manao an’izany koa aza ny tanora dia tsy heverina hoe ratsy.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Antsoin’ny Baiboly hoe “fijangajangana” izay mety ho karazana firaisana ataon’ny olona tsy mpivady. Asain’Andriamanitra ‘mifady ny fijangajangana’ ny mpivavaka aminy. (1 Tesalonianina 4:3) Fahotana lehibe mantsy izany, mitovy amin’ny mamono olona, manompo sampy, mangalatra, manao mamo, ary mifandray amin’ny fanahy ratsy.—1 Korintianina 6:9, 10; Apokalypsy 21:8.

ILAINA FANTARINA IZANY

Mampitandrina mantsy ny Baiboly fa “homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga.” (Hebreo 13:4) Raha te hanaporofo koa isika hoe tena tia an’i Jehovah Andriamanitra, dia hankatò ny didiny momba ny firaisana. (1 Jaona 5:3) Matokia fa hotahiny isika raha manao izany.—Isaia 48:18.

Ary raha tsy tena hoe firaisana ilay izy?

“Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na izay faniriana tsy mety afa-po.”Efesianina 5:3.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Maro no mihevitra fa raha mbola tsy tena hoe firaisana no ataon’ny olon-droa tsy mpivady, dia tsy mampaninona.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Rehefa miresaka fitondran-tena ratsy ataon’ny lehilahy sy vehivavy ny Baiboly, dia tsy ny fijangajangana ihany no lazainy, fa misy koa ny atao hoe ‘fahalotoana’ sy ‘fitondran-tena baranahiny.’ (2 Korintianina 12:21) Misy koa àry fanao sasany tsy tian’Andriamanitra hataon’ny olona tsy mpivady, na dia tsy tonga hatramin’ny firaisana aza.

Raha tsorina izay lazain’ny Baiboly, dia hoe ny mpivady ihany no tokony hanao firaisana sy hifaneho fitiavana be toy izany. Raran’ny Baiboly koa ny “filan’ny nofo tsy mety afa-po.” (1 Tesalonianina 4:5) Ahoana moa izany? Intỳ misy ohatra: Misy mpifankatia tapa-kevitra fa tsy hanao firaisana, nefa mifanafosafo be sy manao fihetsika tafahoatra. Izay ilay hoe “tsy mety afa-po.” Tsy mba mifehy tena mantsy izy ireo, fa manao zavatra mety hahatonga azy hanao firaisana. Diso àry izy ireo raha manao an’izany satria hita hoe maniry mafy zavatra tsy tokony hataony. Izany faniriana izany mihitsy mantsy no raran’ny Baiboly.—Efesianina 5:3-5.

Inona no azonao atao mba tsy ho ratsy fitondran-tena?

“Andosiro ny fijangajangana.”—1 Korintianina 6:18.

ILAINA FANTARINA IZANY

Milaza ny Baiboly fa mampahatezitra an’Andriamanitra ny olona manao firaisana alohan’ny fanambadiana.—Kolosianina 3:5, 6.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Mampirisika antsika ‘handositra ny fijangajangana’ ny Baiboly. (1 Korintianina 6:18) Midika izany fa tokony hialana izay rehetra mety hahatonga antsika ho ratsy fitondran-tena. (Ohabolana 22:3) Tsy tsara, ohatra, ny minamana be amin’ny olona tsy miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra momba ny firaisana. Hoy ny Ohabolana 13:20: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.”

Mety ho lasa ratsy fitondran-tena ny olona iray, raha zavatra ratsy no ampidiriny ao an-tsainy. (Romanina 8:5, 6) Mitandrema àry mba tsy hihaino hira na hijery boky sy video misy sary na resaka vetaveta fa mahatezitra an’Andriamanitra izany.—Salamo 101:3.