TANY SY MPONINA
Fitsidihana An’i Azerbaïdjan
LEHIBE indrindra amin’ireo firenena telo any amin’ny faritra atsimon’i Caucase i Azerbaïdjan. Nanomboka nanorim-ponenana tany ny foko maromaro, arivo taona teo ho eo lasa izay. Anisan’ireny ny foko tiorka. Nifangaro ny kolontsain’izy ireny sy ny fombafomban’ny mponina teo an-toerana. Tsy mahagaga àry raha mitovitovy amin’ny fiteny any Torkia sy Turkménistan ny fiteny any Azerbaïdjan.
Malaza ho mavitrika sy tia mandray olona ny mponin’i Azerbaïdjan. Mifandray be ny mpianakavy ary mifanampy amin’ny sarotra.
Tian’ny Azerbaijaney ny mozika sy ny poezia. Eo, ohatra, ny mugam: Manao poezia azerbaijaney ny mpihira iray ary arahina zavamaneno nentim-paharazana izany. Tsy maintsy mahay tsara ny poezia rehetra fanao amin’io mozika io izay manao azy, sady mahay mamoron-kira eo no ho eo.
Anisan’ny kolontsain’ny Azerbaijaney ny misotro dite. Atao ao anaty vera miendrika poara ny dite, ary aroso miaraka amin’ny vaingan-tsiramamy. Mety hampiarahina amin’ny amandy na voaloboka na karazana voanjo izany. Misy fivarotana dite, na dia tanàna kely aza.
Betsaka an’ilay trondro atao hoe esturgeon ao amin’ny Ranomasina Caspienne, any atsinanan’i Azerbaïdjan. Velona 100 taona mahery ny karazany iray amin’izy io. Nahatratra 8,5 metatra ny iray tamin’ireo ngeza indrindra azo ary nilanja 1 297 kilao. Tian’ny olona ilay trondro, satria ny atodiny no ahazoana an’ilay sakafo lafo vidy atao hoe caviar mainty.
Tia miresaka momba an’Andriamanitra sy mivavaka ny Azerbaijaney. Silamo ny ankamaroany. Misy fivavahana hafa koa anefa any Azerbaïdjan, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Arivo mahery izy ireo no any ary teratany ny maro aminy.
FANTATRAO VE?
Miara-mianatra Baiboly amin’ny olona an-tapitrisany eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mampiasa ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?. Misy amin’ny fiteny 250 mahery izy io, anisan’izany ny fiteny azerbaijaney.