Inona no Tokony Hataon’ny Ankizy Matavy Loatra?
MILAZA ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Fanasoavam-bahoaka any Etazonia fa nitombo avo telo heny ny isan’ny tanora matavy loatra, teo anelanelan’ny 1980 sy 2002, ary lasa avo roa heny mahery ny ankizy toy izany. Tena atahorana hiakatra tosidra, ho voan’ny diabeta, harary fo, ary ho voan’ny kansera ny ankizy matavy loatra. *
Maro ny antony mahatonga ny ankizy hatavy loatra. Eo, ohatra, ny dokam-barotra natao ho an’ny ankizy. Tondraka koa ny sakafo tsy mahasalama sady mora, ary maro ny ankizy tsy mihetsika firy. Hoy ny Foibe Miady Amin’ny Aretina, any Etazonia: “Lasa matavy loatra ny ankizy rehefa be loatra ny sakafo haniny nefa izy tsy mampiasa vatana firy.”
Tsara raha misaintsaina ny ankizy sy ny tanora ary ny olon-dehibe hoe inona no sakafo fihinany. Tsy voatery hanao zavatra tafahoatra izy ireo, fa fanovana kely fotsiny dia efa ampy. Hitan’ny lehilahy iray atao hoe Mark, ohatra, fa lasa salama tsara sy falifaly izy rehefa novany ny sakafo fihinany. Hoy izy: “Tia haninkanina aho taloha.” Inona no nataony? Niresaka taminy ny Mifohaza!
Oviana ianao no nanomboka tia haninkanina?
Rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise. Lasa tsy dia nisakafo tao an-trano intsony aho. Nisy mpivarotra hani-masaka anankiroa teo akaikin’ny toerana niasako, ka tao aho matetika no nisakafo antoandro. Naleoko nihinana hani-masaka toy izay hahandro.
Dia ahoana rehefa nifindra trano ianao?
Vao mainka loza fa tsy nahay nahandro aho sady tsy dia nanam-bola. Nisy mpivarotra hani-masaka koa teo akaikin’ny tranoko. Naleoko nihinana tao, satria sady tsy nisahirana aho no tsy lany vola be. Tsy vitan’ny hoe sakafo tsy mahasalama no nohaniko, fa mbola be loatra koa. Tsy ampy ahy ny sakafo masaka fividin’ny olona,
fa nampiako ny ahy ny ovy endasina sy ny zava-pisotro mamy ary ny mofo voasesika. Novidiko daholo izay takatry ny volako, ary izay ngeza indrindra no nalaiko.Oviana ianao no niova?
Tamin’izaho 20 taona mahery kely. Lasa nieritreritra ny fahasalamako aho tamin’izay. Natavy loatra aho ary kamokamo foana sady tsy natoky tena. Hitako hoe nila niova aho.
Inona no nataonao?
Novako tsikelikely ny sakafo nohaniko. Nahenako aloha ny habetsahany. Nataoko an-tsaina hoe: “Tsy izao ihany ianao no hihinan-kanina fa mbola hihinana foana.” Indraindray aho tonga dia miala eo amin’ny latabatra. Faly anefa aho avy eo satria toy ny hoe nandresy.
Tsy maintsy nanao fiovana lehibe ve ianao?
Nisy zavatra tsy nohaniko intsony aloha e, ohatra hoe ny zava-pisotro mamy. Rano ihany no sotroiko. Tsy mora ilay izy, satria tena tia zava-pisotro mamy aho fa tsy tia rano. Isaky ny avy misotro rano iray vera aho dia misotro ranom-boankazo kely, amin’izay mba mamimamy ny vavako. Lasa tia rano ihany aho tatỳ aoriana.
Inona koa no nataonao?
Sakafo mahasalama indray no nohaniko. Nihinana voankazo aho, toy ny paoma, akondro, frezy, voaroy, ary karazana voanketsihetsy. Nihinana sakafo tsy be proteinina koa aho, toy ny akoho na lamàtra. Lasa tiako be ireny sakafo ireny. Niezaka nihinana legioma betsaka kokoa aho, fa nahenako ny sakafo hafa. Hitako hoe tsy mihinam-be aho rehefa misakafo, raha mihinana sakafo mahasalama eny anelanelam-potoana. Tsy dia tia haninkanina intsony aho tatỳ aoriana.
Tsy nividy hani-masaka intsony ve ianao?
Mbola mandeha any amin’ny hotely ihany aho indraindray, fa miezaka tsy hisakafo be. Raha ngezabe ilay anjarako dia zaraiko roa aloha ilay izy vao mihinana aho, ary entiko mody ny antsasany. Tsy mihinam-be aho amin’izay, nefa tsy mamela sisa.
Inona no soa noraisinao?
Lasa nihena aho ary natanjaka kokoa. Azoko tsara ny aiko. Faly koa aho satria fantatro hoe manome voninahitra an’Andriamanitra, ilay loharanon’aina, aho rehefa mitandrina ny fahasalamako. (Salamo 36:9) Tsy tiako mihitsy taloha izany mitandrintandrina fahasalamana izany fa nanorisory ahy. Tena tiako anefa ilay izy izao, ary tsy hatakaloko na inona na inona mihitsy! *
^ Milaza ny manam-pahaizana fa raha matavy loatra ny ankizy iray dia mety hatavy loatra koa izy rehefa lehibe.
^ Tsy manoro ny sakafo tokony hohanina mba hampihenan-tena ny Mifohaza! Ny tsirairay no tokony hanapa-kevitra ny amin’izany, na hanatona dokotera alohan’ny hifidy an’izay hataony. Aza mihinana sakafo mety hampidi-doza, na dia be mpitia aza izany.