Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manampy ny Ray Aman-dreny

Afaka Manampy ny Ray Aman-dreny

“Feno hipoka ny lakilasy, nefa tsisy vantilatera ka manempotra!”—Luis, Bolivia.

“Tsisy mpampianatra firy ao aminay, ka tsy voara-maso tsara ny fianaran’ny ankizy. Tsisy sarintany koa ao, na laboratoara, na efitra famakiam-boky.”—Dorcus, Myanmar.

“Tsy mahafehy mpianatra ny ankamaroan’ny mpampianatra anay. Maditra be ny ankizy indraindray, ka vao mainka tsy misy fianarana miditra amin’ny loha.”—Nina, Afrika Atsimo.

HITA avy amin’ireo teny ireo fa tsy ahaizan-javatra ny sekoly sasany. Ahoana no azonao anampiana ny zanakao na eo aza izany? Ireto misy soso-kevitra:

Mahaiza mitady hevitra.

Maro ny olana tsy azonao anoarana. Izay azonao atao àry no tokony hoeritreretinao. Misy taranja tsy hain’ny zanakao ve, sa kivy izy fa be loatra ny devoarany? Maninona raha miara-mitady vahaolana? Jereo, ohatra, hoe aiza no toerana tsara kokoa azony ianarana ao an-trano. Mila ampiana hanamboatra ny fandaharam-potoanany ve izy mba hahavitany an’izay tena zava-dehibe? Sa izy mila olon-kafa hanampy azy? Mety ho azonao resahina koa ny mpampianatra azy na ny olon-kafa afaka manoro hevitra. Miaraha miasa amin’ireny olona ireny.

Ampio ny zanakao hitadidy ny antony ianarany.

Tokony hanampy ny zanakao ho lasa olon-dehibe mahalala zavatra sy mahay mandray andraikitra ny fianarana. Tsy ny hanan-karena fotsiny no tokony ho tanjony. Izany anefa no tena tanjon’ny tanora maro, hoy ny mpikaroka. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba tsy hifantoka be amin’ny harena. Lazainy hoe ‘fiarovana ny vola.’ (Mpitoriteny 7:12) Mampitandrina koa anefa izy fa tsy ho sambatra mihitsy “izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena.”—1 Timoty 6:9.

Avelao hianatra hiatrika olana ny zanakao.

Milaza ny mpampianatra maro fa mbola ratsy kokoa noho ny ataon’ny ankizy ny afitsoky ny ray aman-dreny sasany. Tonga dia miditra an-tsehatra izy ireo raha vao ratsy naoty ny zanany, na misy zavatra manjo azy. Hoy, ohatra, ny gazety Fotoana (anglisy), momba ny mpampianatra iray: “Nisy [mpianany] niantso ny ray aman-dreniny tamin’ny finday nandritra ny ora fianarana, mba hitaraina hoe ratsy ny naotiny. Nomen’ilay ankizy an’ilay mpampianatra ilay finday avy eo, satria te hiresaka aminy ilay ray na ilay reny. Noresahin’ireo taminy fa lany vola be ry zareo mba hampianarana ny zanany, ka tsy hekeny mihitsy raha ratsy ny naotiny.”

Tsy hahasoa an’ireo ankizy mihitsy izany. Vao mainka mantsy izy ireo ‘tsy hahay handray fanapahan-kevitra sy tsy hahay hizaka ny vokatry ny ataony ary tsy ho afaka hiarina’, hoy i Polly Young-Eisendrath, tao amin’ilay bokiny hoe Ny Fandriky ny Fiheveran-tena ho Ambony (anglisy). Hoy ihany izy: “Inona no hitranga raha ny ray aman-dreny foana no mamaha ny olana mahazo ny ankizy fa izy ireo tsy manao na inona na inona mihitsy? Tsy hahay hamaha olana izy ireo rehefa lehibe fa ny ray aman-dreniny no hahay an’izany.”

Aza terena handranto fianarana be loatra ny zanakao.

Hitantsika teo fa manampy ny ankizy ho lasa olon-dehibe mahay mandray andraikitra ny fianarana. (Genesisy 2:24) Fianarana toy inona anefa no tokony hataony mba hahatongavana amin’izany?

Aza mieritreritra hoe tsy maintsy mianatra eny amin’ny oniversite ny zanakao vao ho tafavoaka amin’ny fiainana. Misy zavatra tsy dia mandany vola azony atao. Mahavelon-tena toy ireo mahazo diplaoma eny amin’ny oniversite ihany aza indraindray ireo mianatra asa.

Fehiny: Tsy tonga lafatra ny sekoly. Miatrika olana tsy hita fahiny koa ny ankizy ankehitriny. Handray soa anefa izy ireo raha manampy azy ianareo. Maninona raha dinihina miaraka amin’ny zanakareo ny soso-kevitra ao amin’ny pejy 3 ka hatramin’ny 7 amin’ity gazety ity?

Tokony hanampy ny zanakao ho lasa olon-dehibe mahalala zavatra sy mahay mandray andraikitra ny fianarana

Milaza ny mpampianatra maro fa mbola ratsy kokoa noho ny ataon’ny ankizy ny afitsoky ny ray aman-dreny sasany