Toeram-pijerem-biby Ankehitriny
NISY mpanjaka sinoa nanamboatra valan-javaboary iray, 3 000 taona lasa izay. Nantsoiny hoe Zaridainan’ny Mahira-tsaina izy io. Nirefy 607 hektara ilay izy, ary nisy biby be dia be azo nojerena tao. Tsy fahita firy ny valan-javaboary toa an’io tamin’izany.
Olona an-tapitrisany anefa izao eran-tany no afaka mitsidika toeram-pijerem-biby. Hoy ny boky Toeram-pijerem-biby Amin’ny Taonjato Faha-21 (anglisy): “Maro izao no mijery bibidia any amin’ny toeram-pijerem-biby, satria mihavitsy ny fonenan’izy ireny sady mitombo ny mponina an-tanàn-dehibe.”
Inona no mety ho hitanao any?
Afaka mahita an’ireo biby mahafinaritra sy mahavariana indrindra eto an-tany ianao, ary toy ny hoe any amin’ny fonenany ihany izy ireo. Eo, ohatra, ny lolo mareva-doko manidintsidina, fahita any amin’ny tany mafana. Ao koa ny pingouin (voron-dranomasina tsy manidina) mandro ao anaty ranomandry, toy ny any amin’ny Tendrontany Atsimo.
Afaka mankao anaty ala kely koa, ohatra, ianao ary hahita an’ireo biby sy vorona any amin’ny tany mafana. Na ianao miditra ao amin’ny efitrano maizim-be mba hijery an’ireo biby mpikarenjy amin’ny alina. Ny toeram-pijerem-biby sasany aza ahafahana mijery vorona mihaza na feso mitsambikimbikina avy ao anaty rano. Tsy fefena intsony koa ireo biby mety hampidi-doza fa avela hikarenjy, saingy asiana hadivory lehibe manasaraka azy amin’ny mpitsidika.
Hevitra tsy mitovy
Misy mpiaro ny zon’ny biby milaza fa tsy tsara ny maka an’ireo biby any amin’ny fonenany sy miompy azy ireo any amin’ny toeram-pijerem-biby. Lazainy fa lasa tsy afaka mivelona ara-dalàna ireo biby ka very ny fahaizany voajanahary.
Ireo mpikarakara toeram-pijerem-biby kosa milaza fa miaro ny biby izy ireo sady mampianatra ny olona. Hoy i Jaime Rull, ao amin’ny valan-javaboary Faunia ao Madrid, any Espaina: “Ny hanajan’ny olona ny biby no tanjonay. Tsy tianay ho lany tamingana ireo biby ka ampianay ny mpitsidika hiaro ny fonenan’izy ireny.” Hita tamin’ny fanadihadiana fa tena mandrisika ny olona hiaro an’ireo biby atahorana ho lany tamingana ny zavatra hitany any amin’ny toeram-pijerem-biby.
Lasa tian’ny mpitsidika ny karazam-biby tsy fahita sasany, toy ny pandà be. Hoy i Noelia Benito, ao amin’ny toeram-pijerem-biby ao Madrid: “Te hijery an’ireo pandà roa
ato aminay daholo ny mpitsidika. Manasongadina ny ezaka ataonay hiarovana an’ireo biby mitady ho lany tamingana ny fisian’izy ireo ato. Enga anie mba hiteraka izy ireo, na dia tia mifidifidy vady aza.”Biby maro kosa no mora manan-janaka rehefa ao amin’ny toeram-pijerem-biby, satria voakarakara sy voara-maso ny fahasalamany. Milaza ny mpitsikera fa tsy tokony hividy na hivarotra biby atahorana ho lany tamingana ireo ao amin’ny toeram-pijerem-biby. Kepoka anefa izy ireo rehefa nihamaro ireny biby ireny. Tsy natao hiompiana biby haseho olona fotsiny ny toeram-pijerem-biby maro, fa ikarakarana biby efa ho lany tamingana koa. Haverina any amin’ny fonenany izy ireny avy eo.
Ny fahasimban’ny fonenan’ny biby no tena mahalany tamingana azy ireo. Izany no mahatonga ny toeram-pijerem-biby sasany hazoto hanohana ara-bola ny fandaharan’asa fiarovana ny fonenan’ny biby any amin’ny tany mafana. *
Tia mijery biby
Ankizy maro no tia mijery biby. Tsara àry ny ray aman-dreny raha mba mitondra azy ireny any amin’ny toeram-pijerem-biby rehefa faran’ny herinandro na vakansy. Azon’izy ireo hararaotina tsara izany mba hampianarana ny zanany momba ny zavaboarin’Andriamanitra.
Vao noforonina ny olona dia efa tia biby. Tsara raha ampianarina ho tia biby ny ankizy, satria manampy azy hahalala ny toetran’ilay Mpamorona izany. Vao mainka koa isika hahafantatra sy hanaja an’ireo zavaboary mahafinaritra eto amin’ity tany fonenantsika ity rehefa mitsidika toeram-pijerem-biby.
^ Toa nahomby ny ezaka natao hiarovana ny tigra any Azia sy ny gidro eto Madagasikara ary ny rajako atsy Afrika.