Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisy Namorona Ve?

Ny Fahaizan’ny Andian-trondro

Ny Fahaizan’ny Andian-trondro

Olona iray tapitrisa mahery no matin’ny lozam-piarakodia isan-taona, ary 50 tapitrisa eo ho eo no maratra. Trondro an-tapitrisany anefa no miara-milomano fa tsy mifandona. Ahoana no hahaizany an’izany? Mety ho afaka hampihena ny lozam-piarakodia ve isika, raha maka tahaka azy ireo?

Diniho izao: Ahoana no ahafahan’ny andian-trondro mamantatra ny toerana misy ny trondro hafa manodidina azy? Amin’ny alalan’ny masony sy ilay tsipika manaraka ny lavan’ny vatany, izay toy ny vavahadin-tsaina fanampiny. Ahoana no ataony mba hahatonga azy tsy hifandona?

  1. Ampitoviny ny hafainganam-pandehany ary ataony mitovy foana ny elanelan’izy samy izy.

  2. Akekeziny izay trondro lasa lavitra kokoa.

  3. Mivily lalana izy mba tsy hifandona amin’ny hafa.

Naka tahaka an’ireo fomba telo ireo ny mpanao fiara japoney ka nanamboatra fiara robot kely maromaro afaka miara-mandeha nefa tsy mifandona. Misy fitaovam-pifandraisana ao amin’izy ireo mba ho solon’ny maso, ary fitaovana manokana famantarana elanelana kosa no solon’ilay vavahadin-tsaina fanampiny. Mino ny tompon’ilay orinasa fa hanampy azy ireo hamorona fiara “tsy mety mifandona” izany, ka lasa “hahafinaritra ny fifamoivoizana sady tsy hikatso intsony.”

Hoy i Toshiyuki Andou, injeniera tompon-kevitra tamin’ny fanamboarana an’ireo fiara robot: “Nalainay tahaka ny fihetsiky ny andian-trondro, mba hamoronana zava-baovao. Be dia be mihitsy ny zavatra mila ianarantsika avy amin’ny andian-trondro, amin’izao vanim-potoan’ny fandrosoana izao.”

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny fahaizan’ny andian-trondro, sa nisy namorona?