Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpandinika Kintana Tena Nahay

Mpandinika Kintana Tena Nahay

Mpandinika Kintana Tena Nahay

GAGA foana ny olona hatramin’izay rehefa nandinika ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Nandinika ny toeran’ireo zavatra eny amin’ny lanitra sy ny fihetsehan’izy ireny ny olona ka afaka namaritra ny andro sy ny volana ary ny taona. Antsoina hoe astronomia izany fandinihana izany ary astronoma ireo manam-pahaizana momba ny kintana sy planeta.

Anisan’ireo nianatra momba ny zavatra eny amin’ny lanitra ny Arabo. Niroborobo tany amin’ny tany arabo ny siansa, nanomboka tamin’ny taonjato fahasivy, ary tena nahay ireo astronoma arabo tamin’izany. Nampandroso ny astronomia tokoa ny zava-bitan’izy ireo. Ahoana no nahatonga an’izany?

Ireo astronoma voalohany

Nanitatra ny faritaniny avy teo Arabia ny Silamo, tamin’ny taonjato fahafito sy fahavalo. Niankandrefana tany Afrika Avaratra sy Espaina izy ireo sady niantsinanana hatrany Afghanistan. Nolovan’ny manam-pahaizana arabo tao amin’io faritra lehibe io ny voka-pikarohan’i Persa sy Gresy. I Babylona sy Ejipta kosa nanan-kery teo amin’i Persa sy Gresy.

Tamin’ny taonjato fahasivy, dia nadika ho amin’ny teny arabo ny asa soratra momba ny siansa, anisan’izany ny an’i Ptolémée, astronoma grika. * Nahazo asa soratra avy tany Inde koa ny Abbassides, izay nanjaka tany Afghanistan ka hatrany amin’ny Oseana Atlantika. Nirakitra fahalalana be dia be momba ny matematika sy ny astronomia ary ny siansa hafa izy ireny.

Sarobidy tamin’ny Silamo ny astronomia satria nilainy tamin’ny fivavahany. Nino izy ireo fa tokony hitodika any Lameka rehefa mivavaka, ary afaka namantatra an’izay misy an’i Lameka foana ny astronoma, na taiza na taiza nisy azy. Nanakarama astronoma matihanina mihitsy aza ny trano fivavahana silamo sasany, tamin’ny taonjato faha-13, mba hanampiana ny mpivavaka hahalala ny fotoana mety indrindra hivavahana. Ny astronoma koa no nahay namantatra ny daty fanaovana fety sy fombafomba, toy ny fotoana fifadian-kanina mandritra ny Ramadany. Izy ireo no nanampy ny mpanao fivahiniana masina hamantatra ny halavan’ny fotoana ilaina hankanesana any Lameka sy hahita ny lalana mety indrindra.

Fanampiana avy amin’ny fanjakana

Efa anisan’ny nianaran’ny manam-pahaizana tany Bagdad ny astronomia, teo am-piandohan’ny taonjato fahasivy. Nasian’i al-Ma’mūn, mpanjaka silamo, toerana fandinihana ny any ambony tsy taka-maso tany Bagdad sy tany akaikin’i Damaskosy. Nisy mpahay toetany sy mpahay matematika niasa tany amin’ireo toerana ireo. Namakafaka sy nampitaha ary nampifandray ny fanazavan’ny astronoma persianina sy karàna ary grika izy ireo. Nasiana toerana toy izany koa tany amin’ny tanàna arabo hafa. *

Nahavita zavatra miavaka ireo manam-pahaizana niasa tany amin’ireny toerana ireny. Tamin’ny 1031, ohatra, i Abu Rayhan al-Bīrūnī, dia efa nilaza fa mety ho boribory lavalava ny lalana arahin’ny planeta, fa tsy tena boribory.

Fandrefesana ny Tany

Lasa te hanao sarintany sy sarin’ny lalana an-dranomasina ny Silamo satria nitatra ny faritaniny. Niezaka nanao sarintany marina tsara izy ireo ary matetika no vitany izany. Tian’i al-Ma’mūn ho marina tsara ny sarintany nataony sady tiany hasiana refin’ny laharam-pehintany. Naniraka antokona manam-pahaizana roa tany an-tany efitr’i Syria àry izy. Nitondra hazo fandrefesana sy tady ary fitaovana famantarana ny toeran’ny zavatra eny amin’ny lanitra izy ireo. Niainga teo amin’ny toerana iray ireo antoko roa ary samy nandeha tamin’ny lalana mifanohitra, mandra-pahitan’izy ireo hoe mikisaka iray degre ny Kintan’ny Avaratra. Izany elanelana izany no noheverin’izy ireo hoe laharam-pehintany iray, izany hoe 1/360-n’ny manodidina ny tany. Nokajin’izy ireo ny manodidina ny tany ka hitany fa 37 369 kilaometatra. Efa akaikin’ny 40 008 kilaometatra, refiny marina, izany.

Nahitana fitaovana be pitsiny isan-karazany, toy ireo hita etsy amin’ny pejy 19, tany amin’ireo toeram-pandinihana tany amin’ny tany arabo. Azo ijerena sy andinihana ny zavatra eny amin’ny lanitra izy ireny. Goavam-be ny sasany taminy. Nihevitra ireo mpanamboatra azy ireny fa arakaraka ny maha lehibe an’ilay fitaovana no maha marina azy.

Lova navelan’ireo astronoma fahiny

Tena nahay ireny astronoma ireny ary nahavita zavatra miavaka. Nanao lisitra sy sarin’ny antokon-kintana izy ireo, nanome anarana ny kintana, nanao kalandrie marina kokoa, ary nanatsara ny tabilao mirakitra ny fihetsehan’ireo zavatra eny amin’ny lanitra. Azon’izy ireo nofantarina ny toeran’ny masoandro sy ny volana ary ny planeta dimy taza-maso, na andro na alina. Nanampy be tamin’ny dia an-dranomasina izany. Afaka namantatra ny ora sy nanamboatra kalandrie koa izy ireo.

Nanao modelin’izao rehetra izao i Ptolémée nefa nisy zavatra tsy mifanaraka hitan’ireo astronoma arabo. Saika voavaha ilay olana, noho ny fanazavana hitan’izy ireo momba ny fihetsehan’ny planeta. Tsy hainy fotsiny hoe mihodina manodidina ny masoandro ny planeta fa tsy manodidina ny tany. Nahavita sary marina tsara mampiseho ny fihetsehan’ny kintana anefa izy ireo, ary tena nilain’ny astronoma tatỳ aoriana ny vokatry ny fikarohany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Efa fantatry ny grika fa boribory ny tany. Izany, hoy izy ireo, no mahatonga ny Kintan’ny Avaratra ho toy ny hoe iva kokoa rehefa mianatsimo ny mpandeha iray.

^ Misy mpanjaka tia manandro ka izany matetika no antony nanorenana an’ireny toerana ireny.

[Sary, pejy 17]

Nanao boky isan-taona ny astronoma nanerana ny tany arabo mba handraketana ny fihetsehan’ireo planeta

[Efajoro/Sary, pejy 19]

“ORDINATERA” FAHINY

Nantsoina hoe “fitaovana ilaina indrindra amin’ny astronomia, talohan’ny nisian’ny teleskaopy” ny astrolabe. Io no fitaovana nampiasain’ny mpahay siansa tany amin’ny tany arabo, mba handaminana ny olana mifandray amin’ny ora sy ny toeran’ny zavatra eny amin’ny lanitra.

Sarin’ny lanitra atao amin’ny takela-by ny astrolabe. Refin-joro na ora no eo amin’ny sisin’ilay takelaka. Ilay fanjaitra eo afovoany no ahalalana ny haavon’ny kintana iray, rehefa tazonina amin’ny tanana mitsotra mahitsy tsara ilay fitaovana.

Nahafahana namantatra kintana sy nahalalana ny fotoana hiposahan’ny masoandro sy hilentehany ary ny toerana misy an’i Lameka ilay fitaovana. Nahafahana nandrefy tany sy nikajy ny haavon’ny zavatra iray ary namantarana ny lalana tokony haleha koa izy io. Io fitaovana io no “ordinatera” tamin’izany fotoana izany.

[Sary]

“Astrolabe” tamin’ny taonjato faha-13

“Quadrant” tamin’ny taonjato faha-14

[Sary nahazoan-dalana]

Astrolabe: Erich Lessing/Art Resource, NY; quadrant: © New York Public Library/Photo Researchers, Inc.

[Sary, pejy 16]

Astronoma otomanina tamin’ny taonjato faha-16, mampiasa fitaovana namboarin’ny Arabo

[Sary, pejy 18]

Gilaoby mampiseho ny lanitra, taona 1285

[Sary, pejy 18]

Sarin’antokon-kintana ao amin’ny boky nosoratan’i ‘Abd al-Raḥmān al-Sufi, astronoma (taona 965 tany ho any)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Pejy 16 sy 17: Art Resource, NY

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Sora-tanana: By permission of the British Library; gilaoby: © The Bridgeman Art Library