Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Hakanton’ny Kintana

Ny Hakanton’ny Kintana

Ny Hakanton’ny Kintana

EFA nisy fotoana ve ianao variana nijery kintana an’arivony amin’ny alina? Voamarikao angamba fa tsy mitovy ny hazavan’izy ireny sy ny lokony. Marina ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Samy manana ny voninahiny ny kintana.”—1 Korintianina 15:41.

Nahoana no tsy mitovy ny voninahitry ny kintana, izany hoe ny famirapiratany? Nahoana, ohatra, ny sasany no fotsy ary ny hafa manga na mavo na mena? Nahoana izy ireny no manjelanjelatra?

Mahamay be ny ao anatiny indrindra amin’ny kintana ary misy angovo be dia be. Mankeo amin’ny sosona ivelan’ny kintana izany angovo izany, ary lasa hazavana sy taratra eny amin’ny habakabaka. Mety hahagaga anao ny hoe manga ny kintana mahamay kokoa ary mena ireo tsy dia mahamay. Nahoana no tsy mitovy ny lokony?

Toy ny hoe singan-javatra be dia be manonja ny hazavana ary toy ny an’ny angovo ny toetoetran’ireo singa. Arakaraka ny halavan’ny onjany ny lokon’ny hazavana. Anisan’ny manana onja fohy ny loko manga, manana onja lava ny mena, ary mbola misy loko hafa eo anelanelan’ireo. Mahery ny angovo ao amin’ny kintana mahamay kokoa ary fohy ny onjam-pahazavany, ka manga ny lokony. Mena kosa ny kintana tsy dia mahamay satria malefaka kokoa ny angovony ary lava kokoa ny onjam-pahazavany. Latsaka eo afovoan’ireo ny lokon’ny masoandro satria eo anelanelan’ny maitso sy mavo ny ankabetsahan’ny hazavana avoakany. Tsy maitso anefa ny lokony fa fotsy satria mamoaka hazavana be dia be izy ary hita ao amin’izany hazavana izany ny loko rehetra.

Manovaova ny lokon’ny masoandro ny atmosfera

Miovaova arakaraka ny fotoana ijerentsika azy ny fahitantsika ny masoandro, noho ny atmosfera. Mavo be, ohatra, izy amin’ny mitataovovonana. Toy ny mivolondaoranjy na mena kosa izy rehefa miposaka na milentika eny am-paravodilanitra. Gazy sy etona ary poti-javatra bitika eny amin’ny atmosfera no mahatonga izany.

Manaparitaka ny hazavana miloko manga sy volomparasy avy amin’ny masoandro ny atmosfera, ka izany no mahatonga ny lanitra ho manga be rehefa tsara ny andro. Rehefa miparitaka ireo loko taza-maso ireo, dia ny mavo sisa no tena hita amin’ny mitataovovonana. Tsy tonga mivantana etỳ amintsika kosa ny hazavan’ny masoandro rehefa eny amin’ny faravodilanitra izy, ary betsaka kokoa ny atmosfera lalovan’ilay hazavana. Mena be na mena antitra àry no fahitana azy satria efa miparitaka be ny hazavana manga sy maitso.

Ny lokon’ny lanitra amin’ny alina

Ny maso no tena mamaritra ny fahitantsika ny lanitra amin’ny alina. Misy karazany roa ireo sela andalovan’ny hazavana mankao amin’ny maso. Mamantatra loko ny karazany iray nefa tsy miasa rehefa ao amin’ny maizina. Ilay karazany hafa kosa tsy dia mamantatra loko nefa mora mandray hazavana. Hitany na dia hazavana faran’izay kely ao anaty haizina mikitroka aza. Izay hazavana manana onja fohy anefa no mora hitan’io sela io, izany hoe ireo manakaikikaiky ny manga. Raha samy tsy dia mazava àry ny kintana manga sy mena, dia ny manga no ho mora hitan’ny masontsika. Soa ihany fa misy fitaovana ahafahana mijery azy ireny.

Manampy antsika ny masolavitra sy ny teleskaopy rehefa alina, ka hitantsika ireo zavatra manjavozavo eny amin’ny lanitra, toy ny kintana, vahindanitra, kintana manan-drambo, ary ny zavon-kintana. Mety hanova ny fahitantsika azy ireny anefa ny atmosfera. Namaha an’izany olana izany ny Teleskaopy Hubble, izay mihodina manodidina ny tany. Mahagaga io fitaovana namboarin’ny olombelona io satria ahafahana mahita zavatra tsy ho hitan’ny mason’olona mihitsy. Tena mahavariana ny zavatra hita any ambony tsy taka-maso any, noho io teleskaopy io. Anisan’izany ny vahindanitra sy ny zavon-kintana.

Efa mitovitovy amin’io teleskaopy io na tsara noho io aza izao ny teleskaopy vaovao etỳ amin’ny tany. Nahita fomba hialana amin’ny fanelingelenan’ny atmosfera, ohatra, ny astronoma rehefa nanamboatra teleskaopy vaovao. Mazava kokoa izy ireny sady ahitana tsipiriany kokoa noho ny Teleskaopy Hubble. Eo, ohatra, ilay teleskaopy Keck I, any Hawaii, izay anisan’ny teleskaopy lehibe indrindra eran-tany. Tamin’izy io i Peter Tuthill, astronoma ao amin’ny Oniversiten’i Sydney, no nahita vovobovoka navoakan’ny kintana kambana ao amin’ny antokon-kintana Sagittaire, izay any akaikin’ny ivon’ny Vahindanitra Mivolondronono rehefa tazanina avy etỳ an-tany.

Mihabetsaka ny kintana sy vahindanitra hitan’ny astronoma, arakaraka ny handinihany ny any ambony tsy taka-maso any. Firy izy ireny? Tsy tena fantatsika izany saingy fantatr’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona. Hoy ny Salamo 147:4: “Manisa ny kintana izy, ary antsoiny amin’ny anarany avy izy rehetra.”

Mitovitovy amin’izany izay nolazain’i Isaia mpaminany. Mifanaraka amin’ny siansa izay nolazainy rehefa nilaza izy fa ny herin’Andriamanitra no nanaovana an’izao rehetra izao. Hoy izy: “Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny? Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Noho Izy manana tanjaka sy hery lehibe, dia tsy misy banga ireny.”—Isaia 40:26.

Efa 2 700 taona teo ho eo izay i Isaia no nanoratra an’ireo. Ahoana anefa no nahalalany fa ny hery lehiben’Andriamanitra no nampisy an’izao rehetra izao? Azo antoka fa tsy heviny samirery izany fa nahazo ny herin’ny fanahy masin’i Jehovah izy. (2 Timoty 3:16) Fantatr’i Isaia sy ireo olon-kafa nanoratra ny Baiboly hoe iza ilay nahatonga ny kintana ho tsara tarehy. Tsy voazavan’ny teleskaopy sy ny boky momba ny siansa izany.

[Efajoro/Sary, pejy 16]

NAHOANA NY KINTANA NO MANJELANJELATRA?

Ny fiovaovana eny amin’ny atmosfera no mahatonga ny kintana hanjelanjelatra, izany hoe toa miovaova kely ny fahitantsika ny hazavany sy ny toerana misy azy. Eritrereto, ohatra, hoe misy jiro kely mirehitra any amin’ny fanambanin’ny dobo filomanosana. Inona no mitranga rehefa mihetsiketsika ny rano? Manjelanjelatra ilay jiro, tsy misy hafa amin’ny kintana. Tsy dia manao toy izany anefa ilay jiro raha lehibe kokoa. Toy ireo jiro lehibe kokoa ny planeta. Lehibe no fahitana azy satria akaikin’ny tany kokoa izy ireny fa tsy hoe lehibe noho ny kintana akory.

[Efajoro/Sary, pejy 17]

TENA IZY VE NY LOKONY?

Mety ho efa nahita sarina vahindanitra sy zavon-kintana ary kintana tsara tarehy sy miloko avy amin’ilay Teleskaopy Hubble ianao. Tena izy ve anefa ny lokon’izy ireny? Namboarin’ny mpahay siansa ireny zava-kanto ireny, raha ny marina. Mainty sy fotsy ihany no lokon’ny sary azon’io teleskaopy io saingy misy fitaovana apetraky ny manam-pahaizana ao aminy mba hampisy loko hafa amin’ilay sary. Mampiasa fomba maoderina sy programan’ordinatera ny astronoma sy ny mpanao sary matihanina mba hahazoana ny sary farany. Ataony mitovy amin’izay heveriny fa mety ho tena lokon’ilay zavatra eny amin’ny lanitra izany indraindray. * Fanahy inian’ny astronoma ovana anefa ireo loko, indraindray, mba hanasongadinana zavatra sasany, ohatra hoe misy zavatra sasany tiany hanaovana fikarohana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Ireo sela mora mandray hazavana, ao amin’ny maso, ihany no miasa rehefa mampiasa teleskaopy isika mba hijerena zavatra maizimaizina eny an-danitra.

[Sary]

Mainty sy fotsy

Mena

Maitso

Manga

Sary farany, rehefa natambatra ireo loko telo

[Sary nahazoan-dalana]

J. Hester and P. Scowen (AZ State Univ.), NASA

[Sary, pejy 16]

Kintana V838 Monocerotis

[Sary, pejy 16]

Vahindanitra mifandray Arp 273

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

NASA, ESA, and the Hubble Heritage (STScI/AURA) -ESA/Hubble Collaboration

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

V838: NASA, ESA, and H. Bond (STScI); Arp 273: NASA, ESA, and the Hubble Heritage Team (STScI/AURA)