Ireo Tilikambo Fiambenana any Amin’ny Tendrombohitr’i Svaneti
Ireo Tilikambo Fiambenana any Amin’ny Tendrombohitr’i Svaneti
NAMIKITRA tamin’ireo andrin-tafo izahay ary nanarangarana avy teny an-tampon’ilay tilikambo vato any Géorgie. Efa 800 taona izy io, ary 25 metatra eo ho eo ny haavony. Tazanay avy teny ambony teny ireo tilikambo fiambenana tranainy hafa nanerana an’i Mestia, renivohitr’i Svaneti.
Maitso mavana ilay lohasaha somary misolampy ary mijoalajoala manodidina anay kosa ireo tendrombohitra fotsy
feno lanezy. Nambabo anay ilay toerana ary toy ny hoe niverina niaina tany aloha ela be tany izahay. Anisan’ny anton-dianay ny hitsidika an’ireo tilikambo fiambenana malaza any Svaneti.Nitsidika an’ilay toerana
Tao Zugdidi, any Géorgie, eo akaikin’ny Ranomasina Mainty, no nanomboka ny fitsidihana ny tendrombohitra avon’i Svaneti. Tsara ny andro, ary vao maraina dia efa hitanay ireo tampon-tendrombohitra fotsy mijoalajoala. Tonga teo amin’ny hadilanan’ny reniranon’i Inguri izahay, ary namakivaky moramora azy io. Feno ampanga, azalée, lorie, ary karazana hazo raozy misy felany somary fotsy ilay faritra feno ala.
Tonga tao Becho, tanàna tsara tarehy, izahay rehefa hariva ny andro. Eo am-pototr’ilay tendrombohitra kanton’i Ushba, izay manana tendrony roa, izy io. Voasinton’ilay tendro feno lanezin’i Ushba ireo mpianika tendrombohitra, toy ny samoina voasinton’ny lelafo. Mahatratra 4 710 metatra ny haavon’ny Tendrombohitra Ushba.
Reraky ny dia izahay sady noana, ka nanakana mpiandry ondry ary nividy ondry iray hatao sakafo hariva. Tsy ela izahay dia nisakafo nanodidina ny afon-dasy, niaraka tamin’ireo namanay any Svaneti. Masikitan’ondry, antsoina hoe mtsvadi, niaraka tamin’ny mofo fisaka vao mafana nandrahoina tamin’ny lafaoro kitay no sakafonay. Nisotro Saperavi izahay taorian’ny sakafo. Divay menan’i Géorgie izy io ary marikivy sy efa niotrika ela.
Nankany Mestia izahay ny ampitso maraina. Tany ilay tilikambo fiambenana nitazantazananay, araka ilay voaresaka terỳ aloha, ka nahatonga anay hiaiky hoe anisan’ny tsara indrindra amin’ireo toerana be tendrombohitra eran-tany i Svaneti. Any amin’ny 45 kilaometatra eo ho eo avy eo Mestia kosa ny tanànan’i Ushguli. Any anatinaty tendrombohitra kokoa izy io, ary mahatratra hatramin’ny 2 200 metatra ny haavon’ny toerana misy ny mponina. Voalaza fa i Ushguli no “tanàna avo toerana indrindra mbola misy mipetraka, any Eoropa.”
Nandeha tamin’ny lalana tery kely teny an-tendrombohitra izahay mba hahatongavana tany Ushguli. Feno hantsana ilay lalana ary renirano no terỳ ambany. Tsy very maina ny ezaka nataonay satria tsy hay hadinoina ny zavatra tazanay rehefa tonga izahay. Nahita trano mitsitokotoko manodidina an’ireo tilikambo tranainy izahay, ary tazanay mijoalajoala erỳ aoriana ny Tendrombohitra Shkhara. Kanto erỳ ilay tendrombohitra fotsy rakotra lanezy, eo ambanin’ilay lanitra manga!
I Shkhara no tendrombohitra avo indrindra any Géorgie, 5 201 metatra ny haavony, ary anisan’ireo tendrombohitra mitovitovy haavo antsoina hoe Bezengi Wall izy. Mirefy 12 kilaometatra ny halavan’io tandavan-tendrombohitra io. Anisan’ny tandavan-tendrombohitr’i Caucase Lehibe, izay mirefy 1 207 kilaometatra, kosa ireo rehetra ireo. Lohasaha maitso mavana tsara tarehy no tazanay hatraiza hatraiza. Saro-dalana anefa izy ireny, ka ny olona tena sahisahy sy ireo tompon-tany ihany no tonga eny.
Ny mponina any
Efa ela no nisy mponina tany Svaneti ary manana ny fiteniny izy ireo. Malaza ho olona tsy manaiky hofehezin’ny mpanjaka izy ireo. Nisy mpikaroka tany vaovao tamin’ny taonjato faha-18 nilaza fa ny mponin’i Svaneti no “nahavita nanorina fiaraha-monina tonga lafatra, ka ny fahafahan’ny tsirairay no masi-mandidy.”
Zavatra roa no manampy an’i Svaneti hahaleo tena. Eo ireo tandavan-tendrombohitra
avo izay mahatonga ny mponina hitokana sady miaro azy ireo amin’ny mpanafika. Eo koa ny tilikambo fiambenana izay mahatonga ny fianakaviana tsirairay hahaleo tena. Izy io no miaro azy ireo amin’ny fahavalo sy ny olona mila ady avy any an-tanàna hafa ary amin’ny fihotsahan’ny lanezy, izay mety hanototra an’ireo trano kely kokoa.Fiainana ao amin’ireo tilikambo fiambenana
Nasaina hitsidika ny tilikambon’ny fianakaviana iray izahay. Efa tamin’ny taonjato faha-12 no nahavitan’izy io. Mizara roa ilay trano: Ny tilikambo fiambenana izay antsoina hoe murkvam sy ilay trano mifandray aminy izay antsoina hoe kor. Any ambany indrindra amin’ny kor no misy ny fandrehetana afo lehibe, izay ahazoana hafanana sy hazavana. Miavaka koa ilay seza hazo lehibe an’ny filohan’ny fianakaviana tsirairay. Anisan’ny fianakaviana iray ny lehilahy sy ny vadiny, ny zanany lahy, ary ny vinantovaviny. Ireo vehivavy no mifandimby manao raharaha, izany hoe mitoto koba, manao mofo, manadio, mamahana biby, ary mandroso afo.
Vita amin’ny vato ilay tilikambo lehibe ary nolalorina fotsy. Misy rihana efatra ilay izy, ary eo ambonin’ilay trano misy rihana roa mifandray aminy. Elaela ny masonay vao zatra ny hazavana tao amin’ilay tilikambo, rehefa niditra tao izahay. Any amin’ireo rihana ambany kokoa no itehirizana ny rano, koba, voankazo, fromazy, divay, ary hena.
Matory any amin’ireo rihana ambany amin’ilay tilikambo ny fianakaviana rehefa misy loza tampoka. Amin’ny fotoan’ny ady kosa no tena ampiasaina ny any ambony indrindra. Ahitana lavaka kely eo amin’ny rindriny ary vita amin’ny solaitra ny tafony. Nilaza ny mpitsidika iray tamin’ny taonjato faha-19 fa “tsy nisy manam-pahefana mba handamina olana [tany], ka nampiasaina foana ny fitaovam-piadiana.” Vonona hiaro tena àry ny fianakaviana tsirairay.
Mahatalanjona tokoa ireo zavaboary tsara tarehy hitanay tany Svaneti, ka velom-pankasitrahana an’i Jehovah izahay rehefa nody. Ho afaka hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ny mponina fahiny nipetraka tany amin’ireny tilikambo fiambenana ireny. Tsy ilaina intsony, amin’izay, ny tilikambo fiambenana sy ny toeram-piarovana hafa. Nahoana? Mampanantena ny Baiboly fa “samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny” ny olona, ary “tsy hisy hampangovitra azy.”—Mika 4:4; Romanina 8:21, 22.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Ambony indrindra: Paata Vardanashvili