Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Inona no Diso eo Amin’io Sary Io?

Vakio ny Estera 5:9–6:14. Inona no zavatra telo diso eo? Soraty eo ambany ny valin-teninao, ary lokoy ny sary.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

3. ․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Nahoana no halan’i Hamana i Mordekay?

Vakio ny Estera 5:9.

Inona no hevi-diso nananan’i Hamana, noho izy nirehareha?

Vakio ny Estera 6:6.

Inona no nanjo an’i Hamana?

Vakio ny Estera 7:9, 10.

Inona no tokony hataonao mba tsy hitovizanao amin’i Hamana?

Vakio ny Ohabolana 16:18, 19; Jakoba 4:6.

ATAON’NY MPIANAKAVY:

Miaraha mamaky an’ilay tantara, ka raha mety, dia ny iray manao mpitantara, ny iray Hamana, ny iray Zaresy sy ny mpanompon’ny mpanjaka, ary ny iray mpanjaka.

Angony ary Ianaro

Hetezo, aforeto, ary tehirizo

ESTERA KARATRA ARA-BAIBOLY 4

FANONTANIANA

A. Iza ilay mpanjakavavy nosoloana an’i Estera?

B. Tohizo ity andininy ity: “Ary nahazo sitraka foana  . . .”

D. Fenoy ny banga: ․․․․․ no anaran’i Estera amin’ny teny hebreo, ary i ․․․․․ zanaky ny dadatoany no nikarakara azy.

[Tabilao]

4026 Talohan’i Kristy (T.K.) Taona 1 98

Noforonina i Adama Niaina tamin’ny 400 Vita ny fanoratana

T.K. tany ho any ny Baiboly

[Sarintany]

Nipetraka tao Sosana, tanàna anisan’ny Fanjakana Medianina sy Persianina, i Estera

MEDIA

Sosana

PERSA

ESTERA

MOMBA AZY

Kamboty izy ary lasa vadin’i Ahasoerosy, mpanjakan’i Persa. Nanao vivery ny ainy izy mba hilazana an’ilay tetika hamongorana ny Jiosy. (Estera 4:11, 15, 16) Be herim-po izy, nahay nandanjalanja rehefa niteny, ary nanaiky fahefana. Sarobidy noho ny hatsaran-tarehiny ireo toetrany ireo.—Estera 2:7; 1 Petera 3:1-5.

VALINY

A. Vasty.—Estera 1:12; 2:16, 17.

B. “... tamin’izay rehetra nahita azy i Estera.”—Estera 2:15.

D. Hadasa (midika hoe Mirta), Mordekay.—Estera 2:7.

Olona sy Tany

4. You-Jin no anarako, ary 7 taona aho. Mipetraka eto Korea, atỳ Azia, aho. Firy eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah eto Korea: 9 700 sa 37 900 sa 96 600?

5. Ataovy anaty boribory izay teboka mampiseho ny atỳ aminay. Asio teboka eo amin’izay misy anao, ary jereo ny elanelan’ny misy anao sy Korea.

A

B

D

E

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireo sary ireo. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

● Any amin’ny pejy 15 ny valin’ny pejy 30 sy 31

VALIN’NY PEJY 30 SY 31

1. Soavalin’ny mpanjaka no tokony hitaingenan’i Mordekay fa tsy kalesy.

2. Akanjom-boninahitra fanaovan’ny mpanjaka no tokony hanaovan’i Mordekay fa tsy akanjo tsotra.

3. Teny amin’ny tany malalaky ny tanàna i Mordekay no nitaingina soavaly, fa tsy teny ivelan’ny manda.

4. 96 600.

5. E.