Mifanaraka ve ny Baiboly sy ny Siansa?
Inona no Lazain’ny Baiboly?
Mifanaraka ve ny Baiboly sy ny Siansa?
“Mpahay siansa aho ary tena zava-dehibe amiko sy mahafaly ahy ireo fotoana tsindraindray ahitako zava-baovao ka ilazako hoe: ‘Izao izany no nanaovan’Andriamanitra an’ity!’ ”—HENRY SCHAEFER, MPAMPIANATRA SIMIA.
TENA manampy antsika hahafantatra an’izao rehetra izao ny siansa. Asehony antsika fa milamina sy vita tsara ary be pitsiny ny zavaboary. Izany no mahatonga ny olona maro hiaiky fa misy Andriamanitra iray tena mahay sy mahery. Mihevitra koa izy ireo hoe tsy ny tsipirian’izao rehetra izao ihany no ahariharin’ny siansa, fa ny fisainan’Andriamanitra koa.
Tena manohana an’io hevitra io ny Baiboly. Hoy ny Romanina 1:20: “Ny [toetran’Andriamanitra] tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.” Hoy koa ny Salamo 19:1, 2: “Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka milaza ny asan’ny tanany. Miboiboika teny fiderana ny andro tsirairay, ary ny alina tsirairay manome fahalalana.” Mahatalanjona tokoa izao rehetra izao, nefa vao ampahany kely momba ny Mpamorona no asehony.
Misy zavatra tsy vitan’ny siansa
Maro ny zavatra momba an’Andriamanitra tsy voazavan’ny siansa. Intỳ misy ohatra: Mety ho hain’ny mpahay siansa ny hanazava momba ny molekiola tsirairay ao amin’ny mofomamy iray. Tsy ho hita amin’ny fikarohana ataony kosa hoe nahoana no namboarina ilay mofomamy ary natao ho an’iza. Izany anefa no tena zava-dehibe amin’ny ankamaroan’ny olona. Mila manontany an’izay nanao an’ilay mofomamy ilay mpahay siansa mba hahazoana valiny.
Izao koa no nolazain’i Erwin Schrödinger, Aotrisianina mpahay fizika sady nahazo loka Nobel: “Manome fanazavana mitombina maro [ny siansa] nefa tsy milaza ny zava-drehetra ... tena mampanahy antsika.” Milaza izy fa anisan’izany ny momba ‘an’Andriamanitra sy ny mandrakizay.’ Andriamanitra ihany, ohatra, no afaka mamaly fanontaniana toy ireto: Nahoana no misy izao rehetra izao? Nahoana ny tany no feno zavamananaina, anisan’izany ny zavamananaina manan-tsaina? Raha Andriamanitra tokoa no mahery indrindra, nahoana no avelany hisy ny faharatsiana sy ny fijaliana? Mbola ho velona indray ve ny maty?
Namaly an’ireo fanontaniana ireo ve Andriamanitra? Eny, tamin’ny alalan’ny Baiboly. (2 Timoty 3:16) Mety hanontany anefa ianao hoe: ‘Ahoana no ahazoako antoka fa tena avy amin’Andriamanitra ny Baiboly?’ Raha araka ny siansa, dia tokony hifanaraka amin’izay hitan’ny mpahay siansa ny zavatra lazain’ny Baiboly momba an’izao rehetra izao. Tsy mifanipaka mantsy ny zavatra ataon’Andriamanitra sy lazainy. Mifanaraka amin’ny siansa àry ve ny Baiboly? Diniho ireto ohatra ireto.
Nilaza zavatra mbola tsy hitan’ny siansa
Tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly, dia betsaka no nino fa misy andriamanitra maro eo amin’izao tontolo izao, ary izy ireo no mifehy ny masoandro, ny volana, ny toetrandro, ny fiterahana, sy ny toy izany, fa tsy ny lalàn’ny natiora. Tsy toy izany kosa ireo Hebreo mpaminanin’Andriamanitra. Fantany fa vitan’i Josoa 10:12-14; 2 Mpanjaka 20:9-11) Nilaza i John Lennox, mpampianatra matematika any amin’ny Oniversiten’i Oxford, any Angletera, fa tsy voatery nesorina tao an-tsain’ireny mpaminany ireny ny finoana an’ireo andriamanitra tsy tena misy, satria efa tsy nino an’ireny mihitsy izy ireo. Hoy izy: “Tsy ninonino foana izy ireo satria nino an’ilay Tena Andriamanitra Mpamorona ny lanitra sy ny tany.”
Jehovah Andriamanitra ny mifehy an’izao rehetra izao, ary efa nisy fotoana nanaovany an’izany. (Niaro azy ireo tamin’ny finoanoam-poana ve izany? Nampahafantarin’ilay tena Andriamanitra azy ireo fa namorona lalàna hifehezana an’izao rehetra izao izy. Nanontany toy izao an’i Joba mpanompony, ohatra, izy, 3 500 taona mahery lasa izay: “Fantatrao ve ny lalàn’ny lanitra?” (Joba 38:33) Niresaka momba ny “lalàna mifehy ny lanitra sy ny tany” koa i Jeremia mpaminany, tamin’ny taonjato fahafito T.K.—Jeremia 33:25.
Fantatry ny olona fahiny nino an’izay nosoratan’ireo mpaminany tao amin’ny Baiboly àry fa lalàna voahevitra tsara no mifehy an’izao rehetra izao, fa tsy andriamanitra tsy fantapantatra sy taitaitra. Tsy niankohoka tamin’ny zavaboary toy ny masoandro na volana na kintana ireo olona natahotra an’Andriamanitra ireo, ary tsy ninonino foana. (Deoteronomia 4:15-19) Nodinihin’izy ireo kosa ireny asa tanan’Andriamanitra ireny, izay mampiseho ny fahendreny sy ny heriny ary ny toetrany hafa.—Salamo 8:3-9; Ohabolana 3:19, 20.
Mitovy hevitra amin’ny mpahay siansa maro ankehitriny koa ny Hebreo fahiny, satria mino fa nanam-piandohana izao rehetra izao. Hoy ny Genesisy 1:1: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” Nilaza tamin’i Joba koa Andriamanitra hoe ‘mihantona eo amin’ny tsy misy ny tany.’ (Joba 26:7) Nilaza koa i Isaia mpaminany, 2 500 taona mahery lasa izay, fa boribory ny tany.—Isaia 40:22. *
Mifanaraka amin’ny zavatra marina resahin’ny siansa momba an’izao rehetra izao tokoa ny Baiboly. Tsy vitan’ny hoe mifanaraka fotsiny ny Baiboly sy ny siansa fa mifameno tsara koa. Toy ny hoe tsy te hianatra momba an’Andriamanitra isika raha tsy miezaka mianatra ny iray amin’ireo.—Salamo 119:105; Isaia 40:26.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 14 Miresaka bebe kokoa momba ny fisian’Andriamanitra sy ny maha marina ny Baiboly ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:
● Inona no fantatsika momba an’Andriamanitra rehefa jerena ny zavatra noforoniny?—Romanina 1:20.
● Inona no tsy voazavan’ny siansa?—2 Timoty 3:16.
● Nahoana ny mpaminanin’ilay tena Andriamanitra no tsy ninonino foana?—Jeremia 33:25.
[Teny notsongaina, pejy 23]
Misy lalàna voafaritra tsara mifehy an’izao rehetra izao, dia ny “lalàna mifehy ny lanitra sy ny tany.” —JEREMIA 33:25.