Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 4
Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 4
Media sy Persa Fahiny
Miresaka momba an’ireo firenena matanjaka resahin’ny Baiboly ny “Mifohaza!”, ka ity no fahefatra amin’ireo lahatsoratra fito misesy momba izany. Nosoratana ireo lahatsoratra ireo mba hampiharihariana fa azo itokisana ny Baiboly, avy amin’ny fanahy masina, ary mampanantena fa hifarana ny fijaliana vokatry ny fitondran’olombelona feno habibiana.
HITA avy amin’ireo sisa tavela amin’ny lapa sy fasan’ny mpanjaka fa tena lehibe sy nahery ary nanan-karena ny fanjakan’i Media sy Persa. I Media aloha no nahery, tamin’ny mbola tsy nikambana i Media sy Persa. Lasa nofehezin’i Kyrosy II, mpanjakan’i Persa, anefa i Media tamin’ny 550 T.K. (Talohan’i Kristy), ka izy no lasa mpanjakan’i Media sy Persa. Tany avaratry ny Hoala Persika aloha no nisy an’io fanjakana io, ary nitatra hatrany amin’ny Ranomasina Égée ka hatrany Ejipta ary hatrany amin’ny faritra avaratrandrefan’i Inde. Tafiditra koa i Jodia.
Nofehezin’i Media sy Persa ny Jiosy nandritra ny 200 taona mahery, nanomboka tamin’ny nianjeran’i Babylona tamin’ny 539 T.K. ka hatramin’ny nandresen’i Gresy an’i Media sy Persa, tamin’ny 331 T.K. Boky maro ao amin’ny Baiboly no mitantara an’ireo zava-nitranga lehibe nandritra an’io fotoana io.
Tantara azo itokisana
Tantarain’ny Baiboly fa nanafaka ny Jiosy babo tany Babylona i Kyrosy II. Navelany hiverina tany Jerosalema izy ireo mba hanorina indray ny tempolin’Andriamanitra, izay noravan’ny Babylonianina tamin’ny 607 T.K. (Ezra 1:1-7; 6:3-5) Manamarina izany ilay Varingarin’i Kyrosy vita tamin’ny tanimanga, hita tamin’ny 1879 teo amin’ny sisan-javatra tao Babylona. Hita ao ny anaran’i Kyrosy. Voalaza ao koa fa fanaony ny namela babo hiverina tany amin’ny taniny miaraka amin’ny fitaovana fampiasany amin’ny fivavahany. Naminany momba an’i Kyrosy i Jehovah. Hoy izy tamin’ny alalan’i Isaia, mpanoratra Baiboly: “ ‘Hotanterahiny an-tsakany sy an-davany izay sitrako rehetra’, hatramin’izay nolazaiko momba an’i Jerosalema hoe: ‘Haorina indray izy’, sy momba ny tempoly hoe: ‘Hapetraka ny fototrao.’ ”—Isaia 44:28.
Milaza ny Ezra 6:3, 4 fa nandidy i Kyrosy hoe “ny tranon’ny mpanjaka no hiantoka” ny lany amin’ny fanorenana indray ny tempoly. Mifanaraka tsara amin’ny tantara tsy ara-pivavahana izany. Hoy ny boky Persa sy ny Baiboly (anglisy): “Fanaon’ny mpanjaka persianina ny manampy amin’ny fanorenana indray an’ireo toeram-pivavahana ao amin’ny fanjakany.”
Milaza ny Baiboly fa nanoratra tany amin’i Dariosy Lehibe (na Dariosy I) ireo mpanohitra ny Jiosy, satria tsy neken’izy ireo hoe nanome alalana ny Jiosy hanorina ny tempoly i Kyrosy. Nasain’i Dariosy nokarohina ilay didy momba an’izany. Inona no vokany? Hita tao Ekbatana renivohitra ny horonana nisy an’ilay didin’i Kyrosy. Namaly àry i Dariosy hoe: “Izaho Dariosy no manome baiko, ka aoka hatao avy hatrany [ny fanorenana indray ny tempoly].” Tsy nisy nanakana intsony àry ilay asa. *—Ezra 6:2, 7, 12, 13.
Manamarina an’izany ny tantara tsy ara-pivavahana. Tao Ekbatana i Kyrosy no nipetraka rehefa fahavaratra ary mety ho tany no nanoratany an’ilay didy. Hita tamin’ireo zavatra nofongarina avy any ambanin’ny tany koa fa zava-dehibe tamin’ny mpanjaka medianina sy persianina ny fivavahana tao amin’ny faritra nofeheziny, ka nanoratra taratasy handaminana ny olana mifandray amin’izany izy ireo.
Faminaniana azo itokisana
Nahita biby efatra nifandimby niakatra avy tany an-dranomasina i Daniela, tao amin’ny nofy iray avy tamin’Andriamanitra. Mifanitsy amin’ireo firenena matanjaka nifandimby izy ireo. Mifanitsy amin’i Babylona ilay biby voalohany, izay toy ny liona manana elatra. “Tahaka ny orsa” mampahatahotra ilay faharoa. “Izao no nolazaina taminy: ‘Mitsangàna, mihinàna nofo be dia be.’ ” (Daniela 7:5) Mifanitsy amin’i Media sy Persa ilay orsa.
Tanteraka tokoa ny faminanian’i Daniela satria tena tia nandresy tany vaovao i Media sy Persa. Resin’i Kyrosy ny Medianina, tsy ela taorian’ilay fahitan’i Daniela. Niady tamin’i Lydia sy Babylona i Kyrosy avy eo. Nandresy an’i Ejipta i Cambyse II zanany lahy. Mbola nitarin’ireo mpanjaka medianina sy persianina ny faritaniny tatỳ aoriana.
Ahoana no ahazoantsika antoka hoe izany tokoa no hevitr’ilay nofy? Tao amin’ny fahitana hafa mifandray amin’io, dia nahita ondrilahy “nanoto niankandrefana sy nianavaratra ary nianatsimo” i Daniela. Tanteraka ilay faminaniana rehefa “nanoto” firenena hafa i Media sy Persa, anisan’izany i Babylona. Nohazavain’ny anjelin’Andriamanitra tamin’i Daniela io fahitana io. Hoy izy: “Ilay ondrilahy hitanao, izay manana tandroka roa, dia ireo mpanjakan’i Media sy Persa.”—Daniela 8:3, 4, 20.
Efa nolazain’i Isaia mpaminany ny anaran’ilay mpanjaka persianina handresy an’i Babylona sy ny fomba handreseny azy, 200 taona teo ho eo talohan’ny nianjeran’i Babylona, izany hoe mbola tsy teraka akory ilay mpanjaka. Hoy i Isaia: ‘Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ilay Isaia 45:1) Nilaza mialoha i Isaia sy Jeremia fa ho ritra ny ‘reniranon’i’ Babylona, na ilay hadivory niaro an’ilay tanàna, izay feno rano avy amin’ny Reniranon’i Eofrata. (Isaia 44:27; Jeremia 50:38) Nohamafisin’i Hérodote sy Xénophon, Grika mpahay tantara, fa marina ny faminanian’ny Baiboly, anisan’izany ilay hoe nanao fety ny Babylonianina tamin’ilay alina nandresen’i Kyrosy an’i Babylona. (Isaia 21:5, 9; Daniela 5:1-4, 30) Navilin’ny tafik’i Kyrosy i Eofrata ary namakivaky an’ilay renirano izy ireo, ka niditra mora foana teo amin’ny vavahadin’ilay tanàna, izay nivoha. Nianjera tao anatin’ny iray alina i Babylona.
voahosony, dia i Kyrosy, izay notantanako tamin’ny tanany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany ary mba hanokafako ny varavarana kopa-droa eo anoloany ka na ny vavahady aza dia tsy hikatona.’ (Nisy faminaniana hafa koa tanteraka, noho io zava-nitranga io. Nilaza mialoha i Jeremia mpaminany fa ho babo 70 taona any Babylona ny vahoakan’Andriamanitra. (Jeremia 25:11, 12; 29:10) Tanteraka ara-potoana tokoa io faminaniana io, ary navela hody tany amin’ny taniny ireo babo.
Fanantenana azo itokisana
Nisy faminaniana nosoratan’i Daniela, taoriana kelin’ny nandresen’i Media sy Persa an’i Babylona. Manazava zava-dehibe iray mifandray amin’ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona izany. Nampahafantarin’ny anjely Gabriela an’i Daniela ny fotoana marina hipoiran’ny Mesia, na ilay ‘taranaka’ nampanantenaina resahin’ny Genesisy 3:15. Hoy ilay anjely: “Manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy, mandra-pahatongan’ny Mesia Mpitarika, dia hisy fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro”, izany hoe 69 herinandro. (Daniela 9:25) Nanomboka oviana izany?
Namela ny Jiosy hiverina an-tanindrazana i Kyrosy, taoriana kelin’ny nianjeran’i Babylona. Mbola rava anefa i Jerosalema sy ny mandany, taona maro tatỳ aoriana. Nanome alalana an’i Nehemia, Jiosy mpandroso zava-pisotro, i Artaksersesy Mpanjaka, tamin’ny 455 T.K., mba hitarihany ny asa fanorenana tany Jerosalema. (Nehemia 2:1-6) Nanomboka teo ireo 69 herinandro.
Tsy herinandro misy fito andro ireo 69 herinandro, fa herinandron-taona. Misy fandikan-tenin’ny Baiboly mandika an’ilay “herinandro” hoe “fito taona.” (Daniela 9:24, 25, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Hipoitra ilay Mesia aorian’ny 69 “herinandro.” Fito taona ny herinandro tsirairay, ka ho 483 taona ny fitambarany. Tanteraka ilay faminaniana rehefa natao batisa i Jesosy tamin’ny taona 29, 483 taona taorian’ny 455 T.K. *
Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany ny faminanian’i Daniela, ka vao mainka voamarina ny mombamomba an’i Jesosy. Manamafy ny fanantenantsika ny hoavy izany. Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy ary hamarana ny fitondrana ratsin’olombelona. Hotanterahiny avy eo ireo faminaniana maro ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny fampanantenana hoe hatsangana ny maty ary hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.—Daniela 12:2; Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 21:3-5.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 9 Mpanjaka telo, fara fahakeliny, no nantsoina hoe Dariosy.
^ feh. 20 Misy fanazavana amin’ny an-tsipiriany sy sarisary momba an’ireo 69 herinandron-taona, ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 197-199.
[Tabilao/Sary, pejy 18]
(Jereo ny gazety)
455 T.K. Taona 29
Nisy 483 taona teo anelanelan’ny fotoana namoahana ny didy hanavaozana an’i Jerosalema sy ny fotoana nisehoan’ny Mesia
[Sary, pejy 16, 17]
Hita ao amin’ny Varingarin’i Kyrosy fa fanaony ny namela babo hiverina tany amin’ny taniny
[Sary, pejy 17]
Mbola hita eo amin’ny sisan’i Pasargades, any Iran ankehitriny, ny fasan’i Kyrosy
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Pejy 16, sary ambony: Sary mivohitra ejipsianina sy sarin’i Néron: Photograph taken by courtesy of the British Museum; sary mivohitra persianina: Musée du Louvre, Paris; ambany, Varingarin’i Kyrosy: Photograph taken by courtesy of the British Museum; pejy 17, fasan’i Kyrosy: © Richard Ashworth/age fotostock