Ilay Aretina Misoko Mangina
Ilay Aretina Misoko Mangina
Nalain-komana lava i Anna, 19 taona, satria tsy te hatavy. Lasa aretina mihitsy ilay izy, saingy sitrana ihany izy tatỳ aoriana. Nianjera anefa izy indray andro, satria nisy tapaka tao amin’ny hazondamosiny. Nanaintaina be ilay izy. Nihena dimy santimetatra koa ny halavan’i Anna. Hay “ostéoporose” no nahazo azy!
MIDIKA hoe “taolana feno loadoaka” ny hoe ostéoporose. Misoko mangina izy io, satria matetika no tsy fantatra hoe voa ny olona iray raha tsy efa tapaka ny taolany. Mihamanify sady lasa marefo ny taolan’ilay olona. Vao mihetsika mafy tampoka izy, na voadona, na mianjera dia efa tapaka ny taolany. Ny maoja, tratra, hazondamosina, na hatotanana no tena voa. Mihevitra ny olona fa mpahazo ny vehivavy zokiolona io aretina io. Hitantsika tetsy ambony anefa fa mety ho voa koa ny tanora.
Aretina tena mampanahy
“Olona iray isaky ny 30 segondra no tapa-taolana any Eoropa, satria mihamalemy ny taolany”, araka ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miady Amin’ny Fahosan’ny Taolana. Olona 10 tapitrisa no tratran’io aretina io any Etazonia, ary 34 tapitrisa no atahorana ho voa. Milaza koa ny Fikambanana Amerikanina Misahana ny Fahasalamana fa ‘ny 50 isan-jaton’ny vehivavy sy ny 25 isan-jaton’ny lehilahy 50 taona no ho miakatra no ho tapa-taolana, satria
mihamalemy ny taolany.’ Mety hitombo anefa izany.Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) fa mety hitombo avo roa heny ny isan’ny olona tapa-taolana ato anatin’ny 50 taona. Mihamaro mantsy ny zokiolona. Efa maro be anefa ny olona lasa kilemaina na maty vokatr’ilay aretina. Maro amin’ireo olona efa zokinjokiny voan’izy io no tapaka maoja. Efa ho ny 25 isan-jatony no maty, herintaona atỳ aoriana, satria tsy nety sitrana.
Inona no mahatonga an’ilay aretina?
Hita tamin’ny fikarohana vao haingana fa manaranaka io aretina io. Tena atahorana ho tapaka maoja ny ankizy, raha efa tratran’izany ny ray aman-dreniny. Mety halemy koa ny taolan’ny olona iray, raha tsy ampy sakafo izy tany am-bohoka. Ankoatra izany, dia mihamalemy ny taolana rehefa mihantitra ny olona. Mety hahatonga an’ilay aretina koa ny diabeta sy ny goatira ary ny aretin’ny fihary ao amin’ny atidoha.
Mampahatanjaka ny taolana ny estrozenina, izay hormonina vokarin’ny fihary atodinaina. Mihena anefa izy io rehefa mitsaha-potoana ny vehivavy. Tsy mahagaga raha avo efatra heny noho ny lehilahy ny vehivavy malemy taolana. Mitsaha-potoana koa anefa ny vehivavy, rehefa esorina ny fihary atodinainy.
Mihamanify ny taolana, rehefa tsy ampy kalsioma sy vitaminina D ny olona iray. Manary kalsioma be koa ny vatantsika raha mihinan-tsira be loatra isika. Mora malemy koa ny taolan’ny olona mpisotro toaka, indrindra raha tsy ampy sakafo izy.
Hitantsika terỳ aloha fa lasa nalemy taolana i Anna, satria nalain-komana lava. Lasa tsy ampy otrikaina mantsy izy, ary nihanahia.
Tsy tonga fotoana intsony koa izy, ka tsy namokatra estrozenina intsony ny vatany.Mora malemy koa ny taolan’ny olona tsy manao fanatanjahan-tena firy na mifoka sigara. Mihena be ny mineraly ao amin’ny taolan’ny olona mpifoka. Milaza ny OMS fa mpifoka sigara avokoa ny ampahavalon’ny olona tapaka maoja. Tsy dia atahorana ho voan’izany intsony anefa ny olona iray, raha miala amin’ny sigara, araka ny fanadihadiana natao.
Ahoana no hisorohana azy io?
Mampahatanjaka ny taolana ny kalsioma ary ao amin’ny taolana no tena ahitana azy io. Tokony hatao izay hahamafy ny taolan’ny ankizy, dieny mbola kely izy. Mihamitombo sy mihamatanjaka mantsy ny taolana amin’io fotoana io. Ireto no sakafo tena be kalsioma: ronono, sakafo vita amin’ny ronono toy ny yaorta sy fromazy, sardinina (hanina miaraka amin’ny taolany), amandy, saozà, anandrano, soflera, laisoa, tsaramaso maina, pirina.
Manampy ny vatana hihazona kalsioma ny vitaminina D. Mahazo an’io vitaminina io isika rehefa mitanina andro. Hoy ny Dr. Manuel Ortega, any Meksika: “Tsy atahorana hihamalemy ny taolanao raha mitanina andro folo minitra isan’andro ianao. Efa ahazoanao vitaminina D be dia be mantsy izany.” Hita ao amin’ny sakafo toy ny tamenak’atody sy trondron-dranomasina ary atin-kena koa io vitaminina io.
Tena ilaina ny fanatanjahan-tena, satria manamafy ny taolan’ny ankizy sy ny tanora, ary tsy mampahalemy ny an’ny zokiolona. Ny fanatanjahan-tena ampiasana ny hozatra no tena tsara. Aza ampiasaina mafy loatra anefa ny taolana sy ny vanin-taolana. Zavatra tsotra azo atao ny mandeha an-tongotra, miakatra tohatra, na mandihy. *
Maro àry ny fomba hisorohana ny fahosan’ny taolana. Ilaina, ohatra, ny mihinana sakafo be kalsioma sy vitaminina D ary manao fanatanjahan-tena. Mampahatanjaka ny taolana izany. Mety ho sarotra amin’ny olona tsy dia mampiasa vatana ny manova ny fomba fiainany. Tena handray soa anefa izy raha miezaka. Angamba izy tsy ho anisan’ireo olona an-tapitrisany voan’io aretina io.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 16 Raha manao fanatanjahan-tena mafy loatra ny vehivavy, dia mety tsy ho tonga fotoana intsony. Lasa tsy ampy estrozenina intsony izy, ka atahorana ho tapa-taolana. Tokony hanao fitsirihana ny vehivavy mihoatra ny 65 taona, sao efa mihamanify na marefo be ny taolany. Mety hisy ihany ny fanafody azo ampiasaina, saingy mila dinihina aloha ny lafy tsarany sy lafy ratsiny.
[Teny notsongaina, pejy 21]
Ho mafy foana ny taolanao, raha mihinana sakafo be kalsioma sy vitaminina D ianao, ary manao fanatanjahan-tena
[Efajoro/Sary, pejy 19]
Manify sy marefo ny taolan’ny olona voan’ny ostéoporose, ka mora tapaka. Azo tarafina ilay olona, mba hahitana raha efa mihamanify ny taolany na tsia.
[Sary]
Taolana salama tsara
Taolana mihamalemy
[Sary nahazoan-dalana]
© BSIP/Photo Researchers, Inc.
[Sary, pejy 20]
Mampahatanjaka ny taolana ny fanatanjahan-tena
[Sary, pejy 20]
Tena be kalsioma ny amandy sy ny sakafo vita amin’ny ronono