Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Izao no hita tao amin’ny taratasy ofisialy nosoratan’i Papa Benoît Faha-16: “Hita fa tena ilana ... fanovana ny eo anivon’ny Firenena Mikambana sy ireo sampan-draharaha misahana ny raharaham-barotra sy ny vola, mba hanana fahefana kokoa ireo firenen-kafa.”—L’OSSERVATORE ROMANO; izy ireo no manao sora-mandry.

“Mifoka sigara iray fonosana eo ho eo isan’andro ny ampahatelon’ny olona any Ukraine.”—EXPRESS, UKRAINE.

Efa ho ny antsasaky ny ankizilahy nadinadinina tany Etazonia no nilaza fa ‘nahita ny sarin’ny ankizivavy mpiara-mianatra aminy niboridana, tao amin’ny Internet na finday.’—TIME, ETAZONIA.

“Mahakivy Noho ny Hatramin’izay”

Milaza ny Fampahalalam-baovao Mitambatra fa “mahakivy noho ny hatramin’izay” ny zava-mitranga ankehitriny, vokatry ny ady, hain-tany, korontana politika, halafosan’ny vidin-tsakafo, ary ny fahantrana. Maherin’ny arivo tapitrisa izao ny olona mosarena eran-tany. Hoy i Josette Sheeran, talen’ny Sampan-draharaha Miandraikitra ny Sakafo ao amin’ny ONU: “Mampidi-doza ny fiainana rehefa mosarena ny olona. ... Safidy telo ihany no ananany rehefa tsy misy ny sakafo: Mirotaka izy, na mifindra monina, na maty. Tsy misy tsara ireo.” Ny loza aza, dia mitombo haingana noho ny isan’ny mponina ny isan’ny olona mosarena. Nitombo 15,4 isan-jato ny tsy ampy sakafo, na dia any amin’ireo tany mandroso aza.

Mahasoa ny Vakiteny Alohan’ny Hatory

Tsy vitan’ny hoe mampatory ny zanany ny ray aman-dreny rehefa mamaky teny aminy alohan’ny hatory. Milaza koa ny mpikaroka fa manatsara ny fahaizan’ilay ankizy miteny izany. Manampy azy hahafehy ny fihetsiny ny fampianarana azy hitazona pejy sy hamadika izany, ary manatsara ny fitadidiany. Hoy ny gazety The Guardian: “Ny zava-dehibe indrindra anefa, ... dia mifampiahy sy miombom-pihetseham-po ny ray aman-dreny sy zanaka, rehefa mamaky teny mafy. Lasa mahafinaritra ny mamaky teny.” Hoy ny Profesora Barry Zuckerman, izay nitarika an’ilay fanadihadiana: “Lasa tia mamaky boky ilay ankizy any aoriana, satria miara-mamaky [izany] amin’ny olona tiany.”

Be Ronono Kokoa ny Omby Faly

Hoy ny mpahay siansa ao amin’ny Oniversiten’i Newcastle, any Angletera: “Be ronono kokoa ny omby omena anarana.” Mitombo hatramin’ny 280 litatra isan-taona ny ronono vokariny, rehefa entina toy ny olona izy. Nahoana? Hoy ny Dr. Catherine Douglas ao amin’ny oniversite Fianarana Momba ny Fambolena sy ny Sakafo ary ny Fampandrosoana ny Tontolo Ambanivohitra: ‘Faly kokoa ny olona rehefa omena fiahiana manokana. Toy izany koa fa faly sy mahazo aina kokoa ny omby rehefa anehoana fiheverana manokana, na dia kely fotsiny aza. Nanaporofo ny zavatra ninoan’ny mpiompy hatramin’ny ela ny fikarohana nataonay. Mahazo aina sy mifandray tsara kokoa amin’ny olona ny ombivavy rehefa antsoina amin’ny anarany na iresahana bebe kokoa arakaraka ny hitomboany. Tsy vitan’izay fa lasa be ronono izy.’