Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Ianao ho Tapa-kevitra Kokoa

Aoka Ianao ho Tapa-kevitra Kokoa

Aoka Ianao ho Tapa-kevitra Kokoa

“Izao ihany no tena nanampy ny mpifoka ho afaka amin’ny sigara: Tena tapa-kevitra mafy ny hiala izy ireo.”—“Aza Mifoka Intsony!”

TOKONY ho tapa-kevitra tanteraka aloha ianao raha te hiala amin’ny sigara. Inona no hanampy anao amin’izany? Eritrereto ny soa horaisinao raha miala amin’ny sigara ianao:

Hitsitsy vola. Mety ho lany vola ana hetsiny isan-taona ianao raha mahalany sigara iray boaty isan’andro. “Tsy nampoiziko mihitsy ny habetsahan’ny vola laniko tamin’ny sigara.”—Gyanu, Népal.

Hahafinaritra kokoa ny fiainana. “Rehefa afaka tamin’ny sigara aho vao nahafinaritra ahy ny fiainako, ary mihatsara foana izany.” (Regina, Afrika Atsimo) Rehefa afaka amin’ny sigara ny olona, dia mihatsara ny fandrenesany fofona sy tsiron-javatra. Matetika koa izy no mihamatanjaka, ary mihatsara ny bika aman’endriny.

Hihasalama. “Ho salama haingana ny lehilahy sy vehivavy miala amin’ny sigara, na firy taona izy na firy taona.”—Foibe Miady Amin’ny Aretina, Etazonia.

Hatoky tena kokoa. “Niala tamin’ny sigara aho satria tsy te handevoziny. Izaho no tiako hibaiko ny tenako.”—Henning, Danemark.

Handray soa ny havana aman-tsakaiza. ‘Mankarary an’ireo manodidina ny sigara. Hita tamin’ny fanadihadiana fa an’arivony isan-taona no matin’ny kanseran’ny havokavoka sy aretim-po, noho ny setro-tsigaran’ny hafa.’—Fikambanana Amerikanina Miady Amin’ny Kansera.

Hampifaly ny Mpamorona. “Ry malala, ... aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo.” (2 Korintianina 7:1) ‘Atolory ny tenanareo ho sorona masina sy ankasitrahan’Andriamanitra.’—Romanina 12:1.

“Tapa-kevitra hiala amin’ny sigara aho, raha vao fantatro hoe tsy tian’Andriamanitra ny zavatra mandoto ny vatana.”—Sylvia, Espaina.

Matetika anefa no tsy ampy raha tapa-kevitra fotsiny. Mety hilaina koa ny fanampian’ny hafa, anisan’izany ny havana aman-tsakaiza. Inona no azon’izy ireo atao?