Ahoana no Ampiasako Amim-pahendrena ny Volako?
Inona no Lazain’ny Baiboly?
Ahoana no Ampiasako Amim-pahendrena ny Volako?
“Kely ny karamako nefa mihamitombo ny vola mila haloako. Matetika aho no tsy mahita tory fa mieritreritra ny fomba hamelomako ny vady aman-janako.”—James.
“Tapi-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato aho.”—Sheri.
FANDRE ny teny toy izany rehefa misy olana ara-toe-karena. Hoy i Juan Somavia, tale jeneralin’ny Birao Iraisam-pirenena Momba ny Asa, mahakasika ny olana ara-toe-karena lehibe vao haingana: “Olana maneran-tany mihitsy izy ity, fa tsy any Etazonia fotsiny.”
Manahy sy very fanantenana ny olona, rehefa very asa tampoka na tsy manana izay ilainy andavanandro. Efa nahatsapa toy izany koa i Davida mpanoratra Baiboly. Nivavaka izy hoe: “Mihamaro ny fahorian’ny foko. Afaho amin’ny fahorian-tsaina aho.” (Salamo 25:17) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fotoana iainantsika? Afaka manatsara ny fiainantsika sy manome antsika fiadanan-tsaina ve ny fahendrena avy ao amin’ny Baiboly?
Fahendrena mandritra ny fotoan-tsarotra
Efa nilaza ny Baiboly fa hampiavaka ny “andro farany” iainantsika ny “fahoriana” sy ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” (2 Timoty 3:1; Matio 24:8) Hita tokoa fa marina izany! Tsy very fanantenana anefa isika. Manome antsika ny fahendrena ilaina hiatrehana ny olana ara-toe-karena mantsy Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly.
Manampy antsika hihevitra ny vola araka ny tokony ho izy, ohatra, ny Baiboly. Hoy ny Mpitoriteny 7:12: “Fiarovana ny fahendrena, ary fiarovana koa ny vola. Izao anefa ny tombony azo amin’ny fahalalana: Rehefa ampiarahina amin’ny fahendrena izy dia miaro ny ain’izay manana azy.” Marina fa afaka miaro ihany ny vola. Ny fahendrena avy amin’Andriamanitra, hita ao amin’ny Baiboly anefa, no tena miaro amin’ny fotoana rehetra. Ireto misy ohatra:
Fomba iatrehana fahasahiranana
Mazotoa miasa. “Maro ny fanirian’ny kamo, nefa tsy manana na inona na inona izy. Tsy hanan-java-mahory kosa ny mazoto.” (Ohabolana 13:4) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Aoka ianao halaza ho manao ny marina sy mazoto miasa. Tena tian’ny mpampiasa ny olona toy izany, ary mora mahazo asa. Azo antoka koa fa tsy izy no ho voaroaka voalohany.—Efesianina 4:28.
Mandiniha aloha fa aza maika hividy. Hoy i Jesosy: ‘Iza aminareo no te hanorina tilikambo Lioka 14:28) Marina fa ny kajin’izay ho lany amin’ny fanarahana ny diany no nasain’i Jesosy nodinihin’ireo mpianany. Azo ampiharina ara-bakiteny koa anefa io teniny io. Manaova àry teti-bola, ka ataovy lisitra ireo zavatra tena ilainao sy ny vidiny.
nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany, mba hahitana raha manana ny ampy hamitana azy izy, na tsia?’ (Aza mandany vola amin’ny fahazaran-dratsy. Ratsy eo imason’Andriamanitra avokoa ny filokana, fifohana sigara, fampiasana zava-mahadomelina ary fimamoana.—Ohabolana 23:20, 21; Isaia 65:11; 2 Korintianina 7:1.
Aza ‘tia vola.’ (Hebreo 13:5) Tsy ho sambatra sy ho diso fanantenana izay tia vola. ‘Manindrona ny tenany amin-javatra maro mampanaintaina’ izy. (1 Timoty 6:9, 10) Lasa tsy mety afa-po koa izy. Tsy ho ampy azy foana mantsy izay vola ananany.—Mpitoriteny 5:10.
Mahaiza mianina. “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady tsy hahatondra na inona na inona hiala. Koa raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1 Timoty 6:7, 8) Mety tsy hanahy be loatra ny olona mahay mianina amin’izay kely ananany, rehefa mitotongana ny toe-karena. Mahaiza àry mianina amin’izay anananao.—Jereo ilay efajoro etsy ampita.
Tsy misy mahalala izay avoakan’ny ampitso isika. Hoy ny Mpitoriteny 9:11: “Mety ho azon-tsampona [isika] rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.” Tsy ‘mametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy azo antoka’ àry ny hendry, “fa amin’Andriamanitra.” Hoy mantsy izy amin’ireo tsy mivadika aminy: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.”—1 Timoty 6:17; Hebreo 13:5.
EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:
● Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fotoana iainantsika?—2 Timoty 3:1-5.
● Aiza no misy tari-dalana azo antoka ankehitriny?—Salamo 19:7.
● Inona no azoko atao mba hananan’ny fianakaviako hoavy azo antoka?—Mpitoriteny 7:12.
[Efajoro/Sary, pejy 19]
FOMBA HITSITSIANA VOLA
Fiantsenana: Ataovy lisitra ny zavatra hovidinao. Aza vidina izay tsy ao. Ampitahao ny vidin-javatra. Hararaoty ny fihenam-bidy ary amin’ny vanim-potoana tsy ilan’ny olona an’ilay entana ividianana azy. Mividiana ambongadiny, raha mety.
Fandaniana ao an-trano: Aloavy ara-potoana ny faktiora mba tsy hitombo ny vola haloa. Karakarao ao an-trano ny sakafo sy zava-pisotro, ary mahalalà onony amin’ny sakafo sy zava-pisotro misy alkaola. Vonoy ny jiro sy fitaovana elektrika rehefa tsy miasa. Fitaovana tsy dia mandany herinaratra ampiasaina, raha mety. Eritrereto raha afaka mifindra amin’ny trano kely kokoa ianareo.
Fitaterana: Raha mila fiara ianao, dia izay mbola tsara sy mitsitsy lasantsy vidina. Tsy voatery ho vaovao ilay izy. Atambaro ireo dia mila hatao, ary miaraha maromaro ao anaty fiara iray, raha mety. Raha tsy izany, dia fitateram-bahoaka ampiasaina na mandehana an-tongotra na bisikileta na môtô. Rehefa mora ny saran-dalana vao mandehana manao vakansy, ary aza mandeha lavitra be.
Telefaonina sy tele: Sady mila telefaonina ao an-trano ve ianareo no mila finday? Raha manana finday ny zanakao, azony atao ve ny tsy dia mampiasa an’ilay izy na tsy mampiasa mihitsy? Raha manao famandrihana amin’ny tele vahiny ianareo, azo ahena ve ny isan’ireo foibena fahitalavitra handraisanareo fandaharana? Hihena ny vola haloanareo amin’izay. a Manofà boky sy filma fa aza mividy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila soso-kevitra fanampiny, dia jereo ny lahatsoratra hoe “Mahaiza Mitantam-bola”, ao amin’ny Mifohaza! Martsa 2009, sy ilay hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Hahaizako Mitsitsy Vola?”, ao amin’ny Mifohaza! Jona 2006.