Fomba 20 Andaminana Fotoana
Hetezo sy Tehirizo
Fomba 20 Andaminana Fotoana
“Mitondrà tena amim-pahendrena foana . . . , ka mahaiza manararaotra fotoana.”—Kolosianina 4:5.
EFA fantatrao ve hoe inona avy no tokony hataonao mandritra ny andro? Ahoana anefa no hanatanterahana azy ireo? Mety hanampy anao ireto soso-kevitra ireto:
1 SORATY IZAY TIANAO HATAO ISAN’ANDRO. Asio laharana izy ireo, arakaraka izay hataonao voalohany. Mariho ireo asa tokony handaniana fotoana kokoa. Asio marika izay asa vita. Ampidiro ao amin’ny lisitr’izay hatao rahampitso izay tsy vita.
2 ATAOVY MITOVY NY LISITRA AO AMIN’IREO KALANDRIENAO. Raha mampiasa kalandrie ao amin’ny ordinatera sy kalandrie hafa ianao, dia ampitovio ny zavatra soratanao ao amin’ireo. Tandremo sao manadino fotoana, satria fotsiny hoe tao amin’ilay kalandrie anankiray no nanoratanao azy.
3 SORATY NY FOMBA HANATANTERAHANAO ny asa iray, ary alaharo tsara.
4 ATAOVY LOHA LAHARANA IZAY ASA MANAN-DANJA INDRINDRA. Ho mora kokoa aminao amin’izay ny hahita fotoana hanaovana ireo asa tsy tena lehibe.
5 MAMETRAHA TANJONA MORA TRATRARINA. Mora kokoa ny miezaka manatsara ny fomba fiasa noho ny hoe miezaka ho lasa lehiben’ny orinasa.
6 EKEO FA TSY HANAM-POTOANA HANAOVANA NY ZAVA-DREHETRA IANAO. Ireo asa ahitam-bokatra indrindra no tena andanio fotoana. Ahoana ny amin’ireo asa hafa maika na tsy maintsy atao fotsiny? Raha tsy azonao ialana na tsy azo omena olon-kafa izy ireny, dia aza andaniana fotoana be loatra. Afaka miandry amam-bolana na tsy voatery atao mihitsy aza ny asa sasany tsy dia lehibe. Ireo zavatra tokony hatao mba hanatratrarana ny tanjonao no tena ifantohy.
7 SORATY IZAY ANDANIANAO NY FOTOANANAO ato anatin’ny herinandro na tapa-bolana. Ho hitanao amin’izay ny nampiasanao ny fotoananao. Ny asa tsy dia lehibe ve no tena nibahan-toerana? Olona mitovy foana ve no nanelingelina anao? Amin’ny fotoana iray ao anatin’ny andro na herinandro ve ianao no tena voahelingelina? Aza atao intsony ireo asa hitanao hoe nandany fotoana fotsiny.
8 AZA MIERITRERITRA NY HANAO ZAVATRA BE DIA BE. Aoka hatao hoe mikasa hiantsena, hanamboatra fiara, hanasa namana, hijery filma, ary hamaky boky ianao androany. Ho tsapanao fa hirotoroto sy tsy ho faly ianao.
9 AHENAO NY FANELINGELENANA. Manokàna fotoana isan’andro ho anao irery. Tsy tokony hisy hanelingelina mihitsy ianao amin’io, raha tsy hoe tena maika angaha. Raha mety, dia vonoy ny finday sy ny zavatra hafa mety hanelingelina.
10 ATAOVY AMIN’NY FOTOANA MAMPAHATANJAKA SY MAMPIFANTOKA TSARA ANAO NY ASA SAROTRA INDRINDRA.
11 VITAO ALOHA NY ASA TSY MAHAFINARITRA INDRINDRA. Hazoto kokoa hanao ny asa tsy dia sarotra ianao avy eo.
12 MANOKÀNA FOTOANA HO AN’NY ZAVATRA TSY AMPOIZINA. Raha afaka ny ho tonga ao anatin’ny 15 minitra ianao, dia lazao fa ho tonga ianao afaka 25 minitra. Raha hitanao fa haharitra adiny iray ny resaka ataonao, dia hevero hoe haharitra adiny iray sy fahatelony izany. Asio fotoana malalaka ao amin’ny fandaharam-potoananao.
13 AZA AVELA HO VERIVERY FOTSINY NY FOTOANA. Mihainoa vaovao na kasety na CD rehefa miharatra. Mamakia boky rehefa miandry na mandeha bisy. Marina fa afaka maka aina ianao, nefa aza avela ho verivery fotsiny ny fotoananao, sao hanenenana.
14 IZAY TENA ZAVA-DEHIBE AMIN’NY ASA IFANTOHANA. * Mety ho 2 amin’ireo asa 10 tianao hatao ihany no tena zava-dehibe. Azo heverina ho toy ny vita ny asa sasany rehefa vita ny lafiny lehibe aminy.
15 RAHA BE LOATRA NY ASANAO, dia makà taratasy kely maromaro ary soraty eo ny asa tsirairay. Tsinjarao izy ireo avy eo hoe: “Asa Androany” sy “Asa Rahampitso.” Manaova toy izany isan’andro.
16 MANOKÀNA FOTOANA HAKANA AINA. Mety hahita vokatra kokoa ianao rehefa avy maka aina no miverina miasa, noho ny hoe miasa mandritra ny ora maro ivelan’ny ora fiasana.
17 MANORATA REHEFA MIERITRERITRA. Soraty ny olana mahazo anao, sy ny hoe nahoana ilay izy no mahasorena anao. Ataovy lisitra eo izay vahaolana tonga ao an-tsainao.
18 AZA MITADY NY TONGA LAFATRA. Ajanony ny asa iray rehefa hitanao hoe vita, ka manaova asa lehibe hafa indray.
19 MAZOTOA MIASA. Miasà dieny malaina, ary tonga dia atombohy ny asa.
20 AZA HENTITRA LOATRA. Soso-kevitra fotsiny ireo fa tsy lalàna. Andramo izy ireo, fantaro izay tena mandaitra, ary amboary hifanaraka amin’ny toe-javatra misy anao.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 18 I Vilfredo Pareto, manam-pahaizana italianina momba ny toe-karena tamin’ny taonjato faha-19, no nahita an’io hevitra io. Antsoina hoe fitsipik’i Pareto izy io. Voamariny fa matetika no avy amin’ny 20 isan-jaton’ny ezaka atao ny 80 isan-jaton’ny vokatra azo. Nampiharina tamin-javatra maro izy io. Raha mikosoka gorodona, ohatra, ianao, dia eo amin’ny faritra hitsahin’ny olona matetika no kosehinao, izany hoe ny 20 isan-jaton’ny gorodona. Ny 80 isan-jato eo ho eo amin’ny loto àry no afakao.