Ireo Nosy Féroé Iray na dia Sarahin’ny Ranomasina Aza
Ireo Nosy Féroé Iray na dia Sarahin’ny Ranomasina Aza
ANY Atlantika Avaratra no misy an’ireo nosy kely 18 atao hoe Nosy Féroé. Tena kanto izy ireo ary voahodidina ranomasina misamboaravoara. Féroïen no fitenin’ny mponina. Misy tendrombohitra mitsatoka be sy mikitoantoana eny amoron-tsiraka, ary ahitana trano miloko samihafa. Maitso mavana erỳ ny havoana rehefa fahavaratra.
Miisa 48 000 ny mponina any, ary mifampiankina ny fiainan’izy ireo. Sahirana anefa izy ireo indraindray. Lakana mantsy taloha no nitaterana ny olona sy ny entana. Nianika tendrombohitra na namakivaky lohasaha tery koa ny olona rehefa ho any amin’ny tanàna hafa. Asa be ny nanorina trano, indrindra raha tsy maintsy notaterina tamin’ny lakana ny fitaovam-panorenana rehetra. Nila notaomina nankany an-tanàna koa ilay izy, rehefa tonga teo amoron-drano.
Ny mponina voalohany tany
Boky nosoratan’ny moanina irlandey iray tamin’ny taona 825, no asa soratra tranainy indrindra hita momba an’ireo Nosy Féroé. Nitantara izy fa efa nisy moanina irlandey nitoka-monina tany, zato taona mahery talohany. Voalaza anefa fa teo am-piandohan’ny taonjato fahasivy vao nisy mponina tany, rehefa tonga tany i Grímur Kamban avy any Norvezy.
Mpanjono no tena asan’ny mponina voalohany tany, nefa niompy ondry koa izy ireo. Midika hoe “Nosin’ny Ondry” ny hoe “Nosy Féroé.” Mbola miompy ondry ny olona any hatramin’izao. Natao hiarovana amin’ny rivotra sy ny orana ary ny hatsiaka ny volonondry. Voalaza fa ny ‘volonondry no volamenan’ny Nosy Féroé.’
Betsaka noho ny olona ny ondry any. Mbola tsy mampiasa fitaovana maoderina ny olona rehefa mamono ondry. Rehefa maty ilay ondry, dia ahantona ao anaty trano hazo misy rivotra mifamezivezy, ary avela ho maina. Hafakely ny tsirony, ka heverina ho sakafo miavaka.
Niray hina be foana ny mponina tany amin’ny Nosy Féroé, satria vitsy sady lavitry ny tany hafa. Mifampiankina rahateo ny fiainany. Mbola mifandray akaiky izy ireo hatramin’izao, satria efa misy fitaovam-pitaterana sy fitaovam-pifandraisana maoderina any.
Ampifandraisin’ny tionelina
Vita tamin’ny 1963 ny tionelina voalohany any. Any Suðuroy, nosy farany atsimo, no misy azy io. Tendrombohitra nolavahana izy io, ary mampifandray tanàna roa. Asa be ny nanao azy satria niara-nohadina sy nolavahana ary napoaka tamin’ny dinamita ny andaniny roa tamin’ilay tendrombohitra.
Misy tionelina iray koa natao vao haingana. Any amin’ny 150 metatra any ambanin’ny ranomasina izy io, ary mampifandray nosy roa lehibe. Nolavahana aloha ny vatolampy hanaovana ilay tionelina, ary napoaka tamin’ny dinamita. Nesorina ireo poti-bato avy eo. Dimy metatra isaky ny nandeha ny tionelina vita. Toy izany foana no natao mandra-pahazoana tionelina enina kilaometatra. Azo nampiasaina ilay tionelina nanomboka tamin’ny 29 Aprily 2006.
Misy tionelina 18 izao any amin’ireo Nosy Féroé, ary any ambanin’ny ranomasina ny roa. Efa mieritreritra ny hanao tionelina hafa ny fanjakana. Nanapa-kevitra izy ireo fa hanamboatra tionelina roa fanampiny mba hampifandraisana nosy lehibe roa. Mirefy 11,9 kilaometatra ny iray, ary antenaina fa ho vita amin’ny taona 2012. Anisan’ny tionelina lava indrindra any ambanin’ny rano izy io.
Fifandraisana tsy fahita firy
Misy antokon’olona tena miray saina any amin’ireo Nosy Féroé. Tsy iza izany fa ny Vavolombelon’i Jehovah. Vehivavy roa be fandavan-tena avy any Danemark no Vavolombelona tonga voalohany tany, tamin’ny 1935. Nitory isan-trano momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Nihaino an’ilay hafatra ny mponina sasany, ary nitory azy io koa tatỳ aoriana.—Matio 24:14.
Zato eo ho eo ny Vavolombelona any, ary mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana efatra samy hafa. Mazoto mitory izy ireo. Mora kokoa izao ny asany, satria efa misy lalana tsara sy tionelina maromaro any amin’ireo nosy kanto any Atlantika Avaratra ireo.
[Sary, pejy 17]
Midina any amin’ny 150 metatra any ambanin’ny ranomasina ity tionelina ity, ary mampifandray nosy roa lehibe