Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Inona no efa Natao Manoloana ny Tsy Fahampian-drano? (Janoary 2009) Mampieritreritra ahy ny famaranana an’io lahatsoratra io, satria tsy mba mandrisika ny mpamaky hanampy ny hafa hanamboatra lavadrano, na hanohana tetikasa fitehirizan-drano, na hitady vahaolana hafa. Lazainy kosa hoe: “Andriamanitra no tena afaka mandamina ny olana momba ny tsy fahampian-drano”, ary ‘ “hanavao ny zava-drehetra” izy. (Apokalypsy 21:5)’ Mampahery izany nefa tsy aleo ve manao zavatra, mandra-pahatongan’izay? Maro loatra ny olana ankehitriny. Marina fa efa manomana vahaolana Andriamanitra, nefa tsy mandry ny saintsika raha hiandry fotsiny amin’izao, ka hamela ny Devoly hanao ny asany.

S. S., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Tsy te hilaza akory io lahatsoratra io hoe tsy tokony hanao na inona na inona mba hanatsarana ny zava-misy ny tsirairay. Lazainy ao mantsy fa “nankinin’Andriamanitra tamin’ny olona ny fikarakarana ny tany.” Izany no antony amoahanay lahatsoratra maro mampirisika ny olona hazoto hiaro ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary. Mampalahelo anefa fa tsy miaro ny tontolo iainana ny lalàna apetraky ny olona, fa manome vahana ny fandrosoan’ny toe-karena kosa. Eo koa ireo olona tsy lavorary izay tsy mety afa-po sady tia tena. Lasa voasakantsakana àry ny ezaka ho fiarovana an’ireo harena voajanahary. Izany no antony ilazanay hoe “Andriamanitra no tena afaka mandamina ny olana momba ny tsy fahampian-drano.”

Natao Honenana ny Tany (Febroary 2009) Zavatra mampahatahotra foana no lazain’ny vaovao, noho ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany. Tena nampilamin-tsaina ahy àry io andian-dahatsoratra io. Faly be koa aho nahalala fa tsy manjombona ny hoavin’ny tany. Ho lasa paradisa kosa izy io, ary hihavana amin’Andriamanitra ny olona miaina eo sady hiadana. Misaotra betsaka anareo aho!

M. H., Japon

Tsy Kivy Aho na Tsy dia Mahay Mamaky Teny Aza (Febroary 2009) Tsy dia mahay mamaky teny koa aho. Mampalahelo anefa fa tsy tena takatro ny vokatr’io aretina io teo amiko, raha tsy efa voatendry ho misionera izahay mivady, ary niezaka nianatra fiteny hafa aho. Tena nampahery ahy ilay lahatsoratra, indrindra fa ilay efajoro eo amin’ny pejy faha-22, izay nanampy ahy hahalala an’ilay aretiko. Nampirisika ahy ny olona mba hijery hoe ahoana no nahafahan’i Michael Henborg nianatra fiteny maromaro. Misaotra betsaka anareo aho!

M. M., Tanzania

Manontany ny Tanora Hoe... Inona no Hataoko mba ho Tiako ny Mamaky Baiboly? (Aprily 2009) Tsy mahita tsara aho, ka mampiasa Braille any am-pianarana. Tena tiako ny boky sy gazetinareo, satria manampy ahy handresy olana maro. Matetika aho no mihaino kasety sy CD navoakanareo, alohan’ny hatoriana. Mba mieritreritra zavatra tsara aho amin’izay. Indimy, fara fahakeliny, no nihainoako an’io lahatsoratra io, ary nahita hevitra vitsivitsy hanatsarana ny fianarako samirery aho.

S. H., Frantsa