Sambatra na dia Manana Olana Aza—Fizarana Faharoa
Sambatra na dia Manana Olana Aza—Fizarana Faharoa
Hitantsika tao amin’ny “Fizarana Voalohany” fa afaka manampy ny fianakaviana hiatrika olana ny Baiboly. * Izao no ampanantenain’i Jehovah Andriamanitra an’ireo manaraka ny fitsipiny: “Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao. Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.”—Salamo 32:8.
Sahirana ara-bola. Matetika no mampiady ny mpivady ny resa-bola. Manampy azy ireo tsy hiasa saina be momba ny vola anefa ny Baiboly. Hoy i Jesosy: ‘Aza manahy intsony ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.’—Matio 6:25, 32.
Lasa sahirana i Issachar, any Etazonia, rehefa ravan’ny Rivo-doza Katrina ny tranony. Tantarainy ao amin’ny pejy faha-23 izay nataony.
Misy marary ao an-trano. Mety harary daholo ny olona. Vetivety dia sitrana ny sasany. Ny hafa kosa manana aretina mitaiza. Milaza ny Baiboly fa afaka manohana ny marary eo am-pandriana i Jehovah. (Salamo 41:1-3) Mety ho ny mpianakavy ihany no ampiasainy amin’izany.
Marary mafy i Noriko, any Japon. Mifarimbona mikarakara azy ny vady aman-janany. Tantarain’i Hajime vadiny, ao amin’ny pejy faha-24 izany.
Namoy zanaka. Tena mafy ny maty zanaka. Mampanantena anefa i Jehovah fa hanafoana ny fahafatesana sy ny ranomaso aterak’izany. (Apokalypsy 21:1-4) Mampionona an’ireo nidonam-pahoriana koa izy, dieny izao.—Salamo 147:3.
Mbola menavava ny zanak’i Fernando sy Dilma, any Etazonia, dia efa maty. Tantarain’izy ireo ao amin’ny pejy faha-25 ny fampaherezana azony avy ao amin’ny Baiboly.
Tena nanampy an’ireo fianakaviana ireo ny Baiboly, na dia manana olana aza izy ireo. Vakio ireo pejy manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Vakio ny pejy 14-17.
[Efajoro/Sary, pejy 23]
Sahirana Ara-bola Nefa Tafavoaka Ihany
Notantarain’i Issachar Nichols, Etazonia
“Rava tanteraka ny tranonay taorian’ny Rivo-doza Katrina, ary dibo-drano nandritra ny iray volana sy tapany ilay sekoly niasako.”
NIPETRAKA tany Mississippi, Etazonia, izaho sy Michelle vadiko ary Sydney zanakay vavy roa taona, teo antenatenan’ny taona 2005. Vavolombelon’i Jehovah izahay ka niezaka mafy hitory araka izay azo atao. Mpampianatra asa aho, ary tany Nouvelle-Orléans, Louisiane, ny sekoly nampianarako. Telo andro isan-kerinandro fotsiny aho no niasa, ka nanam-potoana nampianarana Baiboly. Nandeha tsara ny fiainanay. Indray andro anefa, dia renay tamin’ny vaovao fa nananontanona ny Rivo-doza Katrina. Niala tao an-trano avy hatrany àry izahay.
Ravan’ilay rivo-doza ny tranonay sy ilay sekoly nampianarako. Soa ihany fa nanome vola anay ny trano fiantohana sy ny fanjakana, ka nahazo trano ipetrahana izahay. Tsy nahita asa raikitra anefa aho. Nahazo aretina avy amin’ny rano maloto koa ny vadiko. Reraka be izy vokatr’izany, ka nanjary voan’ny aretina azo avy amin’ny moka. Nanampy trotraka izany ny fisondrotan’ny vidim-piainana sy ny saram-piantohana.
Ahoana no nataonay? Niezaka nitsitsy izahay ka noferanay ny zavatra novidinay, na dia tena nilaina aza. Tsy nifidifidy asa koa aho.
Ekeko fa mafy taminay ny namoy fananana. Faly anefa izahay tsy maty fo aman’aina. Hitanay koa fa tsy voatery hahavonjy ny fananana. Tsaroanay ny tenin’i Jesosy hoe: “Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”—Lioka 12:15.
Hitanay koa fa nisy olona namoy zavatra maro kokoa noho izahay. Nisy aza namoy ny ainy mihitsy. Niara-niasa avy hatrany tamin’ny mpamonjy voina àry aho, ka nampahery an’ireo very fananana sy nidonam-pahoriana.
Tena nampahery anay tao anatin’ny mafy ny Salamo 102:17, izay milaza fa “hihaino ny vavak’ireo tsy manana na inona na inona intsony” i Jehovah Andriamanitra, ary “tsy hanamavo ny vavak’izy ireo.” Tena hitanay fa marina izany!
[Efajoro, pejy 23]
Nandravarava faritra maro ny Rivo-doza Katrina sy Rita, tamin’ny 2005. Avy hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanangana toby 13 mpamonjy tra-boina sy trano 9 fanatobiana entana ary fanatobian-tsolika 4. Vavolombelona efa ho 17 000 eran’i Etazonia sy avy any amin’ny tany 13, no tonga nanampy an-tsitrapo. Nanamboatra trano an’arivony izy ireo.
[Efajoro/Sary, pejy 24]
Tsy Kivy ny Vadiko na dia Marary Aza
Notantarain’i Hajime Ito, Japon
“Tena tianay ny niara-nahandro sakafo, talohan’ny nahararian’i Noriko. Tsy afaka misakafo sy misotro rano amin’ny vavany intsony anefa izy izao, sady tsy afaka miteny. Mampiasa seza misy kodiarana izy, ary fitaovana manokana no manampy azy hiaina.”
NIHATSY nazava ny fitenin’i Noriko vadiko, tamin’ny Mey 2006. Nihasahirana koa izy, rehefa nihinana sy nisotro. Fantatra tamin’ny Septambra 2006 fa voan’ny aretina manimba tsikelikely ny selan’ny atidoha sy ny tsokan-damosina izy. Niova tanteraka ny fiainanay, tao anatin’ny efa-bolana monja. Tsy tapitra teo anefa ny fijalian’i Noriko.
Lasa tsy afa-nihetsika ny lelan’i Noriko sy ny tanany havanana. Nodidiana izy ka nanatsofohana fantsona teo amin’ny vavoniny, mba hampidirana sakafo. Nasiana lavaka koa ny tendany mba hahafahany hiaina. Tsy afaka niteny intsony izy vokatr’izany. Tena mafy tamin’i Noriko izany, satria zatra nanao zavatra maro izy. Vavolombelon’i Jehovah mantsy izahay, ary mpitory manontolo andro izy sy ireo zanako vavy. Tsy afa-miala eo ambony fandriana izao i Noriko, ary fitaovana no manampy azy hiaina.
Tsy kivy anefa izy! Manatrika fivoriana kristianina, ohatra, izy. Mipetraka eo ambony seza misy kodiarana izy any, ary entina ilay fitaovana ahafahany miaina. Mandray an-tsoratra ho azy ny zanako vavy, satria tsy mahare tsara intsony izy. Marina fa tsy afaka mitory manontolo andro intsony i Noriko, nefa mbola manoratra amin’ny olona izy mba hiresahana ny fampanantenan’ny Baiboly. Fitaovana mifandray amin’ny ordinatera no anaovany izany.—2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-4.
Mifarimbona mikarakara an’i Noriko izahay telo mianaka. Nahazo asa vaovao ny zanako roa vavy, ka manam-potoana kokoa hikarakarana ny ao an-trano. Ifampizaranay ny raharaha fanaon’i Noriko taloha.
Hitako hoe reraka i Noriko indraindray, amin’ny maraina. Te hilaza aminy aho hoe: ‘Mba mialà sasatra androany.’ Te hitory foana anefa izy. Hitako eo amin’ny masony fa faly be izy, raha vao manomboka mikarakara ilay ordinatera fanoratany aho! Azoazony erỳ ny ainy rehefa manoratra izy. Marina tokoa fa tena mandray soa ny olona “be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.”—1 Korintianina 15:58.
Tena nanampy an’i Noriko tsy ho kivy ny Mifohaza! Janoary 2006, izay ahitana ny tantaran’i Jason Stuart, tovolahy mitovy aretina aminy. Gaga àry ny mpiasan’ny hopitaly. Noresahin’i Noriko tamin’izy ireo ilay lahatsoratra, ary nizaranay an’ilay gazety izy ireo. Tena mampahery ny vadiko ny miresaka momba ny finoany.
Efa 30 taona nivadiana izao izahay sy Noriko. Tato anatin’ny telo taona anefa dia nahamarika zavatra tsara maro taminy aho. Tsy noraharahaiko firy izy ireny taloha. Tena sambatra aho manana an’i Noriko!
[Efajoro/Sary, pejy 25]
Ho Velona Indray Ilay Zanakay!
Notantarain’i Fernando sy Dilma Freitas, Etazonia
“Tsy hay lazaina ny alahelo, rehefa maty ny zanaka. Tsy misy fahoriana mafy noho izany.”
MATY i Precious zanakay vavikely, tamin’ny 16 Aprily 2006. Folo andro monja izy tamin’izay. Vao telo volana tao an-kibo izy, dia efa nolazain’ny dokotera fa narary fo. Fantatray tatỳ aoriana fa ho faty avy hatrany izy raha vao teraka, na aoriana kelin’izay. Tena mafy taminay ny nieritreritra izany. Salama tsara daholo mantsy ireo zanakay telo vavy, ka tsy nino izahay hoe ho faty ny zandriny.
Vao teraka i Precious, dia hitan’ny dokotera fa voan’ny karazana fahasamponana ao amin’ny sela. Zaza 1 ao anatin’ny 5 000 no tratran’izy io. Nazava fa ho faty tsy ho ela i Precious. Nahatsiaro ho tsy afa-nanoatra izahay. Ny hany azonay natao dia ny nanararaotra niaraka taminy, nandritra ny andro vitsy niainany.
Tena nahafinaritra anay ny niaraka tamin’i Precious, nandritra ny folo andro. Nanjary niraiki-po taminy izahay dimy mianaka. Notrotroinay izy, niresahanay, nofihininay, nataonay ba, ary nalainay sary imbetsaka. Nifampiresaka koa izahay hoe iza no nitovy taminy. Nitsidika anay isan’andro ilay dokotera. Niara-nitomany taminay izy ary nilaza fa tena nalahelo. Nanao sarin’i Precious izy mba hahatsiarovany azy, ary nomeny iray izahay.
Vavolombelon’i Jehovah izahay ka tena mino fa hamerina ny tany ho paradisa Andriamanitra, araka ny voalazan’ny Baiboly. Maniry mafy hanangana ny maty koa izy, ka anisan’izany ny zazakely toa an’i Precious. (Joba 14:14, 15; Jaona 5:28, 29) Tsy andrinay izay hitrotroana azy indray. Tena faly izahay isaky ny mandre hoe “paradisa”! Mampionona anay koa ny mahafantatra fa tadidin’Andriamanitra i Precious sady tsy mijaly intsony.—Mpitoriteny 9:5, 10.