Inona no Tsapan’ny Olona Ketraka Lava?
Inona no Tsapan’ny Olona Ketraka Lava?
HOY i Jery: * “Vao 12 taona aho tamin’izay. Nifoha aho, indray maraina, ary nipetraka teo an-tsisim-pandriana. Nieritreritra aho hoe: ‘Androany ve aho no ho faty?’ ” Ketraka mafy i Jery tamin’izay. Hoy izy, 30 taona tatỳ aoriana: “Niady tamin’io aretin-tsaina sy aretina ara-pihetseham-po io aho, isan’andro.” Nahatsiaro ho tsy nisy vidiny izy tamin’ny mbola tovolahy, ka nopotehiny daholo ny sariny. Hoy izy: “Nihevitra aho fa tsy misy antony tokony hahatsiarovan’ny olona ahy.”
Efa samy nalahelo daholo isika rehetra, ka azo inoana fa fantatsika ny atao hoe ketraka. Fa ahoana kosa rehefa lasa aretina ilay izy?
Aretina tsy ampoizina
Tsy alahelo miserana fotsiny ny fahaketrahana rehefa lasa aretina. Matetika mantsy no tsy mahavita ny zavatra tokony hataony isan’andro intsony ilay olona.
Voan’izy io nandritra ny 40 taona mahery, ohatra, i Andry. “Lasa saro-tahotra sy nikorontan-tsaina ary nalahelo be” izy. Nanazava izy hoe: “Lasa nisy fiantraikany be tamiko ny zavatra nolazain’ny olona. Nanamelo-tena foana aho rehefa nisy zavatra tsy nety.” Hoy izy momba ny olona ketraka lava: “Misy zavatra manaintaina anao, nefa tsy fantatrao hoe aiza. Lasa matahotra tsy amin’antony ianao. Ny tena ratsy anefa dia tsy tianao horesahina amin’olona ilay izy.” Faly izy ankehitriny, satria fantany ny fototr’aretiny. Hoy izy: “Maivamaivana aho rehefa fantatro hoe tsy izaho irery no voan’ilay aretina.”
Ketraka foana i Maria, vehivavy 49 taona any Brezila. Tsy mahita tory izy, manaintaina azy ny vatany, lasa kizitina izy, ary “malahelo lava.” Maivamaivana izy rehefa fantany hoe inona ilay aretina mahazo azy. “Lasa nanahy be indray anefa aho”, hoy izy, “satria tena vitsy ny olona mahalala an’ilay aretina sady toa mahamenatra ilay izy.”
Malahelo tsy amin’antony
Matetika ny fahaketrahana no tonga tampoka. Hoy i Richard avy atsy Afrika Atsimo: “Lasa tototry ny alahelo tampoka teo ianao, nefa tsy fantatrao ny tena antony. Tsy nisy olom-pantatrao maty, ary tsy nisy zavatra nampalahelo nitranga. Ketraka be anefa ianao sady tsy maharay tena. Ary tsy misy na inona na inona afaka mampisinda ny alahelonao. Lasa mamoy fo ianao, nefa tsy fantatrao hoe nahoana.”
Tsy mahamenatra io aretina io. Menatra anefa i Ana, avy any Brezila, rehefa fantany fa voan’izy io izy. Hoy i Ana: “Mbola menatra foana aza aho, valo taona atỳ aoriana.” Tena sarotra aminy ny mandresy ny alahelony. Hoy izy: “Tena be loatra ny alaheloko indraindray, ka lasa manakotsako ny vatako. Manaintaina daholo ny hozatro rehetra.” Mila tsy ho tafarina eo am-pandriana mihitsy ianao, amin’ny fotoana toy izany. Tsy mitsahatra ny mitomany koa i Ana,
indraindray. Hoy izy: “Migogogogo loatra aho, ka lasa reraka be amin’ny farany. Toy ny hoe tsy mikoriana intsony ny rako.”Resahin’ny Baiboly fa mety ho ketraka be ny olona iray, ary hisy vokany ratsy eo aminy izany. Nanahy, ohatra, ny apostoly Paoly sao “ho difotry ny alahelo be loatra”, na ho ketraka mafy, ny lehilahy iray. (2 Korintianina 2:7) Ketraka loatra ny olona sasany, ka manjary te ho faty. Maro no mahatsapa toa an’i Jona mpaminany, izay nilaza hoe: “Aleoko maty toy izay velona.”—Jona 4:3.
Inona no azo atao mba hiatrehana an’io aretina io?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Novana ireo anarana ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.
[Teny notsongaina, pejy 3]
“Lasa tototry ny alahelo tampoka teo ianao, nefa tsy fantatrao ny tena antony”