Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Biby Goavam-be Niaina Tany Eoropa

Biby Goavam-be Niaina Tany Eoropa

Biby Goavam-be Niaina Tany Eoropa

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ITALIA

NISY ekipa mpanao lalana nandavaka teo akaikin’ny Colisée tao Roma, tamin’ny 1932. Sendra zavatra mafy be ny fitaovana nampiasain’ny lehilahy iray. Hay ilay izy vangy sy karan-dohan’elefanta. Tsy maningana ny toy izany. Fôsily * miisa 140 teo ho eo no hita tao Roma sy ny manodidina, nandritra ny taona maro. Tamin’ny taonjato faha-17 no voalaza fa nahitana azy ireny voalohany.

Nisy nihevitra fa taolana avy amin’ireo elefanta nalaina tany amin’ny firenen-kafa izy ireny, na avy amin’ireo elefanta nentin’ny Jeneraly Hannibal avy any Carthage. Tsy nanaiky an’izany anefa i G. Pianciani, pretra tamin’ny taonjato faha-19 sady mpampianatra siansa momba ny zavaboary, any Viterbe. Tany anaty antsanga mantsy no nahitana ny ankamaroan’ireo taolana. Nino àry i Pianciani fa efa maty tany ho any ireo elefanta ireo, ary nentin’ny riaka tao Roma ny taolany.

Fôsilin’elefanta velona fahiny ireo hita teto Italia ireo. Efa tsy misy intsony io karazana elefanta io. (Jereo ny pejy 15.) Mahatratra dimy metatra ny haavony hatreo amin’ny sorony, izany hoe mihoatra roa metatra noho ireo elefanta fahita ankehitriny. Somary mahitsy koa ny vanginy.

Betsaka ve ny toerana niriariavan’ireny biby goavana ireny? Hita avy amin’ny sisan’ireo taolam-biby fahiny, fa nikarenjy tatỳ Eoropa sy Angletera izy ireny, toy ireo karazana elefanta atao hoe mamota ihany. Hita niaraka tamin’ny taolan’ireo elefanta ireo koa ny taolam-biby hafa, anisan’izany ny an’ireo biby fahavalony.

Taolam-biby isan-karazany

Fantatra avy amin’ireo fôsily hita tany Latium, faritra afovoan’i Italia, fa niaina tany ny hipopotama sy ny gazela ary ny saka goavam-be. Nitovitovy tamin’ny toetany any Afrika angamba ny toetany teto, tamin’izany. Tao afovoan’ny tanànan’i Roma mihitsy aza no nahitana ny fôsilin’ny sakabe iray, izay nomena anarana hoe leoparan’ny Tendrombohitra Masina. Fôsily 9 000 mahery no noloarana avy tao amin’ny toerana iray feno atsanga ao Polledrara, tsy lavitra an’i Roma. Taolam-biby isan-karazany no hita tao: Elefanta nisy fahiny, ombidia, serfa, rajako, tokantandroka, ary karazana ombidia hafa izay efa lany tamingana tokony ho 400 taona lasa izay. Azo tsidihina io toerana io, ary nasiana lalana eny amboniny mba hahitan’ny olona an’ireo fôsily eo amin’ny toerana nihadiana azy.—Jereo ny pejy 16.

Feno taolam-biby aman-taonina ny lava-bato iray eo akaikin’i Palerme, any Sisila. Anisan’izany ny fôsilina serfa, omby, elefanta, hipopotama kely sy lehibe, ary misy aza mbola tany am-bohoka. Fôsily 20 taonina no namidy teny an-tsena, tao anatin’ireo enim-bolana voalohany nahitana an’io toerana io.

Nahita toerana feno fôsily tany amin’ny faritra atsimon’i Angletera koa i Manson Valentine, mpandinika ny sisan’ireo taolam-biby fahiny. Nahita potipotika taolam-biby maro be izy tao, anisan’izany ny taolan’alikadia, orsa, ary ny maro tamin’ireo biby voaresaka etsy ambony. Nahoana ireo faritra samy hafa ireo no samy nahitana taolam-biby maro be toy izany?

Misy mpahay siansa milaza fa loza voajanahary no nahafaty an’ireny biby ireny. Na inona na inona antony nahafaty azy ireny indray niaraka, dia hita tany amin’ny toerana maro ny vokany, anisan’izany i Eoropa, Grande-Bretagne, Siberia, ary Alaska.

Fantatra avy amin’ireny fôsily ireny fa tena hafa noho ny ankehitriny ity tontolo misy antsika ity, taloha. Raha tatỳ Italia, ohatra, ianao fahiny ela be, dia tsy ho nomen-tsiny raha nihevitra ny tenanao hoe tany Afrika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Jereo ny famaritana ny hoe fôsily, eo amin’ny pejy 17.

[Efajoro, pejy, 17]

INONA NO ATAO HOE FÔSILY?

Taolam-biby fahiny lasa vato no atao hoe fôsily. Toy ny taolana mahazatra ihany izy io rehefa jerena maimaika. Vokatry ny fiovan’ny singa ara-tsimia ao amin’ny fatim-biby mbola tsy lo izy io.

Ny raha mineraly matetika no manova ny taolana ho vato. Misolo toerana ny karbonina ao anaty fatim-biby ny raha mineraly ao anatin’ireo antsanga mandomando. Mety ho ny karbonina rehetra, na ampahany, no soloin’ireo raha mineraly ireo. Miova ho vato àry ny taolana, rehefa mety tsara amin’izany ny toerana ilevenany. Ny toerana feno antsanga no tena mety amin’ilay izy. Tokony ho voatototry ny tany haingana koa ny fatim-biby, sady tsy vetivety dia lo. Mazàna mantsy no potehin’ny bakteria, na simban’ny zavatra hafa toy ny rivotra sy ny rano ny fatim-biby, rehefa tsy lanin’ny biby hafa. Mahalana àry ny taolam-biby vao lasa fôsily.

[Efajoro/Sary, pejy 17]

MAMOTA TANY AMIN’NY ILA BOLANTANY AVARATRA

Fantatra avy amin’ireo fôsily hitan’ny mpikaroka, fa nidadasika ny faritra nonenan’ny mamota, anisan’izany i Amerika Avaratra, Azia, ary Eoropa. I Italia no faritra atsimo indrindra nisy azy ireny, tatỳ Eoropa.

Mitovitovy habe amin’ireo elefanta any Azia ankehitriny ny mamota, saingy voloina. Mahatratra antsasa-metatra ny halavan’ny volony. Manana vangy lava be ny mamota lahy. Somary mifaingoka izy ireny ary mety hahatratra dimy metatra ny halavany. Nahitana vangina mamota be dia be tany Siberia. Tena betsaka izy ireny, fahiny, matoa naondrana tany Chine sy teto Eoropa.

[Sary nahazoan-dalana]

Photo courtesy of the Royal BC Museum

[Sary, pejy 16, 17]

Toerana feno fôsily ao Polledrara

[Sary nahazoan-dalana]

Soprintendenza Archeologica di Roma

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Ambony: Museo di Paleontologia dell’Università degli Studi “La Sapienza” di Roma; ambany: © Comune di Roma - Sovraintendenza Beni Culturali (SBCAS; fald. 90, fasc. 4, n. inv. 19249)