Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

◼ Hita tamin’ny fandinihana ny fahasalaman’ny haran-dranomasina sasany fa “tena atahorana ho lany tamingana” ny ampahatelon’izy ireo, noho ny fiovana eo amin’ny toetrandro, na ny fahatongavan’ny olona.—SCIENCE, ETAZONIA.

◼ Ankizy sempotra 2 000 mahery no nozahana tao amin’ny hopitalin’ankizy any Atena. “Ny setro-tsigaran’ny rainy, na ny reniny, na izy roa miaraka no nahavoa ny androatokon’izy ireo.”—KATHIMERINI (ANGLISY), GRESY.

◼ “Tsy manana vahaolana haingana sy maharitra amin’ireto olana lehibe ireto isika: Ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ny fidangan’ny vidim-piainana, ... ny tahotra ny fahasahiranana ara-toe-karena ..., ary ny loza voajanahary mora mahazo antsika.”—LLUÍS MARIA DE PUIG, FILOHAN’NY FIVORIAMBEN’NY ANTENIMIERAN’NY FILAN-KEVITRA EOROPEANINA.

◼ Ny 17 isan-jaton’ny ankizilahy ary ny 18 isan-jaton’ny ankizivavy poloney no efa nanandrana zava-mahadomelina, teo amin’ny faha-15 taonany.—ŻYCIE WARSZAWY, POLONINA.

Miady ny Liona sy ny Olona

Mitombo ny isan’ny mponina atsy Afrika, ka mihena ny fonenan’ny bibidia. Miteraka ‘fifandonana mahery vaika sady matetika izany’, hoy ny gazety Africa Geographic any Le Cap. “Toa mihevitra [ny liona] fa remby ny olona.” Any Tanzania, ohatra, dia olona 70 fara fahakeliny, no matin’ny liona, isan-taona, nanomboka tamin’ny 1990. “Zatra mihaza olona” mihitsy ireny liona ireny indraindray, hoy ilay gazety, ka sahy “manafika avy eo anoloan’ny trano, mitsofoka avy eo amin’ny tafo mololo, ary mandoaka ireo rindrin-tany.”

Nahita Fitehirizam-bokatra Ejipsianina ny Mpikaroka

Nahita trano fitehirizam-bokatra tranainy fito, izay nofongarina tany amin’ny faritra atsimon’i Ejipta, ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Chicago. Tsy misy fitehirizam-bokatra hafa lehibe toy ireo ao amin’io tany io. Lazain’ny mpikaroka fa teo anelanelan’ny 1630 sy 1520 T.K. no nisian’izy ireo, raha jerena ireo sisan-javatra hita tsy lavitra teo. Raha marina izany, dia efa nisy izy ireny tamin’ny andron’i Mosesy. Nampiasain’ny fanjakana ho toerana fizarana sakafo ireny trano boribory misy rindrina vita amin’ny biriky tany ireny. Misy 5,5 na 6 metatra ny savaivon’izy ireo, ary mahatratra 7,5 metatra ny haavony. Milaza ny tatitry ny oniversite fa ireny toerana ireny no “nanangonan’ny fanjakana an’ireo vokatra avy tamin’ny Lohasahan’i Neily. Nampitombo be ny fahefan’i Farao ny fampiasany ny voa madinika ho toy ny vola.” Nilaza koa ilay tatitra hoe “sady fitehirizan-tsakafo ireo trano ireo no toy ny banky, satria nampiasaina ho toy ny vola ny voa madinika.”

Taratasy Mafy toy ny Vy

Namorona fomba famokarana taratasy mafy be ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Stockholm, any Soeda. Kiran-kazo afaka mitahiry ny hamafin’ny tsiratsiraka ao anatiny no nampiasain’izy ireo. Simba ireo tsira-kazo sady mihena be ny hamafiny, raha ilay fomba mahazatra fanaovana taratasy no arahina, izany hoe totoina ny hazo. Vitan’ireo Soedoà ireo anefa ny namotika hazo tamin’ny alalan’ny anzima. Nampiasa fitaovana izy ireo avy eo, mba hanasarahana moramora avy ao anaty rano an’ireo tsira-kazo. Nohamaininy ireo tsira-kazo tsy simba, ary nakambany mba hahazoana ravin-taratasy mafy be. Mahazaka tsindry mihoatra noho ny vy misy karbonina izy io, ary efa hitovy hamafy amin’ny vy fanaovana trano.