Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Bokiko Mavokely

Ilay Bokiko Mavokely

Ilay Bokiko Mavokely

Notantarain’i Cynthia Newell

NIPETRAKA tany Shreveport, any Etazonia, izahay tamin’izaho fito taona. Nisy ankizivavy izay, teny ambony bisin’ny sekoly, nampiseho ahy boky mavokely mitondra ny lohateny hoe Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe. Nilaza izy fa 50 cents no vidin’izy io. Nankany an-tranonay àry izy, ary nomeko 50 cents.

Tena tiako ilay boky mavokely. Tsy ela taorian’ny nahazoako azy io, dia narary aho ka nampidirina hopitaly. Te hampahery ahy ny fianakaviako ka novakiny tamiko io boky io. Rehefa nihalehibe anefa aho, dia tsy namaky azy io firy intsony, satria bokin’ankizy ilay izy. Marina fa nandraisako lesona tena lehibe ilay boky, nefa te handalina misimisy kokoa aho. Nitety fiangonana samy hafa àry aho isan-kerinandro, mba hahitako ny valin’ny fanontaniako. Tsy nahazo valiny nahafa-po anefa aho.

Nanjary tsy dia zava-dehibe tamiko intsony ny fivavahana, rehefa nianatra tany amin’ny lise aho. Mbola naniry mafy hahafantatra ny Baiboly ihany anefa aho, ary namaky azy io tsy tapaka. Voamariko, indray andro, fa nisy mpiara-mianatra tamiko tsy nety nanao fombafomba mampiseho tsy fivadihana amin’ny tanindrazana. Nanontaniako azy ny antony, ka hoy izy: “Efa nanaiky ny tsy hivadika amin’i Jehovah aho, ka tsy tokony hanao izany amin’ny sainam-pirenena intsony.” Tena marina izany! ‘Iza anefa izany Jehovah izany?’, hoy aho nanontany tena.

Voavalin’io ankizy io avy tao amin’ny Baiboly daholo izay fanontaniana napetrako. Lasa saina aho hoe: ‘Ahoana no nahaizany an’izany rehetra izany? Mitovy taona izahay, nefa izy tena mahay Baiboly!’ Nanazava tamiko izy hoe: “Any amin’ny Efitrano Fanjakana no ianarako Baiboly.” Nasainy hanatrika fivoriana aho ny alahady, ka nanaiky avy hatrany. Efa nitety ny fiangonana rehetra tao an-tanàna aho, nefa nahagaga fa mbola tsy tao amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy. Tamin’io alahady io ihany, dia hitako fa tao no tena nampianatra ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly.

Nankeo amin’ny toerana famoahana boky aho, rehefa nirava ny fivoriana, ary hitako teo ilay boky mavokely! Folo taona izay no nahazoako an’ilay boky tamin’ilay ankizivavy teny ambony bisy. Tsy tadidiko intsony aza hoe iza moa iny ankizivavy iny. Tadidiko anefa izao fa hay i Nancy, ilay nanasa ahy hamonjy fivoriana ihany, no nanome ahy an’ilay boky.

Nianatra Baiboly isan-kerinandro aho taorian’izay, ary nandroso haingana. Azoko avy hatrany izay nianarako, satria efa nahafantatra zavatra betsaka tamin’ilay boky mavokely aho. Nanokana ny fiainako ho an’i Jehovah aho, tsy ela taorian’izay, ary natao batisa tamin’ny 1985, tamin’izaho 18 taona. Nifindra tany Floride i Nancy, ary tsy nifandray intsony izahay.

Nanambady aho, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, tao amin’ny tanàna kely iray any Texas izaho sy Drew vadiko, tamin’ny 1991. Tsy nahare vaovao momba an’i Nancy mihitsy aho. Indray alina anefa, dia namaky Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1992 aho. Taitra aho fa hitako tao ny sarin’i Nancy, ka hoy aho hoe: “Ity i Nancy! Ity i Nancy!” Anisan’ireo nahazo diplaoman’i Gileada izy. Voatendry ho any Ekoatera, any Amerika Atsimo, izy sy Nick Simonelli vadiny.

Nanao fangatahana ho mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena amin’ny tetikasa fanorenana an’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay mivady, tamin’ny 2006. Faly erỳ izahay nahafantatra fa voatendry hiasa amin’ny fanitarana ny biraon’ny sampan’i Ekoatera! Nahagaga fa tonga nitsidika ny biraon’ny sampana i Nancy, ny andro voalohany nahatongavanay tao. Nifamihina izahay roa rehefa nifankahita. Efa 32 taona tokoa izay no lasa hatramin’ny nanomezany ahy an’ilay boky mavokely! Tena ankasitrahako i Jehovah noho io boky io sy ilay ankizivavy nanome ahy an’ilay izy!

[Efajoro/Sary, pejy 23]

NAHASOA OLONA AN-TAPITRISANY

Natao pirinty foana ilay boky hoe Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe, nandritra ny 32 taona. Nohavaozina izy io, tamin’ny 2003, ary natao hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe ny lohateniny. Miresaka momba ny fampianaran’i Jesosy ireo boky ireo. Misy amin’ny fiteny 100 mahery izao izy ireo, ary maherin’ny 65 tapitrisa no efa natao pirinty. Azonao atao ny mangataka an’ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao.

[Sary, pejy 23]

Sary kely: Tamin’izahay mbola kely

Cynthia

Nancy

Sary lehibe: Tao amin’ny biraon’ny sampan’i Ekoatera