Ireo Tsingerina Mahavelona
Ireo Tsingerina Mahavelona
INONA no hitranga raha tsy misy rivotra madio sy rano madio intsony ao amin’ny tanàna iray, ary tsentsina ireo fantsona fivarinan’ny rano maloto? Tsy ho ela dia harary sy ho faty ny olona. Tsy mila manafatra rivotra sy rano madio avy any ivelany anefa ny planetantsika, sady tsy manary ny lotony any ivelany koa, fa ny eo ihany no ahodiny sy averiny ampiasaina. Mahasalama sy azo iainana foana àry eto an-tany. Anisan’ny mahatonga izany ireo tsingerina voajanahary eo amin’ny rano, karbonina, oksizenina, ary azota. (Aseho an-tsary eto.)
Ny tsingerin’ny rano: Mizara telo izy io. 1. Tanehin’ny masoandro ny rano ka lasa etona, ary mankeny amin’ny habakabaka. 2. Lasa rahona io etona io rehefa mangatsiaka. 3. Ny rahona no lasa orana, na havandra, na lanezy, milatsaka etỳ an-tany. Raha atambatra ny rano voadio amin’izany fomba izany isan-taona, dia handifotra ny tany manontolo, ary hahatratra iray metatra ny haavony.
2
← ◯
↓ 3 ↑
↓ 1 ↑
↓ ↑
→ →
→
Ny tsingerin’ny karbonina sy oksizenina: Ny fisefoana sy ny fiasan’ny hazavana amin’ny zava-maitso no tafiditra amin’izany. * Rehefa tarafin’ny hazavan’ny masoandro ny zava-maitso, dia ovany ho gliosida sy oksizenina ny gazy karbonika sy rano. Mitambatra kosa ny gliosida sy ny oksizenina miditra ao amin’ny vatan’ny olona sy ny biby rehefa mifoka rivotra izy ireo, ka lasa hery sy gazy karbonika ary rano. Izay avoakan’ny olona sy ny biby àry no raisin’ny zava-maitso, ary izay avoakan’ny zava-maitso no raisin’ny olona sy ny biby. Tsy miteraka loto izany na kotaba nefa mandaitra.
Oksizenina
←
← ←
↓ ↑
↓ ↑
↓ ↑
→ →
→
Gazy karbonika
Ny tsingerin’ny azota: Tena ilaina mba hamokarana asidra amine, proteinina, ary molekiola ilain’ny biby sy zavamaniry. A. Avadiky ny tselatra sy ny bakteria ho fitambarana singa simika ilain’ny zavamaniry ny azota eny amin’ny rivotra. B. Avadiky ny zavamaniry ho molekiola ilain’ny vatany ireny fitambarana singa ireny. Ny biby indray mihinana zavamaniry, ka mahazo azota. D. Rehefa maty ny zavamaniry sy ny biby, dia misy bakteria hafa indray mampizarazara an’ireo molekiola ao amin’ny vatany, ka afaka miverina ao amin’ny tany na eny amin’ny rivotra ilay azota.
← ← ← ← ← ← ← ← ← ←
↓ ↑
↓ Azota ny 78 isan-jaton’ny↑
↓ rivotry ny atmosfera ↑
↓ ↑
↓ ↓ Molekiola ilain’ny ↑
↓ A ↓ zavamaniry ↑
↓ Bakteria ↓ B ↑ ↓ D ↑
→ fitambarana singa simika Bakteria →
→ → →
Fanadiovana tonga lafatra!
Diniho izao: Mamokatra loto mahafaty an-taoniny maro ny olombelona isan-taona noho ny fandrosoan’ny teknolojia. Tsy vitan’izy ireo anefa ny manodina an’ireny loto ireny ho zavatra azo ampiasaina indray. Ny tany kosa mahavita manodina ny lotony rehetra mba ho lasa zavatra mahasoa. Manao izany izy amin’ny alalan’ny fanovana simika. Nilaza i M. Corey, mpanoratra momba ny fivavahana sy ny siansa, fa tsy ho vokatry ny kisendrasendra mihitsy izany firindrana eo amin’ny tontolo iainana izany.
Milaza ny Baiboly fa i Jehovah no mendrika hahazo voninahitra amin’izany rehetra izany, ka hoy izy: “Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra.” (Salamo 104:24) Nasehon’Andriamanitra tamin’ny fomba miavaka izany fahendreny izany, teo amin’ny olombelona.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Mety hifandray ny tsingerina samihafa. Misy oksizenina, ohatra, ny gazy karbonika sy ny gliosida ary ny rano. Samy ahitana oksizenina àry ny tsingerin’ny karbonina sy ny an’ny rano.