Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
◼ “Olona 100 tapitrisa no matin’ny sigara sy paraky, tamin’ny taonjato faha-20.”—FIKAMBANANA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY FAHASALAMANA, SOISA.
◼ Efa ho 9 000 ireo nodidina fo tany Royaume-Uni, teo anelanelan’ny 1996 sy 2003. Nampidiran-dra ny sasany tamin’ireo. Samy natahorana ho faty na ireo nampidiran-dra na ny tsy nampidirana. Iray volana taorian’ny fandidiana anefa, dia efa ho avo enina heny ny mety hahafaty an’ireo nampidiran-dra raha oharina amin’ireo tsy nampidiran-dra. Avo telo heny kosa izany, herintaona tatỳ aoriana.—NEW SCIENTIST, GRANDE-BRETAGNE.
Fotoana Mahafinaritra Ve?
‘Fety be amintsika ny Krismasy. Fotoanan’ny fifandirana koa anefa izy io’, hoy ny gazety soedoà iray. “Mifamaly sy miady bebe kokoa” ny fianakaviana rehefa Krismasy. Maherin’ny 1 100 ny ray aman-dreny manan-janaka kely nanontanian’ilay gazety momba ny fetin’ny Krismasy. Nilaza ny 88 isan-jato teo ho eo fa mampifamaly ny fianakaviana ny hoe “aiza sy ahoana no hankalazana ny Krismasy.” Maro koa no sosotra satria misy raibe sy renibe mampihanta zafikely, ka manome azy vatomamy sy fanomezana tsy ilaina.
Mahasambatra Kokoa ny Manome
Izao no lohateny tao amin’ny gazety iray any Kanada: “Mahasambatra anao ny vola, raha omenao olona.” Maro tamin’ireo nanontaniana no nihevitra fa ho sambatra kokoa izy, raha hividianany izay tiany ny volany. Ireo nampiasa ny volany nanampiana ny hafa anefa no hita fa tena sambatra, na ohatrinona na ohatrinona vola laniny. Hoy ilay gazety: ‘Tsy miantoka ny fahasambarana ny harena, ary manaporofo izany ny fandinihana. Raha efa ampy ahazoana izay tena ilain’ny olona mantsy ny eo am-pelatanany, dia tsy ho sambatra kokoa izy raha mahazo vola mihoatra an’izany.’
Mora Azo avy Amin’ny Internet!
Milaza ny gazety New Scientist fa nojeren’ny fitondrana amerikanina raha afaka “mahazo fitaovana manokana ho an’ny miaramila” avy amin’ny Internet, ireo mety ho fahavalony. “Gaga izy ireo nahita fa hay tsotra ny fomba hahazoana azy ireny.” Mifidy toerana fividianan-javatra ao amin’ny Internet fotsiny ireo fahavalo. Mora aminy àry ny mividy ‘kojakoja amin’ny fitaovana fiarovan’ny miaramila amerikanina ny vatany, akanjo efa nampiasaina miaro amin’ny poizina niokleary sy biolojika ary simika, kojakojan’ny fiaramanidina mpiady, ary fitaovana manokana hafa.’ Tsy fantatra hoe taiza no nahazoan’ny mpivarotra an’ireo fitaovana ireo. Maro anefa no “efa anaovana famotorana”, hoy ilay gazety.
Lakaoly Faran’izay Mafy Fahiny
Nanao fiarovan-doha nisy ravintsara volafotsy ny manam-boninahitra romanina, taloha, rehefa nanao matso. Lakaoly mitovy hery amin’ireo lakaoly faran’izay mafy ankehitriny no nametahana azy. Sendra nahita izany i Frank Willer, lehiben’ny mpanamboatra ny simba ao amin’ny Tranombakok’i Rhénanie any Bonn, Alemaina. Fiarovan-doha vy tamin’ny taonjato voalohany Talohan’i Kristy no hitany tao amin’ny Reniranon’i Rhin. Efa tao nandritra 1 500 taona izy io, fara fahakeliny. Nesorin’i Frank tamin’ny tsofa kely ny silaka metaly teo amin’ilay izy. Hoy izy: “Ny hafanan’ilay tsofa no tena nampiendaka an’ilay ravintsara volafotsy tamin’ilay fiarovan-doha. Nisy marika lakaoly tao ambadik’ilay volafotsy.” Hita fa vita tamin’ny godorao sy ditin-kazo ary menak’omby ilay lakaoly.