Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Misionera Voalohany Tany Tahiti

Ireo Misionera Voalohany Tany Tahiti

Ireo Misionera Voalohany Tany Tahiti

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY TAHITI

NANOMBOKA niely eran’i Eoropa ny fitoriana ny filazantsara, tamin’ny faran’ny taonjato faha-18. Tany Grande-Bretagne, ohatra, dia nisy mpitory teny nafana fo atao hoe William Carey, izay lasa misionera. Nanentana ny Protestanta izy mba hitory any amin’ny toerana mbola tsy nandre ny filazantsara, toa an’i Tahiti. Nandrisika azy mantsy ilay didin’i Jesosy mba hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. (Matio 28:19, 20) Namoaka boky koa ilay mpanoratra frantsay atao hoe François-Auguste-René de Chateaubriand, tamin’ny 1802, mba hampirisihana ny Katolika ho lasa misionera mafana fo. Maro be no lafo tamin’izy io.

Vetivety dia nihamaro ny fikambanan’ny misionera katolika sy protestanta. Nandefa misionera 29 teto Tahiti ny LMS na Fikambanan’ny Misioneran’i Londres, tamin’ny 1797. Nisy Katolika maromaro avy amin’ilay fikambanana hoe Momperan’i Picpus koa tonga teto, tamin’ny 1841. Telo taona taorian’izay, dia tonga ny misionera mormon. Maro tamin’ireny misionera ireny anefa no tsy nifantoka tamin’ny fitoriana, fa lasa nanao politika sy nitady vola. Inona no nahatonga izany?

Nanambitamby an’ireo Ariʽi

Tsy nandray ny fampianaran’ny misionera protestanta ny olona, tamin’ny voalohany. Hoy ny mpanoratra iray: “Resaka afobe sy fampijaliana no tena notorin’izy ireo, fa tsy fangorahana sy fitiava-namana.” Tsy nisy sahy natao batisa koa ny olona, raha tsy natao batisa aloha ireo ariʽi, na filoha, izay sady mpitarika ara-pivavahana. Ireny filoha ireny àry aloha no nifantohan’ireo misionera.

Nisy filoha iray atao hoe Pomaré II, nandray tsara an’ireo misionera. Hitany mantsy fa mety hampandroso ny toe-karena sy ny tafika teto Tahiti izy ireo. Ny misionera kosa nahita fa afaka manampy azy i Pomaré. Ankoatra izany, dia ny misionera foana no mpanelanelana tamin’ny Tahisianina sy ireo tantsambo nividy entana.

Nanaiky ny filazantsara i Pomaré, satria nanantena fa hanampy azy hahazo fahefana sy fitaovam-piadiana izany. Tamin’ny 1811 àry izy dia efa nangataka ny hatao batisa. Nataony an-tsoratra ilay fangatahana, herintaona taorian’izay. Tsy neken’ny misionera anefa izany, nandritra ny valo taona. Tian’izy ireo hojerena mantsy aloha raha mifanaraka amin’ny Baiboly ny fitondran-tenan’i Pomaré.

Nandritra izany, dia lasa mpanjakan’i Tahiti sy ny manodidina i Pomaré, sady tena to teny. Ireo nosy ireo no atao hoe Îles de la Société. Nangataka ny hatao batisa indray izy. Nanaiky ihany ireo misionera tamin’ny 1819.

Vetivety dia nisy vokany izany. Tao anatin’ny dimy taona teo ho eo mantsy, dia saiky ny olona rehetra eran’ny Îles de la Société, sy ny faritra andrefan’ny Vondronosy Tuamotu, ary ny antsasak’ireo Nosy Tubuaï, no niova ho Kristianina.

Ny Lalàn’i Pomaré

“Niova finoana” ny vahoaka teo amin’ireo nosy, ka nila novana koa ny lalàna sy fanao ary fitsipika teo an-toerana. Nanontany ny hevitr’ireo misionera àry i Pomaré. Efa ela koa izy ireo no te hanova ny fombafomban’ireo foko, sy te hampihena ny fahefan’ny mpanjaka. Nanoratra lalàna maromaro àry izy ireo. Araka ny boky iray, dia nampidirina tamin’izany “ny fitsipika ankapoben’ny lalàm-panorenana britanika, sy ny toro lalan’ny Baiboly, ary ny fanaon’ireo firenena kristianina.” Neken’ny mpanjaka ilay izy, taorian’ny fanitsiana maromaro, ka nambara fa io no fehezan-dalàna an-tsoratra voalohany teto Tahiti. Nantsoina hoe Lalàn’i Pomaré izy io.

Naka tahaka an’ilay Lalàn’i Pomaré ireo nosy manodidina, ka namoaka fehezan-dalàna nitovitovy tamin’izy io. Araka ilay lalàna dia tsy maintsy notandremana ny Sabata. Voasazy izay manitsakitsa-bady, mampirafy, mangalatra, ary mikomy. Voaheloka ho faty koa izay mamono olona, ary voarara ny fialam-boly mamoafady rehetra.

Nanao politika

Hoy ny boky iray: “Niditra lalina tamin’ny politika [ny misionera protestanta] teo amin’ireo nosy. Sady mpitory teny izy ireo, no lasa mpamorona tetikady ho an’ny tafika, mpanoro hevitra ara-toe-karena, mpanolo-tsaina ara-politika, ary mpamoaka taratasy ara-panjakana.” Niditra tamin’ny raharaha ara-tsosialy sy ara-politikan’ny nosy nisy azy koa ireo misionera katolika sy mormon. Hoy ny misionera mormon iray, tao amin’ny Nosy Tubuaï: “Ny eglizy no mitantana ny fanjakana. ... Izaho no praiminisitra.” Nanao politika koa ireo Katolika tao amin’ny Vondronosy Gambier, ka nisy misionera iray lasa minisitra.

Tsy nifantoka tamin’ny fivavahana fotsiny ireo misionera, fa “nampiasa ny politika mba hampielezana ny fampianarany”, hoy i Claire Laux, mpahay tantara. Izay mantsy no noheverin’izy ireo fa mahomby kokoa. Tsy araka ny toromariky ny fivavahany anefa izany. Mbola manao politika ny fivavahana atỳ Polinezia frantsay, hatramin’izao.

Nanao raharaham-barotra

Hoy i Niel Gunson, mpampianatry ny Oniversiten’i Canberra, Aostralia: “Nanao politika [ny misionera] satria te hanao raharaham-barotra.” Maro, ohatra, no lasa mpivarotra, ka namatsy na nanofa na nanamboatra sambo mpitondra entam-barotra mihitsy. Nisy koa nanana toeram-pambolena kafe, landihazo, fary, paraky, sy ny sisa.

Tena nandeha ny varotra nataon’ny misionera, ka izy ireo no nifehy ny fifanakalozana teo amin’i Aostralia sy Tahiti, nandritra ny 25 taona, indrindra ny varotra henan-kisoa sy diloilo kôkô. Nisy misionera tsy nankasitraka an’izany, ka nitaraina tany amin’ny LMS. Nisy kosa nihevitra fa tena ilaina ny manao raharaham-barotra, raha te hahomby amin’ny asa misionera. Nahoana?

Nanao asa tanana sy nanamboatra entana hamidy ny misionera, mba hanintonana ny olona teo amin’ireo nosy. Nino mantsy izy ireo fa ho sambatra kokoa ny olona rehefa “mivoatra.” Nampirisihiny àry ny mponina mba hiasa mafy, ka hanangona harena. Nolazainy mihitsy aza fa porofon’ny fitahian’Andriamanitra ny harena.

Tena niova finoana ve?

Nahoana no niara-niova finoana tampoka ny olona teo amin’ireo nosy? Hoy ny mpahay tantaran’ny LMS iray: “Tsy tena naniry hanao ny tsara izy ireo, na hoe te hanatona an’Andriamanitra.” Nilaza i Gunson fa “ny fanekena ny sitrapon’i Pomaré II” no tena nahatonga ny mponin’i Tahiti hiova finoana. “Nanaraka ny fanaon’ny misionera anglisy fotsiny izy ireo (fa tsy nino ny fampianarany).”

Tahisianina maro no Kristianina anarany fotsiny. Niverina indray ny fanompoan-tsampy, taona vitsy tatỳ aoriana, rehefa nisy antokom-pivavahana antsoina hoe Mamaia. Ratsy fitondran-tena ireo mpivavaka tamin’izy io, sady nampifangaro ny Fivavahana Kristianina sy ny fomban-drazana. Nanaraka azy io koa ny zanakavavin’ny mpanjaka.

Niteraka fifamaliana teo amin’ny Anglikanina sy Kalvinista ary Metodista izany, ary lasa nifankahala ny Protestanta sy Katolika. Hoy ny boky Ny Tantaran’ny Olona any Amin’ny Nosin’i Pasifika, Navoaka Tany Cambridge (anglisy): “Tsy azon’ny olona ny tsy mampitovy ny fampianaran’ireo antokom-pivavahana. Tsy azony koa hoe nahoana no niady ireo mpivavaka, nefa nilaza fa mpirahalahy.” Vao tonga teto Tahiti, ohatra, ny misionera katolika roa, dia nanome baiko avy hatrany ny misionera protestanta taloha iray mba hanaovana sesitany azy ireo. Voatery nanao fifampiraharahana i Grande-Bretagne sy Frantsa noho izany, ary saika niady mihitsy. Nilefitra i Grande-Bretagne tamin’ny farany, ka navelany ho eo ambany “fiarovan’i” Frantsa i Tahiti.

Ny soa nentin’ireo misionera

Maro ny misionera be zotom-po nampianatra ny olona hamaky teny sy hanoratra, taloha. Ny ezaka nataon’izy ireo koa no nahafoana ny famonoana ankizy, fanaovana sorona olombelona, ary ny fihinanana olona. Marina fa nasiaka sy hentitra be ny misionera sasany, kanefa tena niezaka nanatsara ny fitondran-tenan’ny olona izy ireo.

Ny fanomezana miavaka avy amin’ireo misionera dia ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny teny tahisianina. Afaka nampianatra ny olona ny anaran’Andriamanitra àry izy ireo. Mbola fantatry ny olona eran’ireo nosy io anarana io. *Salamo 83:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Efajoro, pejy 15]

“Tsy Anisan’izao Tontolo Izao Ianareo”

Mankatò an’io tenin’i Jesosy Kristy io ny tena mpanara-dia azy. (Jaona 15:19) Tena zava-dehibe io toro lalana io, ka nivavaka toy izao momba azy ireo i Jesosy: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16) Izany no antony tsy nanaovan’i Jesosy politika. Fomba hafa kosa no nahazoany mpianatra. Tsy nikatsaka harena koa izy, satria anisan’ny toe-tsain’izao tontolo izao izany. Tsotra kosa ny fiainany, ary ny fanompoana an’Andriamanitra no nifantohany. (Matio 6:22-24, 33, 34) Manahaka azy ny tena mpianany.

[Sary, pejy 13]

Fandraisana an’ireo misionera voalohany, 1797

[Sary nahazoan-dalana]

The Granger Collection, New York

[Sary, pejy 14]

Misionera iray sy Tahisianina niova finoana, 1845 tany ho any

[Sary, pejy 14]

Mpanjaka Pomaré II

[Sary, pejy 15]

Papeete renivohitr’i Tahiti

[Sary nahazoan-dalana]

Photo courtesy of Tahiti Tourisme

[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]

Havia: Photo by Henry Guttmann/Getty Images; havanana: Collection du Musée de Tahiti et de ses Îles, Punaauia, Tahiti