Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izay Aho vao Nandre ny Anarana hoe Jehovah

Izay Aho vao Nandre ny Anarana hoe Jehovah

Izay Aho vao Nandre ny Anarana hoe Jehovah

Notantarain’i Pavol Kovár

Nanomboka ny zera baomba. Saika tsy nahita toerana hiafenana izahay. Nihamafy ilay izy, ka nihovitrovitra ilay toerana nisy anay. Nivavaka mafy toy izao ny olona iray niara-nigadra taminay: “Jehovah ô, mba vonjeo izahay, noho ny anaranao masina!”

TAMIN’NY 8 Janoary 1945 no nitrangan’izany. Babo an’ady tany Linz any Aotrisy aho tamin’izay. Nisy 250 teo ho eo izahay no tao amin’ilay fiafenana, ary tsy nisy maty. Rehefa nivoaka izahay, dia efa rava avokoa ny manodidina anay. Tsy fantatro hoe iza no nanao ilay vavaka, fa tsy afaka tao an-tsaiko ilay izy. Nianatra momba an’i Jehovah aho tatỳ aoriana. Aleo anefa aloha hotantaraiko kely ny momba ahy.

Teraka tany akaikin’i Krajné, any amin’ny faritra andrefan’i Slovakia aho, tamin’ny 28 Septambra 1921. Mbola anisan’i Tsekoslovakia i Slovakia tamin’izany. Protestanta nafana fo ny ray aman-dreniko. Namaky Baiboly i Dada isaky ny alahady maraina, ary nihaino tsara izahay efa-dahy sy i Neny. Mbola tsy nandre azy nampiasa ilay anarana hoe Jehovah mihitsy anefa aho. Tsotra ny fiainanay nefa nahafa-po.

Nihorohoro ny olona rehefa nipoaka ny Ady Lehibe II, tamin’ny 1939. Maro mantsy no mbola nahatsiaro ny fijaliana tamin’ny Ady Lehibe I, 20 taona teo ho eo talohan’io. Voantso ho miaramila aho, tamin’ny 1942. Niady mba hahaleo tena tanteraka i Slovakia tamin’ny Aogositra 1944, na dia efa nanao fifanekena tamin’i Alemaina aza. Tsy nahomby anefa izany, ka miaramila slovaky an’arivony no nosamborina sy nalefa tany amin’ny faritra nofehezin’ny Alemà. Tao Gusen, trano fanampin’ny toby fitanan’i Mauthausen, akaikin’i Linz, aho no nalefa.

Babo an’ady

Niasa tamina orinasa mpanao fiaramanidina, tsy lavitra ny tanànan’i Sankt Georgen an der Gusen izahay. Nanatsofa hazo no asako tao. Kely ny sakafonay, nefa vao mainka nahena rehefa resy ny tafika nazia, tamin’ny Janoary 1945. Lasopy kely no mba sakafo mafana azonay. Tonga hiara-miasa taminay ny voafonja tao amin’ny tobin’i Mauthausen, isa-maraina. Novonoin’ireo mpiambina ny gadra tsy nahavita niasa intsony. Nasaina nampidirin’ny voafonja hafa tao anaty vagao ireo faty, ary nentina hodorana.

Tena nijaly izahay, nefa nino fa hafahana tsy ho ela rehefa hifarana ny ady. Nisy tabataba be tamin’ny 5 Mey 1945, efa-bolana taorian’ilay zera baomba voalaza terỳ aloha. Taitra aho, ary nihazakazaka nankany an-tokotany. Tsy teo intsony ny mpiambina, nivangongo teo ivelany ny basy, ary nidanadana ny vavahady. Tazanay ilay toby terỳ ampita. Toy ny soavaly tapa-kofehy ireo voafonja nivoaka avy tao. Nisy herisetra sy vonoan’olona koa anefa tamin’izay, ary mbola tsaroako foana.

Namaly faty ireo voafonja, ka namono an’ireo kapos, izay gadra niara-niasa tamin’ny mpiambina. Matetika mantsy ireo kapos no nampijaly kokoa noho ny mpiambina. Nisy voafonja namono kapo iray, sady nivazavaza hoe: “Ilehity no namono ny dadako. Mbola velona izy hoatr’izay, raha tsy novonoin’ialahy afak’omaly!” Feno fatina kapos sy voafonja hafa an-jatony ny tokotany rehefa hariva. Nijery ny tao anatin’ilay toby fitanana izahay, rehefa hody. Hitanay ireo fitaovana famonoana, toy ny efitra famonoana amin’ny gazy sy ny lafaoro fandoroana olona.

Nahafantatra an’ilay tena Andriamanitra

Tonga tany an-trano aho ny faran’ny volana Mey 1945. Efa Vavolombelon’i Jehovah i Dada sy Neny, tamin’izay. Fantatr’izy ireo koa àry ilay anaran’Andriamanitra reko tany am-ponja. Nihaona tamin’i Oľga aho fotoana fohy taorian’izay, ary nivady izahay ny taona nanaraka. Vehivavy matahotra an’Andriamanitra sy tia ny fahamarinana izy, ka nandrisika ahy hianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah. Natao batisa tao amin’ny Reniranon’i Váh any Piešťany izahay mivady sy ny olona 50 hafa, tamin’ny fivoriambe iray, tamin’ny 1949. Noraran’ny fitondrana kominista ny asa fitoriana, taoriana kelin’izay. Niteraka roa vavy izahay tatỳ aoriana, dia i Oľga sy Vlasta.

Nivahiny matetika tao aminay ny Vavolombelona iray atao hoe Ján Sebín. Izy no nandamina ny asa fitoriana teto, taorian’ny Ady Lehibe II. Niara-nanompo foana izahay. Nihamafy ny fanenjehan’ny Kominista, nefa nitory foana izahay. Tena mailo izahay rehefa niresaka ny fahamarinana ara-baiboly. Tsy ela àry dia nihamaro ny olona nampianarinay Baiboly. Notohizinay sy Oľga ny fampianarana azy ireny, rehefa lasa i Ján. Faly erỳ izahay nifankahita tamin’ireny namanay ireny, tany amin’ny fivoriambe! Niaraka tamin’ny zanany sy ny zafikeliny izy ireo.

Fanendrena manokana

Maro tamin’ireo Vavolombelona nitarika ny asa fitoriana no nigadra, tamin’ny 1953. Nasaina nitory tany amin’ny faritra iray, any amin’ny 150 kilaometatra miala ny tanànanay àry aho. Nandeha lamasinina niala tao Nové Mesto nad Váhom aho, isaky ny tapa-bolana, mba ho any Martin any avaratra-afovoan’i Slovakia. Niainga aho ny asabotsy antoandro avy niasa. Rehefa tonga aho, dia nampianatra Baiboly hatramin’ny hariva be, sy ny alahady tontolo. Nandray lamasinina niverina tany Nové Mesto indray aho ny alahady hariva. Efa misasakalina aho vao tonga. Tao amin’ny mpivady be taona iray no fivantanako, ary nandray ahy tsara izy ireo. Tonga dia nankany am-piasana aho ny maraina. Ny alatsinainy alina aho vao nody tany amin’ny fianakaviako, tao Krajné. I Oľga no mikarakara ny ankizy, rehefa tsy eo aho.

Nasaina hanao ny asan’ny mpiandraikitra ny faritra aho, tamin’ny 1956. Mitsidika sy mampahery fiangonana no atao amin’izany. Nekeko ilay asa, satria nogadraina ny ankamaroan’ireo nanao azy io. Natoky izahay mivady fa hanampy anay mianakavy i Jehovah.

Tsy maintsy manana asa ny olona rehetra, araka ny lalàna kominista. Noheverin’ny fitondrana ho enta-mavesatra ho an’ny fiaraha-monina mantsy izay tsy an’asa, ka nogadraina. Tsy nialako àry ny asako. Niaraka tamin’ny fianakaviako sy niara-nanompo tamin’izy ireo aho, ny faran’ny herinandro roa isam-bolana. Nitsidika fiangonana kosa aho ny faran’ny herinandro roa hafa. Fiangonana enina no notsidihiko teo amin’ny faritra nisy anay.

Fomba nahazoana boky sy gazety

Ny mpiandraikitra ny faritra no nanampy ny fiangonana tsirairay hahazo boky sy gazety ara-baiboly. Nadika tanana na nosoratana tamin’ny milina ny gazety, tamin’ny voalohany. Nalaina sary Ny Tilikambo Fiambenana, tatỳ aoriana, ka nalefa tany amin’ny fiangonana ny pelikiolina. Ireny no nosasana avy eo. Mety ho nampiahiahy ny polisy anefa izay olona nividy taratasin-tsary be dia be. Mila olona sahisahy sy malina tsara àry no mividy azy ireny.

Nazoto nividy an’ireny taratasy ireny i Štefan Hučko, ary lasa hainy tsara izany. Indray mandeha, ohatra, dia nankany amin’ny mpanasa sary lavitra ny tanànany izy, mba hividy taratasin-tsary. Tsy nahita anefa izy, ka efa saika handeha. Tazany tampoka ilay mpiasa nampanantena fa hanafatra an’ireo taratasy ho azy. Saika hanatona azy i Štefan, kanjo nisy polisy niditra. Nahita an’i Štefan anefa ilay mpiasa, ka tonga dia niteny hoe: “Ramose a! Tsara vintana ianao. Efa ao daholo ny taratasin-tsary notadiavinao.”

Namaly haingana i Štefan hoe: “Azafady tompoko, fa tsy izaho angamba izany. Pelikiolina iray no ilaiko.”

Rehefa niverina tao anaty fiara i Štefan, dia nieritreritra fa tsy afaka ny hody maina fotsiny. Tena nilaina mantsy ireo taratasy ireo. Nesoriny àry ny satrony sy ny pardesiany ary nanova paozy izy, ka niverina tao amin’ilay mpanasa sary, rehefa afaka kelikely. Tonga izy dia nanatona an’ilay mpiasa, ary niteny hoe: “Teto aho tamin’ny herinandro. Nampanantena ianao tamin’izay fa hanafatra taratasin-tsary ho ahy. Efa misy ve ilay izy?”

“Ie, efa misy ao”, hoy izy. “Ary nisy lehilahy nitovy be taminao teo. Tena mahagaga! Hoatran’ny kambana mihitsy ianareo.” Nalain’i Štefan haingana ireo taratasy be dia be, ary lasa izy. Tena nisaotsaotra an’i Jehovah izy!

Nanomboka nampiasa milina fanaovana kopia sy fanontam-pirinty kely izahay, taorian’ny 1980, mba hanamboarana boky sy gazety ara-baiboly. Toerana tsy mora hita na tao ambany lakaly no nasianay azy. Nitombo ny isan’ny gazety sy boky ary bokikely, rehefa nandeha ny fotoana. Lasa nihoatra ny isan’ny Vavolombelona mihitsy aza izy ireny.

Fihaonana tamin’ny polisy

Voantso tany amin’ny biraon’ny miaramila nanara-maso ny orinasa niasako aho, taorian’ny 1960 tany ho any. Lehilahy telo tsy nanao akanjo miaramila no tao, ary nanontany hoe: “Hafiriana ianao izao no niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Iza avy no namanareo?” Tsy nety niteny aho, ka nilaza izy ireo fa mbola hiantso ahy indray. Io no nihaonako voalohany tamin’ny polisy miafina.

Nalaina tany am-piasana aho tsy ela taorian’izay, ary nentina tany amin’ny biraon’ny polisy. Nisy taratasy teo ambony latabatra, ary nasain’ny polisy iray nosoratako teo ny anaran’ny Vavolombelona hafa. Niverina izy afaka adiny iray teo ho eo. Mbola tsy nanoratra na inona na inona aho. Nohazavaiko fa tsy afaka manome anarana azy aho. Nampanantsoina indray aho ny herinandro nanaraka, nefa mbola tsy nanome anarana ihany. Nokapohiny àry aho, sady nodakadakany eran’ny lalantsara hatreny am-baravarana.

Tsy nohelingelenin’ny polisy indray aloha aho nandritra ny herintaona. Nandefa olona iray tany amiko ry zareo, taorian’izay. Niara-nigadra tamiko tao amin’ny toby fitanan’ny Nazia izy io. Hoy izy: “Mila manova tetikady izahay aminareo. Raha managadra Vavolombelona iray mantsy izahay, dia mitory ao am-ponja izy, ka misy voafonja efatra indray lasa Vavolombelona.” Nitady fomba hampijanonana ny asa fitoriana ny fanjakana, na fara faharatsiny, hanakantsakanana izany. Tapa-kevitra anefa aho fa tsy hanome fanazavana hanampy azy ireo amin’izany mihitsy.

Imbetsaka ny polisy miafina no nampiantso ahy toy izany nandritra ny taona maro, ary tsy izaho ihany no nantsoiny. Mody nataony namana izahay indraindray, nefa nisy taminay nogadrainy. Marina fa tsy nigadra mihitsy aho, nefa tsy nifarana ireny fakana am-bavany nataon’ny polisy ireny, raha tsy tamin’ny 1989. Tamin’io taona io mantsy no rava ny fitondrana kominista teto Tsekoslovakia.

Herinandro vitsivitsy taorian’io, dia tonga mba hiala tsiny tamiko ny manamboninahitra iray anisan’ny polisy miafina tany Bratislava. Hoy izy: “Raha ny sitrapoko, dia tsy ho nampijaly anareo toy ireny mihitsy izahay, fa baiko no notanterahinay.” Namoaka harona roa feno voankazo am-bifotsy avy tao anatin’ny fiarany izy avy eo, ka nomeny ahy.

Tilikambo mafy i Jehovah

Faly sy afa-po aho na dia voarara aza ny fitoriana nandritra ny 40 taona voalohany nanompoako an’i Jehovah. Tena sarobidy tamiko ny fiarahana tamin’ireo mpiray finoana nahatoky, nandritra ireny taona ireny. Lasa nifankatia kokoa sy nifampatoky izahay.

Maty i Oľga vady malalako tamin’ny Martsa 2003, ka nalahelo mafy aho. Namana tsy nivadika izy tao anatin’ny taona maro niarahanay. Niara-nanompo foana izahay nandritra ireo taona ireo. Mbola anti-panahy eo anivon’ny fiangonana aho izao, ary miezaka mitady an’ireo maniry hianatra Baiboly. Tilikambo mafy ho ahy foana ny anaran’i Jehovah. (Ohabolana 18:10) Tao amin’ilay toerana niafenanay tamin’ny Ady Lehibe II, no nandrenesako an’io anarana io voalohany. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 33 Nodimandry ny Rahalahy Pavol Kovár ny 14 Jolay 2007, tamin’izy 85 taona, rehefa nomanina ity lahatsoratra ity.

[Sary, pejy 12]

Tamin’izaho tao amin’ny tafika slovaky, 1942

[Sary, pejy 12]

Nogadraina tao Gusen (eo andamosina) aho, tatỳ aoriana

[Sary nahazoan-dalana]

© ČTK

[Sary, pejy 12]

Namaky Baiboly ho anay i Dada isaky ny alahady maraina

[Sary, pejy 13]

Tamin’ny mariazinay, 1946

[Sary, pejy 15]

Izahay sy Oľga, taloha kelin’ny nahafatesany