Nampahafantarina ny Anaran’Andriamanitra
Nampahafantarina ny Anaran’Andriamanitra
NIHIRA toy izao i Davida mpanao salamo: “Hankalaza ny anaran’Andriamanitra amin’ny fihirana aho.” Nahalala ny anaran’Andriamanitra izy, ka nilaza hoe: ‘Isaorana anie Jehovah. Isaorana anie ny anarany malaza.’ (Salamo 69:30; 72:18, 19) Ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah no ampiasaina matetika, amin’ny teny Malagasy. Miseho im-7000 eo ho eo izy io ao amin’ny Baiboly, ary avy amin’ny teny hebreo hoe יהוה.
Tsy tao amin’ny Baiboly ihany no nahitana ny anaran’Andriamanitra, tato anatin’ny taonjato faramparany. Hita tamin’ny vola madinika iray tany Soisa, ohatra, ny teny latinina hoe Benedictus Sit Iehova Deus, izay midika hoe “Hoderaina Anie i Jehovah Andriamanitra.” Vita tamin’ny volamena io vola io [1], ary an-taonany maro no nampiasana azy tany Soisa. Maherin’ny arivo ny karazana vola madinika sy meday nisy ny anaran’Andriamanitra, nandritra ireo taonjato vitsivitsy lasa. Tamin’ny teny hebreo sy latinina ireny anarana ireny.
Nahoana no nampiasaina be toy izany ny anaran’Andriamanitra, araka ny hita amin’ireo sarina vola eto amin’ity pejy ity sy ilay manaraka?
Antony nampiasana ny anaran’Andriamanitra
Nafotaka ny adin’ny Katolika sy Protestanta tany amin’ny faritra andrefan’i Eoropa, nanomboka tamin’ny taonjato faha-16. Ny fivavahana katolika no be mpanaraka tamin’izany. Nisy faritra sasany nofehezin’i Espaina anefa niala tamin’ny Katolika, satria te hiova ho Protestanta. Niteraka ady izany. Samy nampiasa vola madinika misy sary àry ny andaniny sy ny ankilany, mba hampahafantarana fa miandany aminy Andriamanitra.
Nampiasaina ny anaran’Andriamanitra
Nataon’ireo mpanamboatra vola teo amin’ny vola madinika namboariny ireo Litera Hebreo Efatra mampiseho ny anaran’Andriamanitra. Azo adika hoe JHVH na YHWH izy ireo. Tsy nahay namaky teny Hebreo ny ankamaroan’ireo mpanamboatra vola sy olon-tsotra, ka nanjary niova ny fomba nanoratany an’ireo litera efatra, arakaraka ny nandikana azy.
Nanamboatra vola madinika misy ny anaran’Andriamanitra i Soeda, tamin’ny 1568 tany ho any [2]. I Ekosy kosa tamin’ny 1591 tany ho any. Samy hafa ny fomba nanoratan’i Charles Faha-9, mpanjakan’i Soeda, ny anaran’Andriamanitra teo amin’ny vola namboariny tamin’ny taona 1600 tany ho any. Toy izao avy izany: Ihehova, Iehova, ary Iehovah [3]. Nandidy ny hanamboarana vola madinika volamena ilay mpanjaka. Tsara tarehy be ilay izy ary mitovy vidy amin’ny karama efa-bolana mahery!
Maherin’ny 60 ny karazana vola madinika misy ny anaran’i Jehovah, nanomboka tamin’ny andron’i Christian Faha-4, mpanjakan’i Danemark sy Norvezy, izay nanjaka tamin’ny 1588 ka hatramin’ny 1648. Nanamboatra vola misy ny anaran’i Jehovah koa i Polonina sy Soisa, tamin’ny 1650 tany ho any, ary taorian’izany i Alemaina.
Nitombo be ny fanamboarana vola toy izany tany Eoropa, nandritra ny Ady Telopolo Taona (1618-1648). Ady nifanaovan’ny fivavahana izy io, tamin’ny voalohany. Nampanamboatra vola misy ireo Litera Efatra i Gustave II Adolphe, mpanjakan’i Soeda, taorian’ny fandreseny tao Breitenfeld tamin’ny 1631 [4]. Tany Erfurt, Fürth, Mayence, ary Würzburg no nanamboarana ireo vola. Nanomboka nanamboatra vola misy ny anaran’Andriamanitra koa tamin’izay ireo firenena mpiray dina tamin’i Soeda.
Nahitana ny anaran’Andriamanitra foana, ny vola madinika sy meday namboarina nandritra ny 150 taona teo ho eo taorian’ny Ady Telopolo Taona. Nanamboatra vola toy izany i Aotrisy, Frantsa, Meksika, Rosia, ary ny firenena hafa. Nanomboka tamin’ny 1700 tany ho any anefa, dia tsy hita firy tamin’ny vola intsony ny anaran’Andriamanitra. Tsy nahitana izany intsony ny vola sy fitomboka, tamin’ny farany.
Fampahafantarana ny anaran’Andriamanitra ankehitriny
Marina fa mety tsy hahitana ny anaran’Andriamanitra intsony ny vola ankehitriny. Ambara hatraiza hatraiza anefa io anarana io izao. Efa ela Andriamanitra no nifidy vahoaka hanompo azy, ka nilaza tamin’izy ireo hoe: ‘Ianareo no vavolombeloko, ary Izaho no Andriamanitra.’ (Isaia 43:12) Tsy misy vola madinika afaka manao izany andraikitra lehibe izany. Vavolombelona mandainga, raha ny marina, ireo nametraka ny anaran’Andriamanitra tamin’ny vola madinika. Nilaza mantsy izy ireo fa manohana azy amin’ny ady mahatsiravina ataony Andriamanitra. Misy olona manambara ny anaran’Andriamanitra anefa ankehitriny, ary ataony araka ny sitrapon’Andriamanitra izany.
Mampirisika anao ny Vavolombelon’i Jehovah mba hianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, sy momba ny dikan’ny anarany. Hoy ny mpanao salamo momba azy: “Aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Salamo 83:18) Tena ilaina ny mahalala an’i Jehovah, satria nivavaka toy izao ilay Zanany malala: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.
[Sary, pejy 20, 21]
Fitaovana fanamboarana vola madinika
[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]
Vola madinika 1 sy fitaovana: Hans-Peter-Marquardt.net; vola madinika 2: Mit freundlicher Genehmigung Sammlung Julius Hagander
[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]
Vola madinika 3 sy 4: Mit freundlicher Genehmigung Sammlung Julius Hagander