Zavatra Maharitra Noho ny Zavakanto
Zavatra Maharitra Noho ny Zavakanto
Notantarain’i Rakel Koivisto
Ilay sarivongana namboariko tamin’ny vato granita no nahazo voalohany tamin’ny fifaninanana iray natao tany Failandy, tamin’ny 1950. Naseho vahoaka tamin’ny fety iray tany Tuusula izy io, herintaona taorian’izay, saingy tsy nanatrika izany aho. Aleo hazavaiko ny antony.
TERAKA tamin’ny 1917 aho. Valo mianadahy izahay ary izaho no farany. Nipetraka tany ambanivohitra izahay, tao amin’ny tanàna iray tany amin’ny faritra atsimon’i Failandy. Nahantra izahay nefa sambatra sy nilamin-tsaina. Natahotra an’Andriamanitra i Dada sy Neny, ary nampianariny hanao toy izany koa izahay. Nividy Baiboly i Dada ary nohajainay fatratra izy io.
Nanao sary sokitra tamin’ny hazo aho tamin’ny mbola kely. Hitan’ny havanay fa tsara ny zava-bitako, ka nampirisika ahy hianatra zavakanto izy ireo. Nekena hianatra tao amin’ny Oniversite Momba ny Taozavatra any Helsinki aho, tatỳ aoriana. Io no oniversite tsara indrindra sady foiben’ny zavakanto eto Failandy, ka nahafinaritra an’ilay tovovavy tambanivohitra erỳ ny nianatra tao. Nihevitra ny hamela zavatra maharitra eto amin’ity tontolo ity aho, rehefa nahazo diplaoma tamin’ny 1947.
Niova ny tanjoko
Nanatona ahy i Aune rahavaviko, indray mandeha, ary faly erỳ nilaza hoe: “Hitako ny fahamarinana!” Nahazo an’ilay bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”, izy. Tsy rototra akory aho. Voamariko anefa fa nanana an’io boky io koa ny tovovavy iray niara-nianatra tamiko tao amin’ny oniversite. Hoy izy rehefa nanivaiva an’ilay boky aho: “Aza ataonao tsinontsinona ity boky ity, fa hanampy anao hahazo izay lazain’ny Baiboly!” Nomeny ahy ilay izy, ary nataoko indray mamaky izy manontolo. Tsy nanivaiva azy io intsony aho. Resy lahatra aho fa ny Vavolombelona no manana ny fahamarinana. Takatro koa fa mampanantena fiainana mandrakizay i Jehovah Andriamanitra, ary tsy ho azoko avy amin’ny fanaovana sary sokitra izany.
Tsy nanasa ahy hivory ireo Vavolombelona nihaona tamiko voalohany. Nihevitra aho tamin’izay fa natokana ho azy ireo ihany ny fivoriana kristianina. Niangavy azy ireo àry aho mba hamela ahy hivory. Hay natao ho an’ny rehetra ilay izy, ka faly erỳ aho! Nanatanjaka ny finoako ny fanatrehana azy ireny, ka tapa-kevitra
ny hanolo-tena ho an’i Jehovah aho. Natao batisa izahay mirahavavy tamin’ny 19 Novambra 1950. Faly izahay roa vavy fa lasa Vavolombelona koa ny ray aman-dreninay sy ny rahavavinay efatra.Inona no asa hataoko?
Efa nandeha tsara ny asako, tamin’izaho nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona. Niara-niasa tamin’ny manam-pahaizana iray momba ny sokitra aho rehefa nahazo diplaoma. Tamin’izay ilay sarivongana nataoko no nahazo voalohany, araka ny nolazaiko terỳ am-piandohana. Sarivongana ho fahatsiarovana an’ireo maty tamin’ny Ady Lehibe II izy io. “Lasa Tsy Niverina Intsony” no loha hevitra nosoratako teo amin’ilay izy, izay nahitana taratry ny fomba fihevitro vaovao momba ny ady. (Isaia 2:4; Matio 26:52) Tsy nanatrika teo anefa aho, rehefa naseho vahoaka ilay sarivongana, izay nahatratra dimy metatra. Nifandray tamin’ny fitiavan-tanindrazana mantsy ilay fety nanaovana izany, ka tsy nifanaraka tamin’ny zavatra nianarako avy tao amin’ny Baiboly.
Nihanalaza hatrany aho noho ny fahaizako sary sokitra, ary maro no nanome ahy asa tsara karama. Nisaintsaina izay tokony hoheveriko ho zava-dehibe kokoa anefa aho. Tiako ny asako, nefa naleoko kokoa nanampy ny hafa hifandray amin’i Jehovah. Izany no antony nanaovako ny asan’ny mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, nanomboka tamin’ny 1953.
Nokianin’ny olona aho indraindray, satria tsy mampiasa tsara ny talentako, hono. Fantatro anefa fa tsy haharitra ny zava-bitan’ny mpanao sokitra. Mbola ho simba ihany na dia ny sarivongana vita amin’ny granita aza. Rehefa manao ny asan’ny mpisava lalana anefa aho, dia mampiasa ny ankamaroan’ny fotoanako mba hanampiana ny hafa hahazo fiainana mandrakizay! (Jaona 17:3) Mbola nanao sary sokitra ihany anefa aho indraindray, mba ho fahafinaretana ho ahy. Amidiko ireny avy eo mba hahazoam-bola.
Nifindra tany ambanivohitra
Nanao ny asan’ny mpisava lalana tao Helsinki aho nandritra ny efa-taona, ary avy eo nasain’ny biraon’ny sampan’i Failandy hanompo tany Jalasjärvi, tamin’ny 1957. Tanàna ambanivohitra any amin’ny faritra atsimon’i Ostrobothnia izy io. I Anja Keto no nasaina niara-nanompo tamiko ary zandriko 17 taona izy. Mbola tsy nahafantatra azy aho, kanefa nekeko tamim-pifaliana ilay fanendrena ary niara-nipetraka izahay. Niara-nanompo matetika izahay satria izahay roa vavy ihany no Vavolombelona teo amin’ilay toerana. Tsy ela dia lasa mpinamana tsy nifankafoy izahay.
Lasa tso-piaina toy ny tamin’ny 20 taona lasa indray aho, nony tonga tany Jalasjärvi. Tsy mora ny niatrika ny ririnina. Tsy maintsy nandeha tamin’ny lalana feno lanezy izahay, ary tonga hatreo am-poto-pe izany tamin’ny fotoana sasany. Trano hazo tsotra kely no nisy anay. Loharano teo akaiky teo no nakanay rano, ary nivaingana nandritra ny alina ilay izy indraindray. Nanana izay nilainay foana anefa izahay. (1 Timoty 6:8) Faly erỳ izahay tamin’izany sady be atao foana.
Be atao tamin’ny asa tsara
Tsy nisy vokany firy ny ezaka nataonay, tamin’ny voalohany, satria nanavakavaka anay ny mponina teo an-toerana. Tianay hahafantatra ny asantsika izy ireo, ka nanao fandaharana hampisehoana ireo video navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay. Anisan’izany ilay hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa sy Ny Fahasambaran’ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao. Nanjary fantatr’izy ireo kokoa ny momba anay sy ny fikambanantsika ary takany fa misy vokany tsara eo amin’ny olona maneran-tany ny asantsika. Maro no nanatrika ireny fandaharana ireny.
Indray mandeha, dia nasehon’i Eero Muurainen (mpiandraikitra mpitety faritany) tao amin’ny tranom-pokonolona ilay video hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa. Feno hipoka ilay trano, ka zara raha nahita toerana hitsanganana terỳ an-joron-trano aho. Voatery niankin-drindrina àry aho sady nitsangana tamin’ny tongotra an’ila satria tsy nisy hametrahako ny tongotro ilany. Maro no nanatona anay sady nangataka hotsidihina, rehefa tapitra ilay video.
Nampiasa fitaovana fandraisam-peo lehibe koa izahay, mba handefasana lahateny ara-baiboly tany an-tranon’ireo tantsaha. Nanaiky
handefa lahateny toy izany tao an-tranon’ny fianakaviana iray izahay, indray mandeha. Nokasaina hatao tamin’ny fito hariva izy io, ary efa nasainay avokoa ny mponina tao an-tanàna. Niainga vao maraina be izahay tamin’io andro io, mba hitory tany amin’ny tanàna iray hafa, tokony ho 25 kilaometatra avy teo. Nihevitra izahay fa ho tafaverina aloha. Avy be anefa ny orana ka feno fotaka ny lalana.Tsy ela dia feno fotaka ny bisikiletanay, ka tsy nety nihodina intsony ny kodiarany. Izahay indray no nilanja azy ireo hatrany an-trano! Tsy afaka namonjy an’ilay fotoana àry izahay raha tsy efa alim-be. Iny izahay roa vavy nilanja an’ilay fitaovana fandraisam-peo, ary tsy tonga tany raha tsy tamin’ny folo alina. Nihevitra izahay fa efa lasa daholo ny olona, kanjo mbola niandry anay ny mponina tao an-tanàna sady feno hipoka ny trano! Nahafinaritra ny fiaraha-midinika taorian’ilay lahateny. Efa maraina ny andro vao tafody izahay. Lanaka tanteraka izahay, kanefa faly be!
Nisy Vavolombelona nanampy anay hividy fiara, satria tena mifanalavitra ireo tanàna nitorianay. Nahazo fiara efa tranainy, vita rosianina, izahay. Nanamora ny asanay izany. Tsy ela dia fantatry ny olona ilay fiara. Rehefa nitsidika ny faritra niadidiany mantsy ny eveka, dia nilaza tamin’ny ondriny mba tsy handray an’ireo vehivavy mitondra fiara manga. Nisy vokany teo amin’ny olona avy hatrany ilay fampitandremana. Tian’ny olona ho fantatra ireo vehivavy ireo sy ny antony nahatonga azy ireo hampidi-doza! Nahafinaritra ny dinidinika ara-baiboly nataonay, satria te hahalala zavatra izy ireo. Marina tokoa ilay tenin’i Isaia hoe: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina.”—Isaia 54:17.
Nahita vokatra izahay rehefa nandeha ny fotoana. Nandamina fivoriana niaraka tamin’ny olona liana vitsivitsy aloha izahay. Lasa fiangonana nisy mpitory 18 izany, tamin’ny 1962, ary ny vehivavy no betsaka. Nafindra tany amin’ny tanànan’i Ylistaro izahay sy Anja, roa taona taorian’izay.
Toerana mampisy aingam-panahy
Mbola tany ambanivohitra ihany no nanendrena anay. Kanto sady milamina ilay tanàna, saingy ny olona no tena nahafinaritra. Tia mandray olona sy sariaka izy ireo amin’ny ankapobeny. Maro no nafana fo tamin’ny fivavahany sy tia tanindrazana, ka nandroaka anay indraindray. Na izany aza, dia teo ireo nanaja fatratra ny Baiboly. Mazàna ny vehivavy no nanajanona ny raharahany sady nihaino anay, raha vao nahita anay namoaka Baiboly. Ny lehilahy kosa nanala ny satrony, na dia tsy nahazatra azy ireo aza izany. Vory ny fianakaviana manontolo indraindray, rehefa nampianatra Baiboly izahay, ary tonga koa na dia ny mpiara-monina aza.
Nahatonga ahy hanana aingam-panahy ireo olona tso-po hitako teny amin’ny fanompoana. Nanamboatra sarivongana tamin’ny vatosokay aho rehefa nisy fotoana. Sariolona ny ankamaroan’izy ireny, satria manintona ahy ireo toetra mahatehotia sy mampihomehy nananan’ny olona. Sarim-behivavy manao raharaha ny maro tamin’izy ireny. Izao no voalaza tao amin’ny gazety iray, momba ireo sarivongana nataoko: ‘Finaritra sy milamin-tsaina erỳ ianao
rehefa mijery azy ireny. Mahatsikaiky koa ny sasany, kanefa voalanjalanja tsara. Asehon’izy ireny fa tia olona ilay mpanakanto nanao azy, ary tena manan-talenta sy mahay mamoron-javatra.’ Tsy nifantoka be loatra tamin’ny fanaovana sokitra anefa aho, fa nifikitra tamin’ny fanapahan-kevitro hanompo an’i Jehovah manontolo andro.Nisy asa nasaina nataoko tamin’ny 1973, ary tsy nihevitra ny handa azy io mihitsy aho. Nasaina nanao sarivongana lehibe ho an’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Failandy aho. Natao tamin’ny vatosokay izy io, ary napetraka teo akaikin’ny fidirana. Ny Salamo 96:11-13 no loha hevitra niorenan’izy io sady nosoratana teo aminy. Faly erỳ aho fa afaka nampiasa ny talentako mba hiderana an’i Jehovah!
Ho fahafinaretana fotsiny no nanamboarako sary sokitra, nandritra ny fotoana naha mpisava lalana ahy. Gaga àry aho rehefa nahazo vola fisotroan-dronono tamin’ny naha artista ahy, taloha kelin’ny 1980. Tsy nampaninona ahy mihitsy ny nandray vola fanampiana, kanefa nieritreritra aho hoe: ‘Ity vola fisotroan-dronono ity fotsiny moa izany no mba azoko, raha nanokana ny fiainako tamin’ny fanaovana sokitra aho?’ Tsinontsinona tokoa ilay izy raha mitaha amin’ny fiainana mandrakizay!—1 Timoty 6:12.
Niverina an-tanàn-dehibe
Niova be ny fiainanay sy ny fanompoanay, tamin’ny 1974. Nalefa tany Turku mantsy izahay. Nilana mpitory maro kokoa tao amin’io tanàn-dehibe io, satria betsaka ny trano vao naorina, ary maro ny mpifindra monina. Tsy nahafaly anay loatra ilay fanendrena vaovao. Toa ho sarotra kokoa mantsy ny hitory amin’ny mponina an-tanàn-dehibe, satria tsy liana ny ankamaroan’izy ireo. Nihazatra tsikelikely tamin’ny faritaninay vaovao anefa izahay, ary nahita olona liana be dia be.
Olona 40 mahery no nampianay sy Anja hanolo-tena ho an’i Jehovah. Nahafaly anay tokoa ireny zanakay ara-panahy ireny! (3 Jaona 4) Niharatsy ny fahasalamako tato anatin’ireo taona faramparany. Vao mainka tsapako anefa ny fanohanan’i Jehovah sy ny fitiavan’ny fiangonana, ary ny ‘fanampiana sy fampaherezana’ avy amin’i Anja, ilay namako tsy foiko. (Kolosianina 4:11; Salamo 55:22) Efa ho 50 taona lasa izay no nihaonanay sy Anja voalohany. Tsy nieritreritra ny hiaraka ela be toy izao mihitsy izahay.
Misy fomba fiteny be mpitia manao hoe “Fohy ihany ny androm-piainana fa ny zavakanto no maharitra.” Tsy io anefa no nataoko teny filamatra. Ekeko kosa ilay tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 4:18 hoe: “Mihelina ny zavatra hita, fa ny tsy hita kosa maharitra mandrakizay.” Mihelina ihany ny fifaliana azoko avy amin’ny zavakanto, na ny “zavatra hita.” Tsy ahazoako fiainana mandrakizay izany, sady tsinontsinona raha mitaha amin’ny fifaliana azoko avy amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tena faly aho satria nanokana ny fiainako amin’ny ‘zavatra tsy hita’, izay maharitra kokoa noho ny zavakanto!
[Sary, pejy 19]
Eo am-panamboarana an’ilay sarivongana
[Sary, pejy 21]
Miaraka amin’i Anja (havia), 1957
[Sary, pejy 22]
Miaraka amin’i Anja (havanana) ankehitriny